Check out the new design

Firo maanaaji al-quraan tedduɗo oo - Eggo e ɗemngal Malagasi - Ñiiɓirde Ruwwad ngam Eggude. * - Tippudi firooji ɗii


Firo maanaaji Simoore: Simoore Al-ahkaaf   Aaya:
وَإِذۡ صَرَفۡنَآ إِلَيۡكَ نَفَرٗا مِّنَ ٱلۡجِنِّ يَسۡتَمِعُونَ ٱلۡقُرۡءَانَ فَلَمَّا حَضَرُوهُ قَالُوٓاْ أَنصِتُواْۖ فَلَمَّا قُضِيَ وَلَّوۡاْ إِلَىٰ قَوۡمِهِم مُّنذِرِينَ
Tsarovy, tamin’ny nandefasanay andian'ny Djiny teo aminao mba hihaino ny Koroany. Rehefa tonga teo izy ireo, dia niteny hoe : “Henoinareo tsara.” Ary rehefa tapitra izany, dia niverina teo amin’ny vahoakany ho mpampitandrina izy ireo.
Faccirooji aarabeeji:
قَالُواْ يَٰقَوۡمَنَآ إِنَّا سَمِعۡنَا كِتَٰبًا أُنزِلَ مِنۢ بَعۡدِ مُوسَىٰ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ يَهۡدِيٓ إِلَى ٱلۡحَقِّ وَإِلَىٰ طَرِيقٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Dia hoy izy ireo : “Ry vahoakanay ! Avy nahare Boky iray nampidinina taorian’i Mosesy izahay, manamarina izay teo alohany. Mitarika ho amin’ny fahamarinana izany, sy ho amin’ny lalana mahitsy."
Faccirooji aarabeeji:
يَٰقَوۡمَنَآ أَجِيبُواْ دَاعِيَ ٱللَّهِ وَءَامِنُواْ بِهِۦ يَغۡفِرۡ لَكُم مِّن ذُنُوبِكُمۡ وَيُجِرۡكُم مِّنۡ عَذَابٍ أَلِيمٖ
Ry vahoakanay ! Valio ny antson’ilay mpitory tenin’Allah, ary aoka ianareo hino Azy. Hamela ny fahotanareo I Allah, ary hiaro anareo amin’ny famaizana mamirifiry.
Faccirooji aarabeeji:
وَمَن لَّا يُجِبۡ دَاعِيَ ٱللَّهِ فَلَيۡسَ بِمُعۡجِزٖ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَيۡسَ لَهُۥ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءُۚ أُوْلَٰٓئِكَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٍ
Ary n'aiza n'aiza tsy hamaliana ny antson’ilay mpitory tenin’I Allah, dia misy tsy afaka handositra ny fahefany eto an-tany. Ary tsy hanana mpiahy ankoatra Azy izy. Ao anatin’ny fahaverezana tokoa izy ireny.
Faccirooji aarabeeji:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّ ٱللَّهَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَلَمۡ يَعۡيَ بِخَلۡقِهِنَّ بِقَٰدِرٍ عَلَىٰٓ أَن يُحۡـِۧيَ ٱلۡمَوۡتَىٰۚ بَلَىٰٓۚ إِنَّهُۥ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Tsy hitan’izy ireo va, fa Allah no nahary ny lanitra sy ny tany, izay tsy mbola sasatra tamin’ny fahariany izany, ary afaka mamerina indray ny aina amin’ireo maty ? Izany mihitsy. Mahefa ny zava-drehetra tokoa Izy.
Faccirooji aarabeeji:
وَيَوۡمَ يُعۡرَضُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ عَلَى ٱلنَّارِ أَلَيۡسَ هَٰذَا بِٱلۡحَقِّۖ قَالُواْ بَلَىٰ وَرَبِّنَاۚ قَالَ فَذُوقُواْ ٱلۡعَذَابَ بِمَا كُنتُمۡ تَكۡفُرُونَ
Ary amin’ny andro hitondrana ireo tsy mpino eo anatrehan’ny afo, dia holazaina izy ireo hoe : “Tsy io va ny fahamarinana ?”. Hamaly izy ireo hoe : “Izany tokoa ! Marina amin’ny Tomponay.” Hiteny izy hoe : “Raha izany, dia andramo àry ny famaizana nohon'ny tsy finoanareo.”
Faccirooji aarabeeji:
فَٱصۡبِرۡ كَمَا صَبَرَ أُوْلُواْ ٱلۡعَزۡمِ مِنَ ٱلرُّسُلِ وَلَا تَسۡتَعۡجِل لَّهُمۡۚ كَأَنَّهُمۡ يَوۡمَ يَرَوۡنَ مَا يُوعَدُونَ لَمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا سَاعَةٗ مِّن نَّهَارِۭۚ بَلَٰغٞۚ فَهَلۡ يُهۡلَكُ إِلَّا ٱلۡقَوۡمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Mihareta àry ianao, tahaka ny niaretan’ireo Iraka nanam-piniavana, ary aoka ianao tsy ho maika hahita azy ireo hiharan’ny famaizana. Ny andro hahitan’izy ireo izay nampitandremana azy, dia ho tsaroan’izy ireo ho toy ny ora iray monja amin’ny andro iray, no nijanonan’izy ireo (teny ambon’ny tany). Fampandrenesana izany. Ka iza ary no ho potika raha tsy ireo olona mpanao ny ratsy ihany.
Faccirooji aarabeeji:
 
Firo maanaaji Simoore: Simoore Al-ahkaaf
Tippudi cimooje Tonngoode hello ngoo
 
Firo maanaaji al-quraan tedduɗo oo - Eggo e ɗemngal Malagasi - Ñiiɓirde Ruwwad ngam Eggude. - Tippudi firooji ɗii

Firi ɗum ko fedde hentorde kanngameeji firo e ballondiral e Ceeɗɗi Da'wa e Rabwa e Ceeɗɗi Ballondiral Ndeernde Islaam e ɗemngal.

Uddude