Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Almu'aminoun   Aya:

Al-mo'minona

قَدۡ أَفۡلَحَ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ
Tena sambatra tokoa ireo mpino.
Tafsiran larabci:
ٱلَّذِينَ هُمۡ فِي صَلَاتِهِمۡ خَٰشِعُونَ
Ireo izay manetri-tena amin’ny Soalat (vavaka) ataon’izy ireo.
Tafsiran larabci:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَنِ ٱللَّغۡوِ مُعۡرِضُونَ
Sy ireo izay manalavitra ny rendrarendra.
Tafsiran larabci:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِلزَّكَوٰةِ فَٰعِلُونَ
Sy ireo izay mamoaka ny Zakat (harena fiantrana).
Tafsiran larabci:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِفُرُوجِهِمۡ حَٰفِظُونَ
َAry ireo izay mitandrina ny fitaovam-pananahany amin'ny fahadiovam-pitondra-tenany.
Tafsiran larabci:
إِلَّا عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَإِنَّهُمۡ غَيۡرُ مَلُومِينَ
Ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.
Tafsiran larabci:
فَمَنِ ٱبۡتَغَىٰ وَرَآءَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡعَادُونَ
Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa, dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.
Tafsiran larabci:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِأَمَٰنَٰتِهِمۡ وَعَهۡدِهِمۡ رَٰعُونَ
Izay mitandrina ny fananana nankinina taminy, sy manaja tanteraka ny fifanekena.
Tafsiran larabci:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَوَٰتِهِمۡ يُحَافِظُونَ
Sy ireo izay manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo vavaka (Soalat).
Tafsiran larabci:
أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡوَٰرِثُونَ
Dia izy ireny no mpandova.
Tafsiran larabci:
ٱلَّذِينَ يَرِثُونَ ٱلۡفِرۡدَوۡسَ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Izay handova ny Paradisa «Firdaosy», honina ao mandrakizay izy ireo.
Tafsiran larabci:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِن سُلَٰلَةٖ مِّن طِينٖ
Tena marina fa noharianay avy amin’ny tany (maro isan-karazany) ny olombelona.
Tafsiran larabci:
ثُمَّ جَعَلۡنَٰهُ نُطۡفَةٗ فِي قَرَارٖ مَّكِينٖ
Avy eo dia Noharianay avy amin’ny tentin’ny tsirin'aina izy ireo (ka napetrakay) tao amin'ny toerana voaaro (tranon-janaka).
Tafsiran larabci:
ثُمَّ خَلَقۡنَا ٱلنُّطۡفَةَ عَلَقَةٗ فَخَلَقۡنَا ٱلۡعَلَقَةَ مُضۡغَةٗ فَخَلَقۡنَا ٱلۡمُضۡغَةَ عِظَٰمٗا فَكَسَوۡنَا ٱلۡعِظَٰمَ لَحۡمٗا ثُمَّ أَنشَأۡنَٰهُ خَلۡقًا ءَاخَرَۚ فَتَبَارَكَ ٱللَّهُ أَحۡسَنُ ٱلۡخَٰلِقِينَ
Avy eo dia nataonay ho vaingan-drà izany tsirin'aina izany ; ary avy amin’ny vaingan-drà no nanamboaranay ny vainga-nofo ; ary avy amin’ny vainga-nofo no nanamboaranay ny taolana ; ary notafianay nofo ny taolana. Avy eo dia novanay ho fahariana hafa tanteraka izany. Ka voninahitra anie ho an’I Allah, Ilay tsara indrindra amin’ireo Mpahary !
Tafsiran larabci:
ثُمَّ إِنَّكُم بَعۡدَ ذَٰلِكَ لَمَيِّتُونَ
Avy eo, aorian’izany dia tena ho faty ianareo.
Tafsiran larabci:
ثُمَّ إِنَّكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ تُبۡعَثُونَ
Avy amin’ny Andro Fitsanganana dia hatsangana amin’ny maty ianareo.
Tafsiran larabci:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا فَوۡقَكُمۡ سَبۡعَ طَرَآئِقَ وَمَا كُنَّا عَنِ ٱلۡخَلۡقِ غَٰفِلِينَ
Eny, Nahary ny lanitra fito tokoa Izahay eo amboninareo, ary tsy mba variana amin’ny fahariana nataonay Izahay.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Almu'aminoun
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa