Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۈسۈپ   ئايەت:
۞ وَمَآ أُبَرِّئُ نَفۡسِيٓۚ إِنَّ ٱلنَّفۡسَ لَأَمَّارَةُۢ بِٱلسُّوٓءِ إِلَّا مَا رَحِمَ رَبِّيٓۚ إِنَّ رَبِّي غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Tsy manadio ny tenako Aho ; fa ny fanahy dia tena mandrisika amin’ny fanaovan-dratsy tokoa, raha tsy nohon'ny indrafon’ny Tompoko (miaro Ahy amin’ny fahotana). Marina fa ny Tompoko dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالَ ٱلۡمَلِكُ ٱئۡتُونِي بِهِۦٓ أَسۡتَخۡلِصۡهُ لِنَفۡسِيۖ فَلَمَّا كَلَّمَهُۥ قَالَ إِنَّكَ ٱلۡيَوۡمَ لَدَيۡنَا مَكِينٌ أَمِينٞ
Ary niteny ilay Mpanjaka ka nanao hoe : “ Ento aty Amiko Izy, atokako ho Ahy samy irery Izy ”. Ary rehefa niteny taminy Izy, dia nanao hoe : “ Tena marina fa Ianao manomboka androany dia akaiky Anay, hanana fahefana feno sy fitokisana ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ ٱجۡعَلۡنِي عَلَىٰ خَزَآئِنِ ٱلۡأَرۡضِۖ إِنِّي حَفِيظٌ عَلِيمٞ
Dia hoy izy (Josefa): “Ankino amiko ny fametrahana ireo entana eto an-tanàna, fa mpiambina tsara, sy mpahalala aho”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَكَذَٰلِكَ مَكَّنَّا لِيُوسُفَ فِي ٱلۡأَرۡضِ يَتَبَوَّأُ مِنۡهَا حَيۡثُ يَشَآءُۚ نُصِيبُ بِرَحۡمَتِنَا مَن نَّشَآءُۖ وَلَا نُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Tahaka izany no nanamafisanay (fahefana) an’i Yosofa (Josefa) amin’io faritra io ary nipetraka tao Izy araka izay tiany. Omenay ny Famindran-ponay izay sitrakay ary tsy ho avelanay ho very ny valin’asan’ireo Mpanao soa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَأَجۡرُ ٱلۡأٓخِرَةِ خَيۡرٞ لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَكَانُواْ يَتَّقُونَ
Ary ny valisoa any an-koatra no mendrika indrindra ho an’ireo izay nino sy nanam-patahorana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَجَآءَ إِخۡوَةُ يُوسُفَ فَدَخَلُواْ عَلَيۡهِ فَعَرَفَهُمۡ وَهُمۡ لَهُۥ مُنكِرُونَ
Ary tonga ireo Rahalahin’i Yosofa (Josefa) ka niditra tao Aminy. Nahafantatra azy ireo Izy, fa izy ireo kosa dia tsy nahafantatra Azy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَمَّا جَهَّزَهُم بِجَهَازِهِمۡ قَالَ ٱئۡتُونِي بِأَخٖ لَّكُم مِّنۡ أَبِيكُمۡۚ أَلَا تَرَوۡنَ أَنِّيٓ أُوفِي ٱلۡكَيۡلَ وَأَنَا۠ خَيۡرُ ٱلۡمُنزِلِينَ
Ary rehefa nanome tahirin-tsakafo voahomana ho Azy ireo Izy, dia niteny hoe : ” Ento aty Amiko ny Rahalahinareo anankiray avy amin’ny Rainareo. Moa ve tsy hitanareo fa Izaho no nanome Anareo fatra feno tsara, ary Izaho no mendrika indrindra amin’ireo mpampian-trano ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَإِن لَّمۡ تَأۡتُونِي بِهِۦ فَلَا كَيۡلَ لَكُمۡ عِندِي وَلَا تَقۡرَبُونِ
Raha tsy entinareo mankaty Amiko Izy, dia tsy hisy tahirin-tsakafonareo intsony aty Amiko. Ary aza manatona Ahy mihitsy ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالُواْ سَنُرَٰوِدُ عَنۡهُ أَبَاهُ وَإِنَّا لَفَٰعِلُونَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Hiezaka Izahay handresy lahatra ny Rainay, ary tena hataonay tokoa izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالَ لِفِتۡيَٰنِهِ ٱجۡعَلُواْ بِضَٰعَتَهُمۡ فِي رِحَالِهِمۡ لَعَلَّهُمۡ يَعۡرِفُونَهَآ إِذَا ٱنقَلَبُوٓاْ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِمۡ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Ary niteny izy tamin’ireo mpanompony : “ Averinareo any amin’ny kitapon’izy ireo ny entany, angamba ho fantatr’izy ireo izany rehefa tafaverina any amin’ny fianakaviany izy ireo, angamba hiverina indray izy ireo ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَمَّا رَجَعُوٓاْ إِلَىٰٓ أَبِيهِمۡ قَالُواْ يَٰٓأَبَانَا مُنِعَ مِنَّا ٱلۡكَيۡلُ فَأَرۡسِلۡ مَعَنَآ أَخَانَا نَكۡتَلۡ وَإِنَّا لَهُۥ لَحَٰفِظُونَ
Ary nony tafaverina tany amin’ny Rainy izy ireo, dia niteny ka nanao hoe : ” O ry Dadanay o ! Tsy hahazo tahirin-tsakafo intsony Izahay (amin’ny manaraka) koa alefaso miaraka Aminay ny Rahalahinay mba hahazoanay vatsy, ary Izahay dia tena hiaro Azy tsara.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۈسۈپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش