Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'safat   Aya:
مَا لَكُمۡ لَا تَنَاصَرُونَ
“Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ”
Tafsiran larabci:
بَلۡ هُمُ ٱلۡيَوۡمَ مُسۡتَسۡلِمُونَ
Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo
Tafsiran larabci:
وَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ
Ary hifampitodika izy ireo hifanontany
Tafsiran larabci:
قَالُوٓاْ إِنَّكُمۡ كُنتُمۡ تَأۡتُونَنَا عَنِ ٱلۡيَمِينِ
Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”.
Tafsiran larabci:
قَالُواْ بَل لَّمۡ تَكُونُواْ مُؤۡمِنِينَ
Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”.
Tafsiran larabci:
وَمَا كَانَ لَنَا عَلَيۡكُم مِّن سُلۡطَٰنِۭۖ بَلۡ كُنتُمۡ قَوۡمٗا طَٰغِينَ
Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy.
Tafsiran larabci:
فَحَقَّ عَلَيۡنَا قَوۡلُ رَبِّنَآۖ إِنَّا لَذَآئِقُونَ
Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay
Tafsiran larabci:
فَأَغۡوَيۡنَٰكُمۡ إِنَّا كُنَّا غَٰوِينَ
Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana.
Tafsiran larabci:
فَإِنَّهُمۡ يَوۡمَئِذٖ فِي ٱلۡعَذَابِ مُشۡتَرِكُونَ
Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra.
Tafsiran larabci:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَفۡعَلُ بِٱلۡمُجۡرِمِينَ
Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava.
Tafsiran larabci:
إِنَّهُمۡ كَانُوٓاْ إِذَا قِيلَ لَهُمۡ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱللَّهُ يَسۡتَكۡبِرُونَ
Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo.
Tafsiran larabci:
وَيَقُولُونَ أَئِنَّا لَتَارِكُوٓاْ ءَالِهَتِنَا لِشَاعِرٖ مَّجۡنُونِۭ
Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?”
Tafsiran larabci:
بَلۡ جَآءَ بِٱلۡحَقِّ وَصَدَّقَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha).
Tafsiran larabci:
إِنَّكُمۡ لَذَآئِقُواْ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَلِيمِ
Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry.
Tafsiran larabci:
وَمَا تُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany
Tafsiran larabci:
إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy
Tafsiran larabci:
أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ رِزۡقٞ مَّعۡلُومٞ
Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra
Tafsiran larabci:
فَوَٰكِهُ وَهُم مُّكۡرَمُونَ
Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo
Tafsiran larabci:
فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
.Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana
Tafsiran larabci:
عَلَىٰ سُرُرٖ مُّتَقَٰبِلِينَ
Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika.
Tafsiran larabci:
يُطَافُ عَلَيۡهِم بِكَأۡسٖ مِّن مَّعِينِۭ
Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano.
Tafsiran larabci:
بَيۡضَآءَ لَذَّةٖ لِّلشَّٰرِبِينَ
Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy.
Tafsiran larabci:
لَا فِيهَا غَوۡلٞ وَلَا هُمۡ عَنۡهَا يُنزَفُونَ
Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany.
Tafsiran larabci:
وَعِندَهُمۡ قَٰصِرَٰتُ ٱلطَّرۡفِ عِينٞ
Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso.
Tafsiran larabci:
كَأَنَّهُنَّ بَيۡضٞ مَّكۡنُونٞ
Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara.
Tafsiran larabci:
فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ
Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany.
Tafsiran larabci:
قَالَ قَآئِلٞ مِّنۡهُمۡ إِنِّي كَانَ لِي قَرِينٞ
Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana"
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'safat
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa