Check out the new design

Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi * - Mealler fihristi


Anlam tercümesi Sure: Sûratu'ş-Şuarâ'   Ayet:
إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا خُلُقُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Tsy inona izany fa fomba fiainan’ireo teo aloha ihany.
Arapça tefsirler:
وَمَا نَحۡنُ بِمُعَذَّبِينَ
Ary tsy ho faizina velively izahay.
Arapça tefsirler:
فَكَذَّبُوهُ فَأَهۡلَكۡنَٰهُمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Ka nilaza azy ho mpandainga izy ireo. Ary naringanay izy ireo.Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana tokoa ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
Arapça tefsirler:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
Arapça tefsirler:
كَذَّبَتۡ ثَمُودُ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Nilaza ireo iraka ho mpandainga, ireo Thamody.
Arapça tefsirler:
إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ صَٰلِحٌ أَلَا تَتَّقُونَ
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Soalihy hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
Arapça tefsirler:
إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
Arapça tefsirler:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Arapça tefsirler:
وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao.
Arapça tefsirler:
أَتُتۡرَكُونَ فِي مَا هَٰهُنَآ ءَامِنِينَ
Moa ve avela am-pilaminana amin’izao toe-javatra misy anareo izao ianareo ?
Arapça tefsirler:
فِي جَنَّٰتٖ وَعُيُونٖ
Ao amin’ireo zaridaina sy loharano.
Arapça tefsirler:
وَزُرُوعٖ وَنَخۡلٖ طَلۡعُهَا هَضِيمٞ
Ary ireo voly sy ireo hazo palma izay mora levonina ny voankazony”.
Arapça tefsirler:
وَتَنۡحِتُونَ مِنَ ٱلۡجِبَالِ بُيُوتٗا فَٰرِهِينَ
Ary lavahanareo amin-pahakingana ireo tendrombohitra ho trano.
Arapça tefsirler:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Arapça tefsirler:
وَلَا تُطِيعُوٓاْ أَمۡرَ ٱلۡمُسۡرِفِينَ
Ary aza mankato ny baikon’ireo mpanao ny tafahoatra ianareo.
Arapça tefsirler:
ٱلَّذِينَ يُفۡسِدُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا يُصۡلِحُونَ
Ireo izay manao ny asa fanimbana eto an-tany, dia tsy manao mihitsy ny asa fanamboarana.
Arapça tefsirler:
قَالُوٓاْ إِنَّمَآ أَنتَ مِنَ ٱلۡمُسَحَّرِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy".
Arapça tefsirler:
مَآ أَنتَ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُنَا فَأۡتِ بِـَٔايَةٍ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Tsy iza akory ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany. ka ento aty aminay àry ny fahagagana, raha anisan’ireo mpilaza ny marina ianao.
Arapça tefsirler:
قَالَ هَٰذِهِۦ نَاقَةٞ لَّهَا شِرۡبٞ وَلَكُمۡ شِرۡبُ يَوۡمٖ مَّعۡلُومٖ
Niteny izy hoe : “Indro ny rameva vavy, ho azy ny anjara fisotroana amin’ny andro voatondro, ary ho anareo koa ny anjara fisotroana amin’ny andro hafa voatondro".
Arapça tefsirler:
وَلَا تَمَسُّوهَا بِسُوٓءٖ فَيَأۡخُذَكُمۡ عَذَابُ يَوۡمٍ عَظِيمٖ
Ary aza manao ratsy aminy na dia kely aza ianareo, raha tsy izany dia hiharan’ny famaizana ianareo amin’ny andro lehibe.
Arapça tefsirler:
فَعَقَرُوهَا فَأَصۡبَحُواْ نَٰدِمِينَ
Nefa mbola novonoin’izy ireo ihany izy (ny rameva vavy), noho izany dia nanenina izy ireo !
Arapça tefsirler:
فَأَخَذَهُمُ ٱلۡعَذَابُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Koa niharan’ny famaizana izy ireo. Marina fa misy famantarana ny ao anatin’izany. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
Arapça tefsirler:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
Arapça tefsirler:
 
Anlam tercümesi Sure: Sûratu'ş-Şuarâ'
Surelerin fihristi Sayfa numarası
 
Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi - Mealler fihristi

Rowad Tercüme Merkezi Ekibi tarafından Rabvede'ki Tebliğ, İrşat ve Toplum Bilinçlendirme Derneği ve Dünya dillerinde İslami içerik ve hizmet cemiyeti işbirliğiyle tercüme edilmiştir.

Kapat