Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: پۇرقان   ئايەت:
وَٱلَّذِينَ لَا يَدۡعُونَ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ وَلَا يَقۡتُلُونَ ٱلنَّفۡسَ ٱلَّتِي حَرَّمَ ٱللَّهُ إِلَّا بِٱلۡحَقِّ وَلَا يَزۡنُونَۚ وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ يَلۡقَ أَثَامٗا
Ary ireo izay tsy miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah, sy tsy mamono aina izay voararan’I Allah raha tsy amin’ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga ; koa na iza na iza manao izany dia ahazo sazy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
يُضَٰعَفۡ لَهُ ٱلۡعَذَابُ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَيَخۡلُدۡ فِيهِۦ مُهَانًا
Ampitomboina roa avo heny ny famaizana ho azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary hitoetra ao mandrakizay amim-pahambaniana izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِلَّا مَن تَابَ وَءَامَنَ وَعَمِلَ عَمَلٗا صَٰلِحٗا فَأُوْلَٰٓئِكَ يُبَدِّلُ ٱللَّهُ سَيِّـَٔاتِهِمۡ حَسَنَٰتٖۗ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Afa-tsy izay mibebaka sy mino ary manao asa soa ; izy ireny dia hovan’I Allah ho asa tsara ny asa ratsiny, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَن تَابَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا فَإِنَّهُۥ يَتُوبُ إِلَى ٱللَّهِ مَتَابٗا
Ary na iza na iza mibebaka sy manao asa soa,dia miverina amin'I Allah amin'ny fibebahana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلَّذِينَ لَا يَشۡهَدُونَ ٱلزُّورَ وَإِذَا مَرُّواْ بِٱللَّغۡوِ مَرُّواْ كِرَامٗا
Ary ireo izay tsy manao vavolombelona amin’ny lainga, ary rehefa mandalo eo anilan’ny zava-poana izy ireo dia mandalo amim-pahamendrehana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلَّذِينَ إِذَا ذُكِّرُواْ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ لَمۡ يَخِرُّواْ عَلَيۡهَا صُمّٗا وَعُمۡيَانٗا
Ary ireo izay efa ampahatsiahivina ireo fanambaran’i Tompony dia tsy mba mody marenina sy jamba amin’izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا هَبۡ لَنَا مِنۡ أَزۡوَٰجِنَا وَذُرِّيَّٰتِنَا قُرَّةَ أَعۡيُنٖ وَٱجۡعَلۡنَا لِلۡمُتَّقِينَ إِمَامًا
Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Omeo anay avy amin’ireo vadinay sy ireo taranakay ny fahafinaretan’ny maso, ary ataovy mpitarika ho an’ireo manam-patahorana izahay.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أُوْلَٰٓئِكَ يُجۡزَوۡنَ ٱلۡغُرۡفَةَ بِمَا صَبَرُواْ وَيُلَقَّوۡنَ فِيهَا تَحِيَّةٗ وَسَلَٰمًا
Izy ireny dia omena ny toerana avo ho valisoa, noho izy ireo naharitra, ary ho raisina ao amin’ny fiarahabana omba-piadanana izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ حَسُنَتۡ مُسۡتَقَرّٗا وَمُقَامٗا
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsara tokoa ho trano fonenana sy toerana hipetrahana izany !
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قُلۡ مَا يَعۡبَؤُاْ بِكُمۡ رَبِّي لَوۡلَا دُعَآؤُكُمۡۖ فَقَدۡ كَذَّبۡتُمۡ فَسَوۡفَ يَكُونُ لِزَامَۢا
Teneno hoe : “Tsy miraharaha anareo ny Tompoko raha tsy nohon'ny fitalahoanareo, satria efa nilaza azy ho mpandainga ianareo, dia tsy maintsy hihatra aminareo tsy an-kijanona (ny famaizana)”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: پۇرقان
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش