Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Aya: (92) Sura: Al'nisaa
وَمَا كَانَ لِمُؤۡمِنٍ أَن يَقۡتُلَ مُؤۡمِنًا إِلَّا خَطَـٔٗاۚ وَمَن قَتَلَ مُؤۡمِنًا خَطَـٔٗا فَتَحۡرِيرُ رَقَبَةٖ مُّؤۡمِنَةٖ وَدِيَةٞ مُّسَلَّمَةٌ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِۦٓ إِلَّآ أَن يَصَّدَّقُواْۚ فَإِن كَانَ مِن قَوۡمٍ عَدُوّٖ لَّكُمۡ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَتَحۡرِيرُ رَقَبَةٖ مُّؤۡمِنَةٖۖ وَإِن كَانَ مِن قَوۡمِۭ بَيۡنَكُمۡ وَبَيۡنَهُم مِّيثَٰقٞ فَدِيَةٞ مُّسَلَّمَةٌ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِۦ وَتَحۡرِيرُ رَقَبَةٖ مُّؤۡمِنَةٖۖ فَمَن لَّمۡ يَجِدۡ فَصِيَامُ شَهۡرَيۡنِ مُتَتَابِعَيۡنِ تَوۡبَةٗ مِّنَ ٱللَّهِۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمٗا
Tsy azon’ny mpino atao ny mamono ny mpino namany afa-tsy hoe nohon'ny tsy fitandremana. Ary izay nahafaty mpino iray nohon'ny hadisoana na tsy fitandremana, dia aoka izy hamotsotra andevo mpino iray no sady hanome honitra ny fianakavian’ny maty nohon'ny hadisoana izay nataony afa-tsy hoe namela izany amim-pahatsorana izy ireo. Fa raha toa ka avy amin’ny fianakaviana fahavalonareo, kanefa mpino izy, dia tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty.Fa raha avy amin’ny vahoaka nahavita fifanarahana taminareo dia tsy maintsy manome honitra ny fianakavian’ny maty ireo fianakavin’ny nahafaty. Ary tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty. Fa raha sendra tsy mahita andevo ho votsorana na tsy manana fahafahana hanao izany izy, dia tsy maintsy manao fifadian-kanina roa volana mifanesy. Izany dia mba ho fibebahana amin'I Allah. Fa tena Mahalala ny ny zavatra rehetra sady be fahendrena I Allah.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Aya: (92) Sura: Al'nisaa
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Fassara ta wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwwad tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Ƙungiyar Hidimar Abun ciki na Musulunci a harsuna.

Rufewa