Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نىسا   ئايەت:

An-nisaa

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمُ ٱلَّذِي خَلَقَكُم مِّن نَّفۡسٖ وَٰحِدَةٖ وَخَلَقَ مِنۡهَا زَوۡجَهَا وَبَثَّ مِنۡهُمَا رِجَالٗا كَثِيرٗا وَنِسَآءٗۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ ٱلَّذِي تَسَآءَلُونَ بِهِۦ وَٱلۡأَرۡحَامَۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلَيۡكُمۡ رَقِيبٗا
Ô ry Olombelona ! Matahora an’ny Tomponareo, izay nahary Anareo avy tamin’ny vatana iray, sy nahary avy aminy ny vadiny [60], ary nampiely avy tamin’izy roa, lehilahy maro sy vehivavy. Ary matahora an’i Allah izay amin’ny anarany no hifangatahanareo; ary matahora amin’ny fanapahana ny rohim-pihavanana Ianareo. Tena marina fa i Allah dia manara-maso Anareo tokoa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَءَاتُواْ ٱلۡيَتَٰمَىٰٓ أَمۡوَٰلَهُمۡۖ وَلَا تَتَبَدَّلُواْ ٱلۡخَبِيثَ بِٱلطَّيِّبِۖ وَلَا تَأۡكُلُوٓاْ أَمۡوَٰلَهُمۡ إِلَىٰٓ أَمۡوَٰلِكُمۡۚ إِنَّهُۥ كَانَ حُوبٗا كَبِيرٗا
Ary omeo ireo kamboty ny fananan’izy ireo, ary aza ampifanakalozinareo ny ratsy ny tsara, ary aza mihinana ny fananan’izy ireo Ianareo miaraka amin’ny fanananareo. Fa fahotana lehibe tokoa izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِنۡ خِفۡتُمۡ أَلَّا تُقۡسِطُواْ فِي ٱلۡيَتَٰمَىٰ فَٱنكِحُواْ مَا طَابَ لَكُم مِّنَ ٱلنِّسَآءِ مَثۡنَىٰ وَثُلَٰثَ وَرُبَٰعَۖ فَإِنۡ خِفۡتُمۡ أَلَّا تَعۡدِلُواْ فَوَٰحِدَةً أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡۚ ذَٰلِكَ أَدۡنَىٰٓ أَلَّا تَعُولُواْ
Ary raha matahotra ianareo fa tsy havita hanao ny rariny amin’ireo kamboty, dia manambadia izay mahafinaritra Anareo amin’ireo vehivavy Ianareo, roa na telo na efatra. Ka raha matahotra Ianareo, fa tsy ahavita hampifandanja azy ireo, dia iray ihany, na ireo andevo vavy eo am-pelatànanareo. Izany dia mba tsy hanaovanareo ny tsy ara-drariny, (na mba tsy hampavesatra Anareo eo amin’ny andraiki-pianakaviana).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَءَاتُواْ ٱلنِّسَآءَ صَدُقَٰتِهِنَّ نِحۡلَةٗۚ فَإِن طِبۡنَ لَكُمۡ عَن شَيۡءٖ مِّنۡهُ نَفۡسٗا فَكُلُوهُ هَنِيٓـٔٗا مَّرِيٓـٔٗا
Ary omeo ny vehivavy am-pitiavana ny Mahr [61] ho azy ireo Fa raha mahafoy an-tsitrapò ny ampahany amin’izany ho Anareo izy ireo, dia aoka Ianareo hihinana izany amim-piadanana sy amin’ny Fo madio.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَا تُؤۡتُواْ ٱلسُّفَهَآءَ أَمۡوَٰلَكُمُ ٱلَّتِي جَعَلَ ٱللَّهُ لَكُمۡ قِيَٰمٗا وَٱرۡزُقُوهُمۡ فِيهَا وَٱكۡسُوهُمۡ وَقُولُواْ لَهُمۡ قَوۡلٗا مَّعۡرُوفٗا
Ary aza omena ireo tsy ampy saina [62] ireo fanananareo, izay nataon’i Allah mba ho fivelomanareo. Ary omeo ampahany amin’izany ho anjara sakafon'izy ireo, sy ampitafianareo, ary mitenena amin’izy ireo amim-pahamendrehana Ianareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱبۡتَلُواْ ٱلۡيَتَٰمَىٰ حَتَّىٰٓ إِذَا بَلَغُواْ ٱلنِّكَاحَ فَإِنۡ ءَانَسۡتُم مِّنۡهُمۡ رُشۡدٗا فَٱدۡفَعُوٓاْ إِلَيۡهِمۡ أَمۡوَٰلَهُمۡۖ وَلَا تَأۡكُلُوهَآ إِسۡرَافٗا وَبِدَارًا أَن يَكۡبَرُواْۚ وَمَن كَانَ غَنِيّٗا فَلۡيَسۡتَعۡفِفۡۖ وَمَن كَانَ فَقِيرٗا فَلۡيَأۡكُلۡ بِٱلۡمَعۡرُوفِۚ فَإِذَا دَفَعۡتُمۡ إِلَيۡهِمۡ أَمۡوَٰلَهُمۡ فَأَشۡهِدُواْ عَلَيۡهِمۡۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ حَسِيبٗا
Ary tsapao ireo kamboty mandra-pahazoan’izy ireo taonam-panambadiana; ka raha tsikaritrareo amin’izy ireo ny fahamatoran-tsaina, dia atolory azy ireo ny fananan’izy ireo. Ary aza ho haninareo amin’ny fandanindaniam-poana sy fandrobana izany, alohan’ny ahalehibe azy ireo. Ary izay manan-katao, aoka Izy tsy handray amin’izany. Fa izay mahantra kosa, dia aoka Izy hihinana araka izay tokony ho izy. Koa raha hamerina amin’izy ireo ny fananany Inareo dia makà vavolombelona eo anatrehany. Ary ampy ho Mpitsara i Allah.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نىسا
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش