Check out the new design

Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi * - Mealler fihristi


Anlam tercümesi Sure: Sûratu'n-Nisâ   Ayet:
وَٱسۡتَغۡفِرِ ٱللَّهَۖ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Ary mangataha famelan-keloka amin’I Allah ianao. Tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
Arapça tefsirler:
وَلَا تُجَٰدِلۡ عَنِ ٱلَّذِينَ يَخۡتَانُونَ أَنفُسَهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ مَن كَانَ خَوَّانًا أَثِيمٗا
Ary aza miady hevitra mba hanomezana rariny ireo izay mamadika ny tenan’izy ireo Ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia izay mpamadika sy izay be fahotana.
Arapça tefsirler:
يَسۡتَخۡفُونَ مِنَ ٱلنَّاسِ وَلَا يَسۡتَخۡفُونَ مِنَ ٱللَّهِ وَهُوَ مَعَهُمۡ إِذۡ يُبَيِّتُونَ مَا لَا يَرۡضَىٰ مِنَ ٱلۡقَوۡلِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِمَا يَعۡمَلُونَ مُحِيطًا
Miezaka miafina ny olombelona izy ireo, fa tsy miezaka kosa miafina an’I Allah. Kanefa Izy dia miaraka amin’izy ireo ihany amin’ny alina, rehefa miresaka ny teny tsy mahafaly Azy izy ireo. Ary I Allah dia Mahafehy tsara izay ataon’izy ireo.
Arapça tefsirler:
هَٰٓأَنتُمۡ هَٰٓؤُلَآءِ جَٰدَلۡتُمۡ عَنۡهُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا فَمَن يُجَٰدِلُ ٱللَّهَ عَنۡهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ أَم مَّن يَكُونُ عَلَيۡهِمۡ وَكِيلٗا
Indro ireo olona izay niarovanareo teny ambonin’ny tany. Ka iza no hiady hevitra amin’I Allah, mba hanomezana azy ireo ny rariny amin’ny andro fitsanganana ? Na, iza no ho mpiantoka azy ireo ?
Arapça tefsirler:
وَمَن يَعۡمَلۡ سُوٓءًا أَوۡ يَظۡلِمۡ نَفۡسَهُۥ ثُمَّ يَسۡتَغۡفِرِ ٱللَّهَ يَجِدِ ٱللَّهَ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Ary n'iza n'iza manao ny asa ratsy, na manao ny tsy rariny amin’ny tenany, avy eo mibebaka amin'I Allah ,dia hahita fa Mpamela heloka sy be indrafo Allah.
Arapça tefsirler:
وَمَن يَكۡسِبۡ إِثۡمٗا فَإِنَّمَا يَكۡسِبُهُۥ عَلَىٰ نَفۡسِهِۦۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمٗا
Ary n'iza n'iza manao fahotana, dia tsy manao izany afa-tsy ho an’ny tenany ihany. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena
Arapça tefsirler:
وَمَن يَكۡسِبۡ خَطِيٓـَٔةً أَوۡ إِثۡمٗا ثُمَّ يَرۡمِ بِهِۦ بَرِيٓـٔٗا فَقَدِ ٱحۡتَمَلَ بُهۡتَٰنٗا وَإِثۡمٗا مُّبِينٗا
Ary n'iza n'iza manao fahadisoana na koa fahotana, avy eo anefa dia miampanga ny olona tsy manan-tsiny amin’izany, dia tena efa mizaka lainga sy fahotana mibaribary.
Arapça tefsirler:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكَ وَرَحۡمَتُهُۥ لَهَمَّت طَّآئِفَةٞ مِّنۡهُمۡ أَن يُضِلُّوكَ وَمَا يُضِلُّونَ إِلَّآ أَنفُسَهُمۡۖ وَمَا يَضُرُّونَكَ مِن شَيۡءٖۚ وَأَنزَلَ ٱللَّهُ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَعَلَّمَكَ مَا لَمۡ تَكُن تَعۡلَمُۚ وَكَانَ فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكَ عَظِيمٗا
Raha tsy ny fahasoavan’I Allah taminao sy ny famindram-pony, dia efa vitan'ny andiany tamin'izy ireny no namery lalana anao. Nefa izy ireo dia tsy hahavery afa-tsy ny tenany ihany. Ary tsy afaka hanao ratsy anao na dia kely aza izy ireo. Ary nampidina ny Boky sy ny fahendrena taminao I Allah, ary nampianatra anao koa izay tsy fantatrao tany aloha. Ary ny fahasoavan’I Allah aminao dia tena lehibe tokoa.
Arapça tefsirler:
 
Anlam tercümesi Sure: Sûratu'n-Nisâ
Surelerin fihristi Sayfa numarası
 
Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi - Mealler fihristi

Rowad Tercüme Merkezi Ekibi tarafından Rabvede'ki Tebliğ, İrşat ve Toplum Bilinçlendirme Derneği ve Dünya dillerinde İslami içerik ve hizmet cemiyeti işbirliğiyle tercüme edilmiştir.

Kapat