Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ዩኑስ   አንቀጽ:
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَاتُنَا بَيِّنَٰتٖ قَالَ ٱلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ لِقَآءَنَا ٱئۡتِ بِقُرۡءَانٍ غَيۡرِ هَٰذَآ أَوۡ بَدِّلۡهُۚ قُلۡ مَا يَكُونُ لِيٓ أَنۡ أُبَدِّلَهُۥ مِن تِلۡقَآيِٕ نَفۡسِيٓۖ إِنۡ أَتَّبِعُ إِلَّا مَا يُوحَىٰٓ إِلَيَّۖ إِنِّيٓ أَخَافُ إِنۡ عَصَيۡتُ رَبِّي عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ
Ary rehefa novakiana tamin’izy ireo mazava tsara ireo teninay, dia niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay ka nanao hoe : " Mitondrà Koroany hafa ankoatra ity Ianao na ovay io ”. Teneno hoe : " Tsy anjarako mihitsy ny hanova azy io araka ny sitrapoko. Tsy manaraka afa-tsy izay nambara Tamiko Aho. Tena marina fa Izaho dia matahotra, raha tsy mankato ny Tompoko, dia ahazo ny famaizana amin’ny Andro lehibe ”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قُل لَّوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا تَلَوۡتُهُۥ عَلَيۡكُمۡ وَلَآ أَدۡرَىٰكُم بِهِۦۖ فَقَدۡ لَبِثۡتُ فِيكُمۡ عُمُرٗا مِّن قَبۡلِهِۦٓۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Teneno hoe : " Raha sitrak’i Allah dia tsy novakiko taminareo izy io ary tsy nampahafantatra (Allah) Anareo ihany koa Izy. Efa niara-nipetraka Taminareo nandritry ny taona maro ny Tenako talohan’izany. Moa va tsy mandinika Ianareo ?
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَوۡ كَذَّبَ بِـَٔايَٰتِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ
Fa iza no tena mpanao ny tsy rariny indrindra mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’i Allah na koa milaza fa lainga ireo teniny ? Tena marina, fa tsy ahazo fahombiazana ireo mpanao heloka bevava.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَضُرُّهُمۡ وَلَا يَنفَعُهُمۡ وَيَقُولُونَ هَٰٓؤُلَآءِ شُفَعَٰٓؤُنَا عِندَ ٱللَّهِۚ قُلۡ أَتُنَبِّـُٔونَ ٱللَّهَ بِمَا لَا يَعۡلَمُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Ary manompo zavatra hafa ankoatr'i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanao ratsy no sady tsy afaka hanasoa azy ireo akory ary miteny izy ireo manao hoe : " Izy ireto no mpanelanelana Anay eo anatrehan’i Allah ". Teneno hoe : " Moa ve hampahalala an’i Allah izay tsy fantany any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany Ianareo ? ” Voninahitra sy laza anie ho Azy ! Ary ambony lavitra Izy noho izay atambatr’izy ireo Aminy ”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَمَا كَانَ ٱلنَّاسُ إِلَّآ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ فَٱخۡتَلَفُواْۚ وَلَوۡلَا كَلِمَةٞ سَبَقَتۡ مِن رَّبِّكَ لَقُضِيَ بَيۡنَهُمۡ فِيمَا فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Ary tsy inona ny Olombelona afa-tsy vahoaka iray ihany tany am-piandohana, kanefa dia nifanipa-kevitra izy ireo ary raha tsy ny Teny efa vita mialoha avy amin’ny Tomponao, dia efa notsarain’i Allah izy ireo amin’izay nampifanolana azy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَيَقُولُونَ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ ءَايَةٞ مِّن رَّبِّهِۦۖ فَقُلۡ إِنَّمَا ٱلۡغَيۡبُ لِلَّهِ فَٱنتَظِرُوٓاْ إِنِّي مَعَكُم مِّنَ ٱلۡمُنتَظِرِينَ
Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : " Raha mba misy fahagagana midina Aminy avy amin’ny Tompony ! ” Teneno hoe : " Izao ihany no izy, ho an’i Allah irery ihany ny zava-miafina, koa miandrasa Ianareo fa Izaho koa dia anisan’ny mpiandry miaraka Aminareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ዩኑስ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት