Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል ኢስራዕ   አንቀጽ:
ذَٰلِكَ مِمَّآ أَوۡحَىٰٓ إِلَيۡكَ رَبُّكَ مِنَ ٱلۡحِكۡمَةِۗ وَلَا تَجۡعَلۡ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ فَتُلۡقَىٰ فِي جَهَنَّمَ مَلُومٗا مَّدۡحُورًا
Izany dia anisan’izay nambaran’ny Tomponao taminao momba ny fahendrena. Ary aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa, raha tsy izany dia hatoraka ao anaty afobe ianao, voarahona sy voatosika.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
أَفَأَصۡفَىٰكُمۡ رَبُّكُم بِٱلۡبَنِينَ وَٱتَّخَذَ مِنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِنَٰثًاۚ إِنَّكُمۡ لَتَقُولُونَ قَوۡلًا عَظِيمٗا
Moa ve ny Tomponareo nanokana ho anareo ny zazalahy, fa nandray ny zazavavy ho Azy kosa Izy amin‘ireo Anjely ? Marina fa ianareo dia miteny teny tsy mendrika tokoa.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَقَدۡ صَرَّفۡنَا فِي هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانِ لِيَذَّكَّرُواْ وَمَا يَزِيدُهُمۡ إِلَّا نُفُورٗا
Tena efa namelabelatra (ny zava-drehetra) ao anatin’ity Kor’any ity Izahay mba hieritreretan’izy ireo. Nefa (izany) dia tsy nampitombo afa-tsy ny fanalaviran’izy ireo (ny marina).
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قُل لَّوۡ كَانَ مَعَهُۥٓ ءَالِهَةٞ كَمَا يَقُولُونَ إِذٗا لَّٱبۡتَغَوۡاْ إِلَىٰ ذِي ٱلۡعَرۡشِ سَبِيلٗا
Teneno hoe : “Raha nisy zanahary hafa miaraka Aminy (Allah), araka ny filazan’izy ireo, dia ho nitady lalana izy ireo mba ho Tompon’ilay Seza fiandrianana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يَقُولُونَ عُلُوّٗا كَبِيرٗا
Azy ny fahadiovana ! Ary Izy Ilay Avo indrindra, ambony lavitra noho izay lazain’izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
تُسَبِّحُ لَهُ ٱلسَّمَٰوَٰتُ ٱلسَّبۡعُ وَٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهِنَّۚ وَإِن مِّن شَيۡءٍ إِلَّا يُسَبِّحُ بِحَمۡدِهِۦ وَلَٰكِن لَّا تَفۡقَهُونَ تَسۡبِيحَهُمۡۚ إِنَّهُۥ كَانَ حَلِيمًا غَفُورٗا
Mankalaza ny Voninahiny ireo lanitra fito sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelany. Tsy misy na inona na inona, ka tsy mankalaza ny voninahiny sy ny fiderana Azy. Kanefa tsy fantatrareo ny fomba fideran’izy ireo Azy. Izy dia tena be Fangorahana sy be Famelan-keloka tokoa.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِذَا قَرَأۡتَ ٱلۡقُرۡءَانَ جَعَلۡنَا بَيۡنَكَ وَبَيۡنَ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ حِجَابٗا مَّسۡتُورٗا
Ary rehefa mamaky ny Kor’any ianao, dia apetrakay manelanelana anao sy ireo izay tsy mino ny any ankoatra ny voaly tsy hita maso.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَجَعَلۡنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ أَكِنَّةً أَن يَفۡقَهُوهُ وَفِيٓ ءَاذَانِهِمۡ وَقۡرٗاۚ وَإِذَا ذَكَرۡتَ رَبَّكَ فِي ٱلۡقُرۡءَانِ وَحۡدَهُۥ وَلَّوۡاْ عَلَىٰٓ أَدۡبَٰرِهِمۡ نُفُورٗا
Ary nasianay sarona ny fon’izy ireo, mba tsy hahazoan’izy ireo azy (ny Kor’any), ary amin’ny sofin’izy ireo dia nasianay havesarana. Ary raha mahatsiaro ny Tomponao ilay Tokana ianao, amin’ny alalan’ny Kor’any, dia mitodi-damosina izy ireo amim-paharikorikoana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
نَّحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَا يَسۡتَمِعُونَ بِهِۦٓ إِذۡ يَسۡتَمِعُونَ إِلَيۡكَ وَإِذۡ هُمۡ نَجۡوَىٰٓ إِذۡ يَقُولُ ٱلظَّٰلِمُونَ إِن تَتَّبِعُونَ إِلَّا رَجُلٗا مَّسۡحُورًا
Izahay dia tena mahafantatra tokoa izay henoin’izy ireo rehefa mihaino anao izy ireo, ary rehefa mifampibitsibitsika izy ireo, ka miteny ireo mpanao ny tsy rariny manao hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy ny olona azon’ny famosaviana ihany”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
ٱنظُرۡ كَيۡفَ ضَرَبُواْ لَكَ ٱلۡأَمۡثَالَ فَضَلُّواْ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ سَبِيلٗا
Jereo, ahoana ny fanoharana ataon’izy ireo Anao ! Very lalana tokoa izy ireo, ka tsy afaka mahita lalana intsony (mankany amin’ny fahamarinana).
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَقَالُوٓاْ أَءِذَا كُنَّا عِظَٰمٗا وَرُفَٰتًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ خَلۡقٗا جَدِيدٗا
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Rehefa lasa taolana sy vovoka izahay, dia mbola hatsangana marina ka haverina ho olombelona vaovao indray ve ?”
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል ኢስራዕ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረብዋ የዳዕዋ ማህበር እና ከ የእስልምና ይዘት በተለያዩ ቋንቋዎች አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተተረጎመ

መዝጋት