Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: An-Nahl   Ayah:
وَلَقَدۡ نَعۡلَمُ أَنَّهُمۡ يَقُولُونَ إِنَّمَا يُعَلِّمُهُۥ بَشَرٞۗ لِّسَانُ ٱلَّذِي يُلۡحِدُونَ إِلَيۡهِ أَعۡجَمِيّٞ وَهَٰذَا لِسَانٌ عَرَبِيّٞ مُّبِينٌ
Ary efa mahafantatra Izahay, fa izy ireo dia hilaza hoe : “ Olombelona ihany no mampianatra azy ”. Ny fiteny izay ampiasain’izy ireo amin’izany dia fiteny vahiny (tsy teny arabo), ity anefa dia teny arabo mazava tsara.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ لَا يَهۡدِيهِمُ ٱللَّهُ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Marina fa ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah; dia tsy hitari-dàlana azy ireo i Allah. Ary ho azy ireo koa ny famaizana mamirifiry.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّمَا يَفۡتَرِي ٱلۡكَذِبَ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ
Tena marina fa ireo mamoron-dainga, dia ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah, ary izy ireny no mpandainga.
Arabic explanations of the Qur’an:
مَن كَفَرَ بِٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ إِيمَٰنِهِۦٓ إِلَّا مَنۡ أُكۡرِهَ وَقَلۡبُهُۥ مُطۡمَئِنُّۢ بِٱلۡإِيمَٰنِ وَلَٰكِن مَّن شَرَحَ بِٱلۡكُفۡرِ صَدۡرٗا فَعَلَيۡهِمۡ غَضَبٞ مِّنَ ٱللَّهِ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٞ
N'iza n'iza nitsipaka an’i Allah aorian’ny finoany... afa-tsy izay noterena, nefa ny fony dia feno fahatoniana amin’ny finoana, ary ireo izay manokatra an-tsitrapò ny fony amin’ny tsy finoana, dia hianjady amin’izy ireo ny hatezerana avy amin’i Allah, ary ho azy ireo ny famaizana lehibe.
Arabic explanations of the Qur’an:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمُ ٱسۡتَحَبُّواْ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا عَلَى ٱلۡأٓخِرَةِ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Izany (no miseho), dia satria, nankafý ny fiainana an-tany izy ireo noho ny any an-koatra. Ary tena marina fa i Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka tsy mpino.
Arabic explanations of the Qur’an:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ طَبَعَ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ وَسَمۡعِهِمۡ وَأَبۡصَٰرِهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡغَٰفِلُونَ
Izy ireny dia notampenan’i Allah ny fony, ny fandrenesany ary ny fahitany. Ary izy ireny no (olona) tsy mitandrina.
Arabic explanations of the Qur’an:
لَا جَرَمَ أَنَّهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Tsy hisalasana fa izy ireny no maty antoka any an-koatra.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ إِنَّ رَبَّكَ لِلَّذِينَ هَاجَرُواْ مِنۢ بَعۡدِ مَا فُتِنُواْ ثُمَّ جَٰهَدُواْ وَصَبَرُوٓاْ إِنَّ رَبَّكَ مِنۢ بَعۡدِهَا لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nifindra-monina taorian’ny fitsapana nianjady tamin’izy ireo, avy eo niady (tamin’ny làlan’i Allah) sy niaritra...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: An-Nahl
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close