Check out the new design

Übersetzung der Bedeutungen von dem heiligen Quran - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة * - Übersetzungen


Übersetzung der Bedeutungen Surah / Kapitel: At-Taubah   Vers:
فَلَا تُعۡجِبۡكَ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُمۡۚ إِنَّمَا يُرِيدُ ٱللَّهُ لِيُعَذِّبَهُم بِهَا فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَتَزۡهَقَ أَنفُسُهُمۡ وَهُمۡ كَٰفِرُونَ
Koa aza atao mahatalanjona Anao akory ny fananan’izy ireo sy ny zanak’izy ireo ! Ary i Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanasaziana azy ireo avy amin’ny alalan’izany (harena sy zanaka) amin’ny fiainana ety an-tany sy hanasarotra ny fialan’ny fanahin’izy ireo ao anaty tsy finoana.
Arabische Interpretationen von dem heiligen Quran:
وَيَحۡلِفُونَ بِٱللَّهِ إِنَّهُمۡ لَمِنكُمۡ وَمَا هُم مِّنكُمۡ وَلَٰكِنَّهُمۡ قَوۡمٞ يَفۡرَقُونَ
Ary izy ireo (mpiatsaravelatsihy) dia mianiana amin’i Allah fa tena anisan’ny namanareo; ka nefa izy ireo dia tsy mba anisan’ny namanareo akory, fa izy ireo dia tena vahoaka saro-tahotra.
Arabische Interpretationen von dem heiligen Quran:
لَوۡ يَجِدُونَ مَلۡجَـًٔا أَوۡ مَغَٰرَٰتٍ أَوۡ مُدَّخَلٗا لَّوَلَّوۡاْ إِلَيۡهِ وَهُمۡ يَجۡمَحُونَ
Raha mahita fialofana izy ireo, na lava-bato na zohy ambanin’ny tany, dia tena mandositra sy mihazakazaka mankany mihitsy.
Arabische Interpretationen von dem heiligen Quran:
وَمِنۡهُم مَّن يَلۡمِزُكَ فِي ٱلصَّدَقَٰتِ فَإِنۡ أُعۡطُواْ مِنۡهَا رَضُواْ وَإِن لَّمۡ يُعۡطَوۡاْ مِنۡهَآ إِذَا هُمۡ يَسۡخَطُونَ
Misy amin’izy ireo manakiana Anao mahakasika ny fizarana ireo Soadakàt [88], raha omena amin’izany izy ireo dia faly, fa raha tsy omena izany kosa izy ireo, indro fa tezitra mafy tokoa izy ireo.
Arabische Interpretationen von dem heiligen Quran:
وَلَوۡ أَنَّهُمۡ رَضُواْ مَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥ وَقَالُواْ حَسۡبُنَا ٱللَّهُ سَيُؤۡتِينَا ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦ وَرَسُولُهُۥٓ إِنَّآ إِلَى ٱللَّهِ رَٰغِبُونَ
Ary raha izy ireo tena afa-po tamin’izay nomen’i Allah azy ireo sy ny Irany, dia niteny izy ireo nanao hoe : " Ampy anay i Allah, dia omen’i Allah ny amin’ny fahasoavany izahay sy ny Irany. Marina fa ny fanirinay rehetra dia mankany amin’i Allah.”
Arabische Interpretationen von dem heiligen Quran:
۞ إِنَّمَا ٱلصَّدَقَٰتُ لِلۡفُقَرَآءِ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَٱلۡعَٰمِلِينَ عَلَيۡهَا وَٱلۡمُؤَلَّفَةِ قُلُوبُهُمۡ وَفِي ٱلرِّقَابِ وَٱلۡغَٰرِمِينَ وَفِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱبۡنِ ٱلسَّبِيلِۖ فَرِيضَةٗ مِّنَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Ny harena fiantrana (Zakat) dia voatokana homena ireo mahantra, ireo fadiranovana, ary ireo izay miasa amin’izany, ireo mbola tambazana ny fony, ny famotsorana andevo, ireo izay vesaran’ny trosa sy ireo miasa amin’ny làlan’Allah, ary ho an’ny mpandeha lany vatsy. Didy avy amin’Allah izany! Satria Mahalala ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah.
Arabische Interpretationen von dem heiligen Quran:
وَمِنۡهُمُ ٱلَّذِينَ يُؤۡذُونَ ٱلنَّبِيَّ وَيَقُولُونَ هُوَ أُذُنٞۚ قُلۡ أُذُنُ خَيۡرٖ لَّكُمۡ يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَيُؤۡمِنُ لِلۡمُؤۡمِنِينَ وَرَحۡمَةٞ لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنكُمۡۚ وَٱلَّذِينَ يُؤۡذُونَ رَسُولَ ٱللَّهِ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary misy amin’izy ireo manenjika ny Mpaminany sy miteny manao hoe : " Izy dia tia mihaino izay rehetra tenenin’olona.” Teneno hoe : " Ny fihainoana dia mahatsara Anareo : Mino an’i Allah izy sy manam-pahatokisana ireo mpino, ary izy no famindram-po ho an’ireo izay mino Aminareo. Ary ireo izay manenjika ny Irak’i Allah dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry.”
Arabische Interpretationen von dem heiligen Quran:
 
Übersetzung der Bedeutungen Surah / Kapitel: At-Taubah
Suren/ Kapiteln Liste Nummer der Seite
 
Übersetzung der Bedeutungen von dem heiligen Quran - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة - Übersetzungen

Übersetzt vom Team des Rowwad-Übersetzungszentrums in Zusammenarbeit mit der Da'wa-Vereinigung in Rabwa und der Vereinigung für die Bereitstellung islamischer Inhalte in verschiedenen Sprachen.

Schließen