Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'ma'ida   Aya:
وَمِنَ ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّا نَصَٰرَىٰٓ أَخَذۡنَا مِيثَٰقَهُمۡ فَنَسُواْ حَظّٗا مِّمَّا ذُكِّرُواْ بِهِۦ فَأَغۡرَيۡنَا بَيۡنَهُمُ ٱلۡعَدَاوَةَ وَٱلۡبَغۡضَآءَ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ وَسَوۡفَ يُنَبِّئُهُمُ ٱللَّهُ بِمَا كَانُواْ يَصۡنَعُونَ
Ary ireo izay miteny hoe: “Marina tokoa fa izahay dia Kristianina,”nekenay ny fanekena nataon’izy ireo. Kanefa nanadino ny ampahany amin’izay nampatsiahivana azy izy ireo. Ary napoitranay teo amin’izy ireo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana. Ary I Allah dia hanambara azy ireo izay rehetra nataony.
Tafsiran larabci:
يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ قَدۡ جَآءَكُمۡ رَسُولُنَا يُبَيِّنُ لَكُمۡ كَثِيرٗا مِّمَّا كُنتُمۡ تُخۡفُونَ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَيَعۡفُواْ عَن كَثِيرٖۚ قَدۡ جَآءَكُم مِّنَ ٱللَّهِ نُورٞ وَكِتَٰبٞ مُّبِينٞ
O ianareo ry olon’ny boky! Efa tonga taminareo ny Irakay, nanazava taminareo ny maro tamin’izay nafeninareo, tamin’ny boky, ary koa nandefitra zavatra maro. Efa tonga aminareo ny hazavana avy tamin'I Allah sy ny boky mazava.
Tafsiran larabci:
يَهۡدِي بِهِ ٱللَّهُ مَنِ ٱتَّبَعَ رِضۡوَٰنَهُۥ سُبُلَ ٱلسَّلَٰمِ وَيُخۡرِجُهُم مِّنَ ٱلظُّلُمَٰتِ إِلَى ٱلنُّورِ بِإِذۡنِهِۦ وَيَهۡدِيهِمۡ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Allah dia mitari-dalana, avy amin’ny alalan’izany (boky masina korany), izay manaraka ny sitrapony, mankany amin’ireo lalan’ny fiadanana, ary mamoaka azy ireo avy amin’ny haizina mankany amin’ny fahazavana noho ny fahasoavany. Ary mitari-dalana azy ireo mankany amin’ny lalana mahitsy.
Tafsiran larabci:
لَّقَدۡ كَفَرَ ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡمَسِيحُ ٱبۡنُ مَرۡيَمَۚ قُلۡ فَمَن يَمۡلِكُ مِنَ ٱللَّهِ شَيۡـًٔا إِنۡ أَرَادَ أَن يُهۡلِكَ ٱلۡمَسِيحَ ٱبۡنَ مَرۡيَمَ وَأُمَّهُۥ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗاۗ وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَاۚ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Ary tena tsy nino tokoa ireo izay niteny hoe: “Marina fa I Allah, izy no ilay Mesia (Jesoa) zanak’i Maria. Teneno hoe: “Ka iza no afaka hanakana an’I Allah, na dia kely aza, raha te-handrendrika an’i Mesia zanak’i Maria sy ny reniny, ary izay rehetra eto ambonin’ny tany Izy?. Ary an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany sy amin’izay rehetra anelanelan’izy roa”. Manamboatra izay sitrany Izy. Ary I Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'ma'ida
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Fassara ta wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwwad tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Ƙungiyar Hidimar Abun ciki na Musulunci a harsuna.

Rufewa