Check out the new design

Qurani Kərimin mənaca tərcüməsi - Madaqaskar dilinə tərcümə - "Ruvvad" tərcümə mərkəzi. * - Tərcumənin mündəricatı


Mənaların tərcüməsi Surə: ət-Tovbə   Ayə:
وَعَلَى ٱلثَّلَٰثَةِ ٱلَّذِينَ خُلِّفُواْ حَتَّىٰٓ إِذَا ضَاقَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلۡأَرۡضُ بِمَا رَحُبَتۡ وَضَاقَتۡ عَلَيۡهِمۡ أَنفُسُهُمۡ وَظَنُّوٓاْ أَن لَّا مَلۡجَأَ مِنَ ٱللَّهِ إِلَّآ إِلَيۡهِ ثُمَّ تَابَ عَلَيۡهِمۡ لِيَتُوبُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلتَّوَّابُ ٱلرَّحِيمُ
Ary nandray ny fibebahan’ireo telo lahy izay nijanona tao aoriana Izy, rehefa nihatery tamin’izy ireo ilay tany, na dia midadasika aza, nahatsapa tena tokoa izy ireo fa tao anaty fahaterena ary nihevitra izy ireo fa tsy misy làlan-kivoahana hafa mankany amin’i Allah raha tsy ny fiverenana Aminy. Koa avy eo dia nandray ny fibebahan’izy ireo Izy mba hiverenan’izy ireo Aminy. Satria i Allah no Mpandray ny fibebahana sy be Fiantrana.
Ərəbcə təfsirlər:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَكُونُواْ مَعَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Oh Ianareo izay nino, matahora an’i Allah Ianareo ary miaraha amin’ireo Olo-marina.
Ərəbcə təfsirlər:
مَا كَانَ لِأَهۡلِ ٱلۡمَدِينَةِ وَمَنۡ حَوۡلَهُم مِّنَ ٱلۡأَعۡرَابِ أَن يَتَخَلَّفُواْ عَن رَّسُولِ ٱللَّهِ وَلَا يَرۡغَبُواْ بِأَنفُسِهِمۡ عَن نَّفۡسِهِۦۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ لَا يُصِيبُهُمۡ ظَمَأٞ وَلَا نَصَبٞ وَلَا مَخۡمَصَةٞ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَلَا يَطَـُٔونَ مَوۡطِئٗا يَغِيظُ ٱلۡكُفَّارَ وَلَا يَنَالُونَ مِنۡ عَدُوّٖ نَّيۡلًا إِلَّا كُتِبَ لَهُم بِهِۦ عَمَلٞ صَٰلِحٌۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Tsy tokony ataon’ireo mponin’ny Madina sy ireo mpifindra-monina Arabo manodidina azy ireo, ny nitaraidraika aorian’ilay Irakan’i Allah sy nitia ny ain’izy ireo mihoatra ny Azy. Satria izy ireo dia tsy hahatsapa hetaheta, na harerahana na hanoanana amin’ny làlan’i Allah. Ary tsy hanitsaka toerana izay hampatezitra ireo tsy mpino izy ireo. Ary tsy ahazo tombontsoa amin’ny fahavalo na dia kely aza, raha tsy izay efa voasoratra ho azy ireo amin’ny alalan’izany ny fanaovana asa soa. Tena marina, fa tsy avelan'i Allah ho very ny valisoan’ireo mpanao asa soa.
Ərəbcə təfsirlər:
وَلَا يُنفِقُونَ نَفَقَةٗ صَغِيرَةٗ وَلَا كَبِيرَةٗ وَلَا يَقۡطَعُونَ وَادِيًا إِلَّا كُتِبَ لَهُمۡ لِيَجۡزِيَهُمُ ٱللَّهُ أَحۡسَنَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Tsy hanao fandaniana mihitsy izy ireo, na kely na lehibe ary tsy hamakivaky lohasaha raha tsy efa voasoratra ho an’izy ireo izany, mba hanomezan’i Allah azy ireo valisoa mendrika indrindra amin’ireo asa nataony.
Ərəbcə təfsirlər:
۞ وَمَا كَانَ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ لِيَنفِرُواْ كَآفَّةٗۚ فَلَوۡلَا نَفَرَ مِن كُلِّ فِرۡقَةٖ مِّنۡهُمۡ طَآئِفَةٞ لِّيَتَفَقَّهُواْ فِي ٱلدِّينِ وَلِيُنذِرُواْ قَوۡمَهُمۡ إِذَا رَجَعُوٓاْ إِلَيۡهِمۡ لَعَلَّهُمۡ يَحۡذَرُونَ
Tsy tokony handao ny tokatranony daholo ireo mpino rehetra. Nahoana ireo andiany sasany amin’ny foko tsirairay no tsy tonga manovo ny fahalalana mahakasika ny finoana mba ahafahan’izy ireo mampitandrina ny vahoakany rehefa miverina any aminy izy ireo. Angamba hitandrina izy ireo.
Ərəbcə təfsirlər:
 
Mənaların tərcüməsi Surə: ət-Tovbə
Surələrin mündəricatı Səhifənin rəqəmi
 
Qurani Kərimin mənaca tərcüməsi - Madaqaskar dilinə tərcümə - "Ruvvad" tərcümə mərkəzi. - Tərcumənin mündəricatı

Tərcümə "Ruvvad" tərcümə mərkəzi tərəfindən "Rəbva" dəvət cəmiyyəti və İslam məzmununun dillərə xidmət cəmiyyəti ilə birgə əməkdaşlığı ilə tərcümə edilmişdir.

Bağlamaq