Check out the new design

Qurani Kərimin mənaca tərcüməsi - Madaqaskar dilinə tərcümə - "Ruvvad" tərcümə mərkəzi. * - Tərcumənin mündəricatı


Mənaların tərcüməsi Surə: Yunus   Ayə:
وَمِنۡهُم مَّن يَنظُرُ إِلَيۡكَۚ أَفَأَنتَ تَهۡدِي ٱلۡعُمۡيَ وَلَوۡ كَانُواْ لَا يُبۡصِرُونَ
Ary misy amin’izy ireo izay mijery Anao. Ka moa ve Ianao afaka hitari-dàlana ireo jamba na dia tsy mahita aza izy ireo ?
Ərəbcə təfsirlər:
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَظۡلِمُ ٱلنَّاسَ شَيۡـٔٗا وَلَٰكِنَّ ٱلنَّاسَ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Marina fa i Allah dia tsy miangatra amin’ny Olona na dia kely aza, fa ny Olona ihany kosa no manao ny tsy rariny amin’ny tenany.
Ərəbcə təfsirlər:
وَيَوۡمَ يَحۡشُرُهُمۡ كَأَن لَّمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا سَاعَةٗ مِّنَ ٱلنَّهَارِ يَتَعَارَفُونَ بَيۡنَهُمۡۚ قَدۡ خَسِرَ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِلِقَآءِ ٱللَّهِ وَمَا كَانُواْ مُهۡتَدِينَ
Amin’ny Andro hamoriany azy ireo, dia toy ny tsy nijanona (tao am-pasany) afa-tsy adiny iray monja tamin’ny atoandro izay afahan’izy ireo hifankahalala. Tena maty antoka ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’i Allah no sady tsy mpanara-dàlana mihitsy izy ireo.
Ərəbcə təfsirlər:
وَإِمَّا نُرِيَنَّكَ بَعۡضَ ٱلَّذِي نَعِدُهُمۡ أَوۡ نَتَوَفَّيَنَّكَ فَإِلَيۡنَا مَرۡجِعُهُمۡ ثُمَّ ٱللَّهُ شَهِيدٌ عَلَىٰ مَا يَفۡعَلُونَ
Na hampahitanay Anao ny sasany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na ho tamperinay tanteraka ny fiainanao ary tsy maintsy aty Aminay ihany no hiverenan’izy ireo. Manarak’izany, i Allah dia vavolombelona amin’izay rehetra ataon’izy ireo.
Ərəbcə təfsirlər:
وَلِكُلِّ أُمَّةٖ رَّسُولٞۖ فَإِذَا جَآءَ رَسُولُهُمۡ قُضِيَ بَيۡنَهُم بِٱلۡقِسۡطِ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Isaky ny vahoaka dia nanana Iraka. Ary rehefa tonga ny Iraka ho azy ireo dia voatsara ara-drariny ary tsy nisy fiangarana tamin’izy ireo.
Ərəbcə təfsirlər:
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ary miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa Ianareo ? ”
Ərəbcə təfsirlər:
قُل لَّآ أَمۡلِكُ لِنَفۡسِي ضَرّٗا وَلَا نَفۡعًا إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۗ لِكُلِّ أُمَّةٍ أَجَلٌۚ إِذَا جَآءَ أَجَلُهُمۡ فَلَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ سَاعَةٗ وَلَا يَسۡتَقۡدِمُونَ
Teneno : " Izaho dia tsy manana na inona na inona hampahory na hanasoa ny tenako afa-tsy izay sitrak’i Allah. Ny vahoaka tsirairay dia samy manana fe-potoana hiafarany. Rehefa tonga ny fe-potoan’izy ireo, dia tsy misy afaka hampihemotra na dia adiny iray aza izy ireo na hampandroso izany.
Ərəbcə təfsirlər:
قُلۡ أَرَءَيۡتُمۡ إِنۡ أَتَىٰكُمۡ عَذَابُهُۥ بَيَٰتًا أَوۡ نَهَارٗا مَّاذَا يَسۡتَعۡجِلُ مِنۡهُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ
Teneno hoe : " Moa ve hitanareo raha tonga eo Aminareo ny Saziny amin’ny alina na amin’ny atoandro, mba inona no azon’ireo mpanao heloka bevava hafainganina amin’izany ? ”
Ərəbcə təfsirlər:
أَثُمَّ إِذَا مَا وَقَعَ ءَامَنتُم بِهِۦٓۚ ءَآلۡـَٰٔنَ وَقَدۡ كُنتُم بِهِۦ تَسۡتَعۡجِلُونَ
Moa ve rehefa mitranga tokoa izany vao hino Ianareo ? Ankehitriny ! Nefa Ianareo teo aloha dia nitaky ny fahatongavan’izany haingana.
Ərəbcə təfsirlər:
ثُمَّ قِيلَ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ ذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡخُلۡدِ هَلۡ تُجۡزَوۡنَ إِلَّا بِمَا كُنتُمۡ تَكۡسِبُونَ
Ary dia ho tenenina amin’ireo izay nanao ny tsy rariny hoe : "Andramonareo ny sazy maharitra mandrakizay! Moa va ho valiana ianareo afa-tsy izay nataonareo.
Ərəbcə təfsirlər:
۞ وَيَسۡتَنۢبِـُٔونَكَ أَحَقٌّ هُوَۖ قُلۡ إِي وَرَبِّيٓ إِنَّهُۥ لَحَقّٞۖ وَمَآ أَنتُم بِمُعۡجِزِينَ
Ary mangataka fanazavana avy Aminao izy ireo : " Moa ve marina izany ? ” Teneno fa hoe : " Marina ! Mianiana amin’ny Tompoko Aho ! Tena marina tokoa izany. Ary Ianareo dia tena tsy afaka hanakana izany mihitsy ”.
Ərəbcə təfsirlər:
 
Mənaların tərcüməsi Surə: Yunus
Surələrin mündəricatı Səhifənin rəqəmi
 
Qurani Kərimin mənaca tərcüməsi - Madaqaskar dilinə tərcümə - "Ruvvad" tərcümə mərkəzi. - Tərcumənin mündəricatı

Tərcümə "Ruvvad" tərcümə mərkəzi tərəfindən "Rəbva" dəvət cəmiyyəti və İslam məzmununun dillərə xidmət cəmiyyəti ilə birgə əməkdaşlığı ilə tərcümə edilmişdir.

Bağlamaq