Check out the new design

Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi * - Mealler fihristi


Anlam tercümesi Sure: Sûratu't-Tevbe   Ayet:
وَٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ مَسۡجِدٗا ضِرَارٗا وَكُفۡرٗا وَتَفۡرِيقَۢا بَيۡنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَإِرۡصَادٗا لِّمَنۡ حَارَبَ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ مِن قَبۡلُۚ وَلَيَحۡلِفُنَّ إِنۡ أَرَدۡنَآ إِلَّا ٱلۡحُسۡنَىٰۖ وَٱللَّهُ يَشۡهَدُ إِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
Ireo izay nanangana trano fiankohofana (masjid) hatao toeram-pifandrafiana sy fikomiana, ary fampisarahambazana ireo mpino, ka nanomana izany ho an’ireo niady tamin’Allah sy ny Irany teo aloha, izay mianiana manao hoe : “Tsy maniry afa-tsy ny tsara izahay!”, ary hamafisin’Allah fa mandainga izy ireo.
Arapça tefsirler:
لَا تَقُمۡ فِيهِ أَبَدٗاۚ لَّمَسۡجِدٌ أُسِّسَ عَلَى ٱلتَّقۡوَىٰ مِنۡ أَوَّلِ يَوۡمٍ أَحَقُّ أَن تَقُومَ فِيهِۚ فِيهِ رِجَالٞ يُحِبُّونَ أَن يَتَطَهَّرُواْۚ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلۡمُطَّهِّرِينَ
Aza mitsangana mihitsy Ianao (manao soalat) ao amin’izany (toerana izany) fa ny masjid naorina tamin’ny fatahorana Allah hatramin’ny Andro voalohany no mendrika kokoa hitsangananao (hanaovana soalat) ao Aminy. Misy Olona mitady hanadio ny tenany (fanahiny) ao, ary Allah dia tia Olona madio.
Arapça tefsirler:
أَفَمَنۡ أَسَّسَ بُنۡيَٰنَهُۥ عَلَىٰ تَقۡوَىٰ مِنَ ٱللَّهِ وَرِضۡوَٰنٍ خَيۡرٌ أَم مَّنۡ أَسَّسَ بُنۡيَٰنَهُۥ عَلَىٰ شَفَا جُرُفٍ هَارٖ فَٱنۡهَارَ بِهِۦ فِي نَارِ جَهَنَّمَۗ وَٱللَّهُ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Moa ve izay nanorina ny tranony (masjid) amim-patahorana sy amim-pankasitrahana no tsara sa izay nanorina ny trano (masjid) eo amoron-tevana ka nokahoin-driaka ka dia nirodana niaraka taminy nivarina ao anaty Afobe jahannam Izy. i Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
Arapça tefsirler:
لَا يَزَالُ بُنۡيَٰنُهُمُ ٱلَّذِي بَنَوۡاْ رِيبَةٗ فِي قُلُوبِهِمۡ إِلَّآ أَن تَقَطَّعَ قُلُوبُهُمۡۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ
Ny trano izay naorin’izy ireo dia loharanon’ny fisalasalana mandrakariva ao am-pon’izy ireo, mandra-paharovitry ny fon’izy ireo. Ary i Allah dia be Fahalalana sy be Fahendrena.
Arapça tefsirler:
۞ إِنَّ ٱللَّهَ ٱشۡتَرَىٰ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ أَنفُسَهُمۡ وَأَمۡوَٰلَهُم بِأَنَّ لَهُمُ ٱلۡجَنَّةَۚ يُقَٰتِلُونَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ فَيَقۡتُلُونَ وَيُقۡتَلُونَۖ وَعۡدًا عَلَيۡهِ حَقّٗا فِي ٱلتَّوۡرَىٰةِ وَٱلۡإِنجِيلِ وَٱلۡقُرۡءَانِۚ وَمَنۡ أَوۡفَىٰ بِعَهۡدِهِۦ مِنَ ٱللَّهِۚ فَٱسۡتَبۡشِرُواْ بِبَيۡعِكُمُ ٱلَّذِي بَايَعۡتُم بِهِۦۚ وَذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Marina fa i Allah dia nividy tamin’ireo mpino ny tenan’izy ireo sy ny fananany ho takalon’ny paradisa. Miady amin’ny làlan’i Allah izy ireo, ka namono nahafaty izy ireo ary nisy maty novonoina ihany koa. Izany no fampanantenana marina avy Aminy ao amin’ny Thora sy ny Evanjely ary ny Koroany. Fifanekena nataony tamin’i Allah. Iza moa no mendrika kokoa noho i Allah eo amin’ny fanatanterahana ny fifanekeny ? Mifalia àry Ianareo nohon'ny fifanakalozana nifanaovanareo Taminy. Izany no fahombiazana miezinezina lehibe indrindra.
Arapça tefsirler:
 
Anlam tercümesi Sure: Sûratu't-Tevbe
Surelerin fihristi Sayfa numarası
 
Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi - Mealler fihristi

Rowad Tercüme Merkezi Ekibi tarafından Rabvede'ki Tebliğ, İrşat ve Toplum Bilinçlendirme Derneği ve Dünya dillerinde İslami içerik ve hizmet cemiyeti işbirliğiyle tercüme edilmiştir.

Kapat