للإطلاع على الموقع بحلته الجديدة

ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة * - فهرس التراجم


ترجمة معاني سورة: فاطر   آية:
وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدۡ كُذِّبَتۡ رُسُلٞ مِّن قَبۡلِكَۚ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ
Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nolazaina ho mpandainga ihany koa ireo Iraka talohanao. Fa any amin’i Allah ihany anefa no hamerenana ny raharaha rehetra.
التفاسير العربية:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞۖ فَلَا تَغُرَّنَّكُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا وَلَا يَغُرَّنَّكُم بِٱللَّهِ ٱلۡغَرُورُ
Ry olombelona! Marina ny fampanantenan’i Allah. Ka aza avela hamitaka anareo ny fiainana an-tany, ary aoka tsy hahavoafitaka anareo ihany koa ilay mpamitaka mikasika an’i Allah.
التفاسير العربية:
إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ لَكُمۡ عَدُوّٞ فَٱتَّخِذُوهُ عَدُوًّاۚ إِنَّمَا يَدۡعُواْ حِزۡبَهُۥ لِيَكُونُواْ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلسَّعِيرِ
Fahavalonareo tokoa ny devoly, koa raiso ho fahavalo tanteraka izy. Tsy manao afa-tsy ny miantso ireo mpanaraka azy izy, mba ho lasa olon’ny afo mamaivay
التفاسير العربية:
ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدٞۖ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَأَجۡرٞ كَبِيرٌ
Hahazo famaizana henjana ireo izay tsy nino, fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.
التفاسير العربية:
أَفَمَن زُيِّنَ لَهُۥ سُوٓءُ عَمَلِهِۦ فَرَءَاهُ حَسَنٗاۖ فَإِنَّ ٱللَّهَ يُضِلُّ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُۖ فَلَا تَذۡهَبۡ نَفۡسُكَ عَلَيۡهِمۡ حَسَرَٰتٍۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِمَا يَصۡنَعُونَ
Dia ahoana ! Izay nohatsaraina teo imasony ny asa ratsy nataony, ka noheveriny ho tsara? Nefa mamery làlana izay tiany ho amin’izany i Allah, ary mitari-dàlana izay tiany ho tarihina ihany koa. Aoka tsy hanenina noho ny amin’izy ireo ny tenanao. Fa Mahafantatra tsara izay ataon’izy ireo i Allah.
التفاسير العربية:
وَٱللَّهُ ٱلَّذِيٓ أَرۡسَلَ ٱلرِّيَٰحَ فَتُثِيرُ سَحَابٗا فَسُقۡنَٰهُ إِلَىٰ بَلَدٖ مَّيِّتٖ فَأَحۡيَيۡنَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَاۚ كَذَٰلِكَ ٱلنُّشُورُ
Ary i Allah no mandefa ny rivotra hanainga ny rahona, izay atosikay ho any amin’ny tany karankaina avy eo; ka omenay aina indray ny tany efa maty. Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty !
التفاسير العربية:
مَن كَانَ يُرِيدُ ٱلۡعِزَّةَ فَلِلَّهِ ٱلۡعِزَّةُ جَمِيعًاۚ إِلَيۡهِ يَصۡعَدُ ٱلۡكَلِمُ ٱلطَّيِّبُ وَٱلۡعَمَلُ ٱلصَّٰلِحُ يَرۡفَعُهُۥۚ وَٱلَّذِينَ يَمۡكُرُونَ ٱلسَّيِّـَٔاتِ لَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدٞۖ وَمَكۡرُ أُوْلَٰٓئِكَ هُوَ يَبُورُ
Izay mitady ny hery (amam-boninahitra), dia an’i Allah ny hery rehetra, any Aminy no miakatra ny teny tsara, ary hansandrany ambony ny asa soa. Fa izay miray tsikombakomba amin’ny asa ratsy kosa, dia hahazo famaizana henjana. Nefa tsy hahomby ny teti-dratsin’izy ireo.
التفاسير العربية:
وَٱللَّهُ خَلَقَكُم مِّن تُرَابٖ ثُمَّ مِن نُّطۡفَةٖ ثُمَّ جَعَلَكُمۡ أَزۡوَٰجٗاۚ وَمَا تَحۡمِلُ مِنۡ أُنثَىٰ وَلَا تَضَعُ إِلَّا بِعِلۡمِهِۦۚ وَمَا يُعَمَّرُ مِن مُّعَمَّرٖ وَلَا يُنقَصُ مِنۡ عُمُرِهِۦٓ إِلَّا فِي كِتَٰبٍۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ
Allah no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo, avy amin’ny tsirinaina indray mitete, ary rehefa izany, dia nataony ho mpivady tsiroaroa. Tsy misy vehivavy mitondra vohoka, na miteraka ka tsy fantany. Ary tsy misy fahavelomana maharitra na fohy, ka tsy voasoratra ao amin’ny boky. Fa mora amin’i Allah tokoa izany.
التفاسير العربية:
 
ترجمة معاني سورة: فاطر
فهرس السور رقم الصفحة
 
ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة - فهرس التراجم

ترجمها فريق مركز رواد الترجمة بالتعاون مع جمعية الدعوة بالربوة وجمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغات وموقع IslamHouse.com.

إغلاق