Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'shu'araa   Aya:
وَٱجۡعَل لِّي لِسَانَ صِدۡقٖ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ
Omeo laza tsara aho amin’ireo taranaka amam-para any aoriana.
Tafsiran larabci:
وَٱجۡعَلۡنِي مِن وَرَثَةِ جَنَّةِ ٱلنَّعِيمِ
Ary ataovy an’isan’ireo mpandova ny Paradisan’ny «Na’ìm» (fahafinaretana) aho.
Tafsiran larabci:
وَٱغۡفِرۡ لِأَبِيٓ إِنَّهُۥ كَانَ مِنَ ٱلضَّآلِّينَ
Ary mamelà ny heloky ny raiko, satria izy dia tena anisan’ireo very lalana.
Tafsiran larabci:
وَلَا تُخۡزِنِي يَوۡمَ يُبۡعَثُونَ
Ary aza alaina baraka aho amin’ny andro hampitsanganana ireo maty.
Tafsiran larabci:
يَوۡمَ لَا يَنفَعُ مَالٞ وَلَا بَنُونَ
Amin’ny andro izay tsy hitera-boka-tsoa, na ny harena na ny zanaka.
Tafsiran larabci:
إِلَّا مَنۡ أَتَى ٱللَّهَ بِقَلۡبٖ سَلِيمٖ
Afa-tsy izay tonga eo anatrehan’I Allah miaraka amin’ny fo madio.
Tafsiran larabci:
وَأُزۡلِفَتِ ٱلۡجَنَّةُ لِلۡمُتَّقِينَ
Ary hampanatonina ny Paradisa, ho an’ireo nanam-patahorana.
Tafsiran larabci:
وَبُرِّزَتِ ٱلۡجَحِيمُ لِلۡغَاوِينَ
Ary haseho ny afobe, ho an’ireo very lalana.
Tafsiran larabci:
وَقِيلَ لَهُمۡ أَيۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡبُدُونَ
Ary ho tenenina amin’izy ireo hoe : “Aiza ireo izay notompoinareo?"
Tafsiran larabci:
مِن دُونِ ٱللَّهِ هَلۡ يَنصُرُونَكُمۡ أَوۡ يَنتَصِرُونَ
Ankoatr’I Allah ? Moa ve manavotra anareo izy ireo ? Sa afaka manavotra ny tenany ve izy ireo ?
Tafsiran larabci:
فَكُبۡكِبُواْ فِيهَا هُمۡ وَٱلۡغَاوُۥنَ
Ary hatsipy hifangaro ao izy ireo, sy ireo very lalana.
Tafsiran larabci:
وَجُنُودُ إِبۡلِيسَ أَجۡمَعُونَ
Toy izany koa ireo miaramilan’i Iblisa rehetra.
Tafsiran larabci:
قَالُواْ وَهُمۡ فِيهَا يَخۡتَصِمُونَ
Hiteny izy ireo ao, sady mifanditra :
Tafsiran larabci:
تَٱللَّهِ إِن كُنَّا لَفِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٍ
Mianiana amin’I Allah izahay fa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa.
Tafsiran larabci:
إِذۡ نُسَوِّيكُم بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Raha nampitovy anareo tamin’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay !
Tafsiran larabci:
وَمَآ أَضَلَّنَآ إِلَّا ٱلۡمُجۡرِمُونَ
Ary tsy nisy namery lalana anay afa-tsy ireo mpanao heloka bevava !
Tafsiran larabci:
فَمَا لَنَا مِن شَٰفِعِينَ
Ary tsy manana mpanelanelana izahay.
Tafsiran larabci:
وَلَا صَدِيقٍ حَمِيمٖ
Na sakaiza mafana fo !
Tafsiran larabci:
فَلَوۡ أَنَّ لَنَا كَرَّةٗ فَنَكُونَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Raha nanana fahafahana miverina izahay dia ho anisan’ireo mpino !
Tafsiran larabci:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
Tafsiran larabci:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
Tafsiran larabci:
كَذَّبَتۡ قَوۡمُ نُوحٍ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan’i Noa.
Tafsiran larabci:
إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ نُوحٌ أَلَا تَتَّقُونَ
Rehefa niteny tamin’izy ireo i Noa, rahalahin’izy ireo, hoe : “Tsy matahotra (an’I Allah) ve ianareo ?
Tafsiran larabci:
إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
Tafsiran larabci:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary ankatoavy aho.
Tafsiran larabci:
وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy mila tambiny aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.
Tafsiran larabci:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Tafsiran larabci:
۞ قَالُوٓاْ أَنُؤۡمِنُ لَكَ وَٱتَّبَعَكَ ٱلۡأَرۡذَلُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino anao izahay, nefa ireny olona ambany saranga indrindra ireny no manaraka anao ?”
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'shu'araa
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa