Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەھقاپ   ئايەت:
۞ وَٱذۡكُرۡ أَخَا عَادٍ إِذۡ أَنذَرَ قَوۡمَهُۥ بِٱلۡأَحۡقَافِ وَقَدۡ خَلَتِ ٱلنُّذُرُ مِنۢ بَيۡنِ يَدَيۡهِ وَمِنۡ خَلۡفِهِۦٓ أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّا ٱللَّهَ إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ
Fa tsarovy ny rahalahin'ireo Aad, nampitandrina ny vahoakany izy tao Al-ahqaf, kanefa dia nisy mpampitandrina nandalo talohany sy taoriany, "aoka ianareo tsy hanompo afa-tsy I Allah. Hatahorako ho aminareo ny famaizana amin'ilay andro mahatsiravina."
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالُوٓاْ أَجِئۡتَنَا لِتَأۡفِكَنَا عَنۡ ءَالِهَتِنَا فَأۡتِنَا بِمَا تَعِدُنَآ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Hoy izy ireo : ‘’Tonga eto aminay mba hampihataka anay amin’ireo andriamanitray va ianao ? Raha izany, ento eto aminay izay nampitandremanao anay raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao.‘’
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ إِنَّمَا ٱلۡعِلۡمُ عِندَ ٱللَّهِ وَأُبَلِّغُكُم مَّآ أُرۡسِلۡتُ بِهِۦ وَلَٰكِنِّيٓ أَرَىٰكُمۡ قَوۡمٗا تَجۡهَلُونَ
Hoy izy : “Any amin’I Allah ihany ny fahalalana. Mampita ny hafatra izay nandefasana ahy aminareo aho. kanefa hitako fa olona tsy mahafantatra ianareo”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَمَّا رَأَوۡهُ عَارِضٗا مُّسۡتَقۡبِلَ أَوۡدِيَتِهِمۡ قَالُواْ هَٰذَا عَارِضٞ مُّمۡطِرُنَاۚ بَلۡ هُوَ مَا ٱسۡتَعۡجَلۡتُم بِهِۦۖ رِيحٞ فِيهَا عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary rehefa nahita rahona nankeny amin’ny sahany izy ireo, dia niteny hoe : “Indro ny rahona mitondra ranon’orana ho anay.” Ny mifanohitra amin’izany anefa, no ilay tadiavinareo hafainganina, dia ny rivotra mitondra famaizana mamirifiry,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
تُدَمِّرُ كُلَّ شَيۡءِۭ بِأَمۡرِ رَبِّهَا فَأَصۡبَحُواْ لَا يُرَىٰٓ إِلَّا مَسَٰكِنُهُمۡۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Handrava ny zava-drehetra, nohon'ny didin’ny Tompony. Ary ny ampitson’iny, dia ny fonenan’izy ireo ihany no sisa tazana.Toy izany no hamalianay ireo olona mpanao ratsy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَقَدۡ مَكَّنَّٰهُمۡ فِيمَآ إِن مَّكَّنَّٰكُمۡ فِيهِ وَجَعَلۡنَا لَهُمۡ سَمۡعٗا وَأَبۡصَٰرٗا وَأَفۡـِٔدَةٗ فَمَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُمۡ سَمۡعُهُمۡ وَلَآ أَبۡصَٰرُهُمۡ وَلَآ أَفۡـِٔدَتُهُم مِّن شَيۡءٍ إِذۡ كَانُواْ يَجۡحَدُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Nomenay fahefana izay tsy nomenay anareo izy ireo. Ary nomenay fandrenesana, fahitana sy fo, saingy ny fandrenesany, ny fahitany, ny fony, dia tsy nahazoan’izy ireo tombotsoa, na amin’inona satria nandà ireo famantarana avy amin’I Allah izy ireo, ka dia voafatotr’izay nohesoiny.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَقَدۡ أَهۡلَكۡنَا مَا حَوۡلَكُم مِّنَ ٱلۡقُرَىٰ وَصَرَّفۡنَا ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Nopotehinay tokoa ireo tanàna manodidina anareo, ary nataonay isan-karazany ireo famantarana mba hiverenan’izy ireo (amin’I Allah).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَوۡلَا نَصَرَهُمُ ٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ قُرۡبَانًا ءَالِهَةَۢۖ بَلۡ ضَلُّواْ عَنۡهُمۡۚ وَذَٰلِكَ إِفۡكُهُمۡ وَمَا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Nahoana no tsy mamonjy azy ireo izay nalainy ankoatran'I Allah, ho Tompo hanakaikezana Azy ? Nandao azy izy ireo, izany no fisandohana ataony, sy lainga foroniny.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەھقاپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش