Check out the new design

Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi * - Mealler fihristi


Anlam tercümesi Sure: Sûratu Hûd   Ayet:
قَالَ يَٰقَوۡمِ أَرَءَيۡتُمۡ إِن كُنتُ عَلَىٰ بَيِّنَةٖ مِّن رَّبِّي وَءَاتَىٰنِي مِنۡهُ رَحۡمَةٗ فَمَن يَنصُرُنِي مِنَ ٱللَّهِ إِنۡ عَصَيۡتُهُۥۖ فَمَا تَزِيدُونَنِي غَيۡرَ تَخۡسِيرٖ
Nilaza Izy ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! ahoana ny hevitrareo raha miankina tanteraka amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko Aho, ary raha misy famindram-po azoko avy Aminy, iza àry no hiaro Ahy eo anatrehan’i Allah raha tsy mankato Azy Aho ? Tsy manao afa-tsy ny mampitombo ny faty antoko Ianareo.
Arapça tefsirler:
وَيَٰقَوۡمِ هَٰذِهِۦ نَاقَةُ ٱللَّهِ لَكُمۡ ءَايَةٗۖ فَذَرُوهَا تَأۡكُلۡ فِيٓ أَرۡضِ ٱللَّهِۖ وَلَا تَمَسُّوهَا بِسُوٓءٖ فَيَأۡخُذَكُمۡ عَذَابٞ قَرِيبٞ
Oh ry vahoakako ! ity Rameva vavin’i Allah ity dia nalefany Aminareo ho famantarana. Avelao àry izy hisakafo eo amin’ny tanin’i Allah, ary aza manao ratsy azy Ianareo, raha tsy izany, dia hihatra Aminareo tsy ho ela ny sazy ! ”
Arapça tefsirler:
فَعَقَرُوهَا فَقَالَ تَمَتَّعُواْ فِي دَارِكُمۡ ثَلَٰثَةَ أَيَّامٖۖ ذَٰلِكَ وَعۡدٌ غَيۡرُ مَكۡذُوبٖ
Novonoin’izy ireo anefa Izy (ilay Rameva vavy) ka hoy Izy ( i Soalihy) tamin’ny izy ireo : " Mifalia (amin’ny fanananareo) ao amin’ny fonenanareo mandritry ny telo Andro Ianareo ! indro ny fampanantenana tsy misy handaingana ”.
Arapça tefsirler:
فَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا نَجَّيۡنَا صَٰلِحٗا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ بِرَحۡمَةٖ مِّنَّا وَمِنۡ خِزۡيِ يَوۡمِئِذٍۚ إِنَّ رَبَّكَ هُوَ ٱلۡقَوِيُّ ٱلۡعَزِيزُ
Rehefa tonga àry ny didinay (sazy) navotanay i Soalihy sy ireo izay nino niaraka taminy tamin’ny alalan’ny famindram-po avy Aminay, nohon'ny fahafaham-baraka tamin’io andro io.Tena marina fa ny Tomponao no ilay Matanjaka ilay Tsitoha.
Arapça tefsirler:
وَأَخَذَ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلصَّيۡحَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دِيَٰرِهِمۡ جَٰثِمِينَ
Ary nianjady tamin’ireo mpanao ny tsy rariny ny kiakiaka, ka indro izy ireo maty nitsitra tao amin’ny toeram-ponenany avy (nohon'ny varatra).
Arapça tefsirler:
كَأَن لَّمۡ يَغۡنَوۡاْ فِيهَآۗ أَلَآ إِنَّ ثَمُودَاْ كَفَرُواْ رَبَّهُمۡۗ أَلَا بُعۡدٗا لِّثَمُودَ
Tahaka ny tsy niaina tao (eto an-tany) izy ireo. Tsy marina ve fa ireo Samody dia tsy mba nino mihitsy ny Tompon’izy ireo ? " Tsy azo lazaina ve fa ho ringana anie ny foko Samody ? ”
Arapça tefsirler:
وَلَقَدۡ جَآءَتۡ رُسُلُنَآ إِبۡرَٰهِيمَ بِٱلۡبُشۡرَىٰ قَالُواْ سَلَٰمٗاۖ قَالَ سَلَٰمٞۖ فَمَا لَبِثَ أَن جَآءَ بِعِجۡلٍ حَنِيذٖ
Ary efa tonga tamin’i Abrahama (Ibrahim) tokoa ireo Irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, izay nilaza ka nanao hoe : " Fiadanana enga anie ho Anao ! ” Namaly koa Izy ka nanao hoe : " Fiadanana koa enga anie ho Anareo ! ” Tsy niandry ela Izy dia nitondra zanak’omby voatono.
Arapça tefsirler:
فَلَمَّا رَءَآ أَيۡدِيَهُمۡ لَا تَصِلُ إِلَيۡهِ نَكِرَهُمۡ وَأَوۡجَسَ مِنۡهُمۡ خِيفَةٗۚ قَالُواْ لَا تَخَفۡ إِنَّآ أُرۡسِلۡنَآ إِلَىٰ قَوۡمِ لُوطٖ
Ary nony hitany fa tsy nikasika izany izy ireo, dia velona ahiahy Izy teo anatrehan’izy ireo sady natahotra. Ka niteny izy ireo nanao hoe : " Aza matahotra Ianao fa Izahay (Anjely) dia Iraka ho any amin’ny vahoakan‘i Lota ".
Arapça tefsirler:
وَٱمۡرَأَتُهُۥ قَآئِمَةٞ فَضَحِكَتۡ فَبَشَّرۡنَٰهَا بِإِسۡحَٰقَ وَمِن وَرَآءِ إِسۡحَٰقَ يَعۡقُوبَ
Nitsangana ny vadiny (vadin’i Abrahama) ary nihomehy, koa nilaza vaovao mahafaly taminy Izahay fa hanan-janaka (lahy) Isaka Izy, ary aorian’i Isaka dia i Jakoba.
Arapça tefsirler:
 
Anlam tercümesi Sure: Sûratu Hûd
Surelerin fihristi Sayfa numarası
 
Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi - Mealler fihristi

Rowad Tercüme Merkezi Ekibi tarafından Rabvede'ki Tebliğ, İrşat ve Toplum Bilinçlendirme Derneği ve Dünya dillerinde İslami içerik ve hizmet cemiyeti işbirliğiyle tercüme edilmiştir.

Kapat