Check out the new design

Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi * - Mealler fihristi


Anlam tercümesi Sure: Sûratu's-Sebe   Ayet:
قَالَ ٱلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُواْ لِلَّذِينَ ٱسۡتُضۡعِفُوٓاْ أَنَحۡنُ صَدَدۡنَٰكُمۡ عَنِ ٱلۡهُدَىٰ بَعۡدَ إِذۡ جَآءَكُمۖ بَلۡ كُنتُم مُّجۡرِمِينَ
Dia hiteny amin’ireo izay noheverina ho osa ireo mpirehareha hoe : “ Izahay va no nanakana anareo tamin’ny làlana tsara, rehefa tonga taminareo izany ? Ianareo mihitsy aza no tena mpanao ratsy ”.
Arapça tefsirler:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ ٱسۡتُضۡعِفُواْ لِلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُواْ بَلۡ مَكۡرُ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ إِذۡ تَأۡمُرُونَنَآ أَن نَّكۡفُرَ بِٱللَّهِ وَنَجۡعَلَ لَهُۥٓ أَندَادٗاۚ وَأَسَرُّواْ ٱلنَّدَامَةَ لَمَّا رَأَوُاْ ٱلۡعَذَابَۚ وَجَعَلۡنَا ٱلۡأَغۡلَٰلَ فِيٓ أَعۡنَاقِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۖ هَلۡ يُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary dia hiteny amin’ireo mpirehareha , ireo noheverina ho osa hoe : “ Tetika nataonareo andro aman’alina ny nandidianareo anay tsy hino an’i Allah, sy hanana zavatra ampitoviana Aminy ”. ary dia hanafina ny fanenenany izy ireo, rehefa hahita ny famaizana. hasianay rojo-vy amin’ny tendan’izay tsy nino, moa tsy ho valiana arak’izay nataony va izy ireo ? ”.
Arapça tefsirler:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا فِي قَرۡيَةٖ مِّن نَّذِيرٍ إِلَّا قَالَ مُتۡرَفُوهَآ إِنَّا بِمَآ أُرۡسِلۡتُم بِهِۦ كَٰفِرُونَ
Ary tsy nandefa mpampitandrina tamin’ny tanàna iray Izahay, ka tsy niteny ireo olona tsara fari-piainana hoe : “ Tsy mino ny hafatra izay nandefasana anareo izahay ! ”.
Arapça tefsirler:
وَقَالُواْ نَحۡنُ أَكۡثَرُ أَمۡوَٰلٗا وَأَوۡلَٰدٗا وَمَا نَحۡنُ بِمُعَذَّبِينَ
Ary hoy izy ireo : “ Manankarena sy maro anaka izahay, ka tsy hosaziana ”.
Arapça tefsirler:
قُلۡ إِنَّ رَبِّي يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ وَيَقۡدِرُ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany ny Tompoko, na mametra izany. nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona ”.
Arapça tefsirler:
وَمَآ أَمۡوَٰلُكُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُكُم بِٱلَّتِي تُقَرِّبُكُمۡ عِندَنَا زُلۡفَىٰٓ إِلَّا مَنۡ ءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا فَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ جَزَآءُ ٱلضِّعۡفِ بِمَا عَمِلُواْ وَهُمۡ فِي ٱلۡغُرُفَٰتِ ءَامِنُونَ
Tsy hampanakaiky anareo Aminay mihitsy, ny harenanareo sy ny zanakareo, afa-tsy izay mino sy manao ny tsara. mahazo valisoa avo roa heny amin’izay nataony izy ireo, ary tsy hiaina amim-pilaminana any amin’ny rihana ambony (any amin'ny Paradisa).
Arapça tefsirler:
وَٱلَّذِينَ يَسۡعَوۡنَ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مُعَٰجِزِينَ أُوْلَٰٓئِكَ فِي ٱلۡعَذَابِ مُحۡضَرُونَ
Fa ireo izay miezaka ny tsy hampisy lanjany ny tenanay kosa, dia tsy maintsy hiatrika ny famaizana izy ireny.
Arapça tefsirler:
قُلۡ إِنَّ رَبِّي يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦ وَيَقۡدِرُ لَهُۥۚ وَمَآ أَنفَقۡتُم مِّن شَيۡءٖ فَهُوَ يُخۡلِفُهُۥۖ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony ny Tompoko, na mametra izany. ka honerany izay fanomezana ataonareo. fa Izy no mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana ”.
Arapça tefsirler:
 
Anlam tercümesi Sure: Sûratu's-Sebe
Surelerin fihristi Sayfa numarası
 
Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi - Mealler fihristi

Rowad Tercüme Merkezi Ekibi tarafından Rabvede'ki Tebliğ, İrşat ve Toplum Bilinçlendirme Derneği ve Dünya dillerinde İslami içerik ve hizmet cemiyeti işbirliğiyle tercüme edilmiştir.

Kapat