Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: شۇئەرا   ئايەت:
وَٱتَّقُواْ ٱلَّذِي خَلَقَكُمۡ وَٱلۡجِبِلَّةَ ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary matahora Ilay Nahary anareo sy ireo taranaka teo aloha ianareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالُوٓاْ إِنَّمَآ أَنتَ مِنَ ٱلۡمُسَحَّرِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy".
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَآ أَنتَ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُنَا وَإِن نَّظُنُّكَ لَمِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Tsy iza ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany ; ary izahay dia mihevitra tokoa fa tena anisan’ireo mpandainga ianao.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَأَسۡقِطۡ عَلَيۡنَا كِسَفٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Noho izany dia andatsaho ny tapaky ny lanitra izahay raha toa ka milaza ny marina ianao !”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ رَبِّيٓ أَعۡلَمُ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Niteny izy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay ataonareo”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَهُمۡ عَذَابُ يَوۡمِ ٱلظُّلَّةِۚ إِنَّهُۥ كَانَ عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٍ
Nefa nolazain’izy ireo fa mpandainga izy. Ka niharan’ny famaizan’ny andron’ny aloka izy ireo. Ary izany dia tena famaizan’ny andro lehibe.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِنَّهُۥ لَتَنزِيلُ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Izy io (ny Kor’any) dia ny Tompon’izao tontolo izao no nampidina azy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
نَزَلَ بِهِ ٱلرُّوحُ ٱلۡأَمِينُ
Ary nidina niaraka taminy ilay Fanahy mendri-pitokisana (Anjely Gabriely).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
عَلَىٰ قَلۡبِكَ لِتَكُونَ مِنَ ٱلۡمُنذِرِينَ
(Hametraka azy) Ao amin’ny fonao, mba ho anisan’ireo mpampitandrina ianao.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
بِلِسَانٍ عَرَبِيّٖ مُّبِينٖ
Amin’ny fiteny arabo mazava tsara.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِنَّهُۥ لَفِي زُبُرِ ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary izy io dia efa voarakitra mazava tsara ao anatin’ny soratra masin’ireo teo aloha.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَوَلَمۡ يَكُن لَّهُمۡ ءَايَةً أَن يَعۡلَمَهُۥ عُلَمَٰٓؤُاْ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ
Moa ve tsy famantarana ho azy ireo izany, fa ireo manam-pahaizan’ny zanak’Israely dia mahafantatra tsara izany ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَوۡ نَزَّلۡنَٰهُ عَلَىٰ بَعۡضِ ٱلۡأَعۡجَمِينَ
Ary raha nampidina an’izany tamin’ny olon-kafa tsy arabo Izahay.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَقَرَأَهُۥ عَلَيۡهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ مُؤۡمِنِينَ
Ary novakiany tamin’izy ireo izany, dia tsy nino izany ihany izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
كَذَٰلِكَ سَلَكۡنَٰهُ فِي قُلُوبِ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Tahaka izany no nampidiranay azy (ny ahiahy) tao amin’ny fon’ireo mpanao heloka bevava.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
لَا يُؤۡمِنُونَ بِهِۦ حَتَّىٰ يَرَوُاْ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ
Ka tsy hino izany (Kor’any izany) izy ireo alohan’ny ahitan’izy ireo ny famaizana mamirifiry.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَيَأۡتِيَهُم بَغۡتَةٗ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Izay ho tonga tampoka amin’izy ireo, ary tsy ahatsapa izany mihitsy izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَيَقُولُواْ هَلۡ نَحۡنُ مُنظَرُونَ
Dia hiteny izy ireo hoe : “Moa ve ahazo fe-potoana izahay ?”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَفَبِعَذَابِنَا يَسۡتَعۡجِلُونَ
Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَفَرَءَيۡتَ إِن مَّتَّعۡنَٰهُمۡ سِنِينَ
Hitanao ve raha omenay fahafinaretana izy ireo mandritra ny taona maro.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ثُمَّ جَآءَهُم مَّا كَانُواْ يُوعَدُونَ
Avy eo dia ho tonga amin’izy ireo izay nampitahorana azy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: شۇئەرا
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش