للإطلاع على الموقع بحلته الجديدة

ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة * - فهرس التراجم


ترجمة معاني سورة: الزمر   آية:
إِنَّآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ لِلنَّاسِ بِٱلۡحَقِّۖ فَمَنِ ٱهۡتَدَىٰ فَلِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن ضَلَّ فَإِنَّمَا يَضِلُّ عَلَيۡهَاۖ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡهِم بِوَكِيلٍ
Hamafisina, fa Izahay no nampidina taminao ny Boky, ho an’ny olombelona tamim-pahamarinana. Izay mizotra amin’ny lalana mahitsy, dia ho an’ny tenany ihany, ary izay mivily lalana kosa, dia manao izay hahavery ny tenany ihany koa. Ary tsy tompon’andraikitra velively amin’izy ireo ianao.
التفاسير العربية:
ٱللَّهُ يَتَوَفَّى ٱلۡأَنفُسَ حِينَ مَوۡتِهَا وَٱلَّتِي لَمۡ تَمُتۡ فِي مَنَامِهَاۖ فَيُمۡسِكُ ٱلَّتِي قَضَىٰ عَلَيۡهَا ٱلۡمَوۡتَ وَيُرۡسِلُ ٱلۡأُخۡرَىٰٓ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمًّىۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَتَفَكَّرُونَ
Allah no mandray ny fanahy amin’ny fotoana hahafatesany (olona), toy izany koa ireo izay mbola tsy maty nandritra ny torimasony. Ary tazoniny izay voadidy ho faty amin’izy ireo, fa haveriny kosa ny hafa hatramin’ny fotoana efa voafetra. Hamafisina, fa misy porofo ho an’ireo olona mieritreritra tokoa amin’izany.
التفاسير العربية:
أَمِ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ شُفَعَآءَۚ قُلۡ أَوَلَوۡ كَانُواْ لَا يَمۡلِكُونَ شَيۡـٔٗا وَلَا يَعۡقِلُونَ
Moa nandray mpanelanelana ankoatra an’I Allah ve izy ireo? Dia valio hoe : “ Na izy ireo aza tsy manana na inona na inona, no sady tsy misaina akory ! ”
التفاسير العربية:
قُل لِّلَّهِ ٱلشَّفَٰعَةُ جَمِيعٗاۖ لَّهُۥ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ ثُمَّ إِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Dia lazao hoe : “An’I Allah ny fanelanelanana rehetra. Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Ary any Aminy no hamerenana anareo”
التفاسير العربية:
وَإِذَا ذُكِرَ ٱللَّهُ وَحۡدَهُ ٱشۡمَأَزَّتۡ قُلُوبُ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِۖ وَإِذَا ذُكِرَ ٱلَّذِينَ مِن دُونِهِۦٓ إِذَا هُمۡ يَسۡتَبۡشِرُونَ
Ary rehefa ampahatsiahivina ny maha tokana an’i Allah, dia sorena mafy ny fon’ireo izay tsy mino ny fiainana any ankoatra, fa rehefa ampahatsiahivina kosa ireo izay ankoatra Azy, dia indro fa feno hafaliana izy ireo.
التفاسير العربية:
قُلِ ٱللَّهُمَّ فَاطِرَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ عَٰلِمَ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِ أَنتَ تَحۡكُمُ بَيۡنَ عِبَادِكَ فِي مَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Lazao hoe : “ Ô Allah, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, Mpahalala ny miafina sy ny hita-maso, Ianao no hitsara ireo mpanomponao, amin’izay tsy nampitovy hevitra azy ireo ”.
التفاسير العربية:
وَلَوۡ أَنَّ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ مَا فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا وَمِثۡلَهُۥ مَعَهُۥ لَٱفۡتَدَوۡاْ بِهِۦ مِن سُوٓءِ ٱلۡعَذَابِ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ وَبَدَا لَهُم مِّنَ ٱللَّهِ مَا لَمۡ يَكُونُواْ يَحۡتَسِبُونَ
Raha an’ireo mpanao ny tsy rariny izay rehetra misy eto ambonin’ny tany, ary mbola hampiana mitovy amin’izany, dia mba natolony ho takalo hialana amin’ny famaizana ratsy indrindra amin’ny andro fitsanganana izany, ary hiseho amin’izy ireo avy amin’I Allah, izay tsy mbola noeritreretin’izy ireo mihitsy.
التفاسير العربية:
 
ترجمة معاني سورة: الزمر
فهرس السور رقم الصفحة
 
ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة - فهرس التراجم

ترجمها فريق مركز رواد الترجمة بالتعاون مع جمعية الدعوة بالربوة وجمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغات.

إغلاق