للإطلاع على الموقع بحلته الجديدة

ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة * - فهرس التراجم


ترجمة معاني سورة: الفجر   آية:

سورة الفجر - Al-fajr

وَٱلۡفَجۡرِ
Mianiana aho ny amin'ny maraina vao mangiran-dratsy.
التفاسير العربية:
وَلَيَالٍ عَشۡرٖ
Ny amin'ny alina folo (alin'ny volana Zol-Hijjah).
التفاسير العربية:
وَٱلشَّفۡعِ وَٱلۡوَتۡرِ
Ny amin'ny ankasa sy tsy ankasa.
التفاسير العربية:
وَٱلَّيۡلِ إِذَا يَسۡرِ
ny amin'ny alina rehefa mandalo.
التفاسير العربية:
هَلۡ فِي ذَٰلِكَ قَسَمٞ لِّذِي حِجۡرٍ
moa va izany tsy fianianana ho an'ireo manan-tsaina ?
التفاسير العربية:
أَلَمۡ تَرَ كَيۡفَ فَعَلَ رَبُّكَ بِعَادٍ
Moa va tsy nodinihinao ny nanaovan'I Allah ireo vahoaka'i A'ad ?
التفاسير العربية:
إِرَمَ ذَاتِ ٱلۡعِمَادِ
Ary i Iramah izay nanana andry niankinana ?
التفاسير العربية:
ٱلَّتِي لَمۡ يُخۡلَقۡ مِثۡلُهَا فِي ٱلۡبِلَٰدِ
Izay tsy nisy namboarina toa azy amin'ireo firenen-drehetra !
التفاسير العربية:
وَثَمُودَ ٱلَّذِينَ جَابُواْ ٱلصَّخۡرَ بِٱلۡوَادِ
Niaraka tamin'ny Samodo izay nanao lava-bato teny an-dohasaha.
التفاسير العربية:
وَفِرۡعَوۡنَ ذِي ٱلۡأَوۡتَادِ
Ary i Farao nanana miaramila maro aman-defona.
التفاسير العربية:
ٱلَّذِينَ طَغَوۡاْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ
Izay nihoa-pefy tao amin'ny firenen'izy ireo.
التفاسير العربية:
فَأَكۡثَرُواْ فِيهَا ٱلۡفَسَادَ
Ary nampiely faharatsiana maro tao.
التفاسير العربية:
فَصَبَّ عَلَيۡهِمۡ رَبُّكَ سَوۡطَ عَذَابٍ
Noho izany dia nandefasan'ny Tomponao kapoka mavaivay izy ireo.
التفاسير العربية:
إِنَّ رَبَّكَ لَبِٱلۡمِرۡصَادِ
Tena marina ! Ny tomponao dia manara-maso fatratra.
التفاسير العربية:
فَأَمَّا ٱلۡإِنسَٰنُ إِذَا مَا ٱبۡتَلَىٰهُ رَبُّهُۥ فَأَكۡرَمَهُۥ وَنَعَّمَهُۥ فَيَقُولُ رَبِّيٓ أَكۡرَمَنِ
Ny olombelona rehefa notsapàn'ny Tompony ka notahiny sy nomeny fahasoavana, dia hiteny izy ireo hoe : "Nitahy ahy ny Tompoko".
التفاسير العربية:
وَأَمَّآ إِذَا مَا ٱبۡتَلَىٰهُ فَقَدَرَ عَلَيۡهِ رِزۡقَهُۥ فَيَقُولُ رَبِّيٓ أَهَٰنَنِ
Ary rehefa notsapàny koa izy ireo ka nampianjadiany fahasahiranana ; dia hiteny izy ireo hoe : "tsy norarahin'ny Tompoko aho".
التفاسير العربية:
كَلَّاۖ بَل لَّا تُكۡرِمُونَ ٱلۡيَتِيمَ
Tsia ! indrisy anefa fa manao tsinotsinona ny kamboty ianareo.
التفاسير العربية:
وَلَا تَحَٰٓضُّونَ عَلَىٰ طَعَامِ ٱلۡمِسۡكِينِ
Ary tsy mifamporisika amin'ny fanomezana sakafo ireo mahantra ianareo.
التفاسير العربية:
وَتَأۡكُلُونَ ٱلتُّرَاثَ أَكۡلٗا لَّمّٗا
Fa manao ampihi-mamba ny lovan'ireo kamboty.
التفاسير العربية:
وَتُحِبُّونَ ٱلۡمَالَ حُبّٗا جَمّٗا
Tena tia harena diso tafahoatra ianareo !
التفاسير العربية:
كَلَّآۖ إِذَا دُكَّتِ ٱلۡأَرۡضُ دَكّٗا دَكّٗا
Tsia ! Rehefa montsana ka hihorohoro araka izay tsy izy ny tany.
التفاسير العربية:
وَجَآءَ رَبُّكَ وَٱلۡمَلَكُ صَفّٗا صَفّٗا
ary ho tonga ny Tomponao sy ireo anjely hitandahatra,
التفاسير العربية:
وَجِاْيٓءَ يَوۡمَئِذِۭ بِجَهَنَّمَۚ يَوۡمَئِذٖ يَتَذَكَّرُ ٱلۡإِنسَٰنُ وَأَنَّىٰ لَهُ ٱلذِّكۡرَىٰ
koa amin'izany andro izany dia haseho ny Afobe, dia ilay andro izay hahatsiarovan'ny olombelona, nefa inona intsony moa no ilany ny fahatsiarovana amin'izany fotoana izany ?
التفاسير العربية:
يَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي قَدَّمۡتُ لِحَيَاتِي
ka hiloa-bava hoe : "tahaka izay aho mba nanao hatsarana ho amin'ny fiainako ho avy !"
التفاسير العربية:
فَيَوۡمَئِذٖ لَّا يُعَذِّبُ عَذَابَهُۥٓ أَحَدٞ
Amin'izany andro izany dia tsy hisy famindram-po ny famaizan'I Tompo Allah,
التفاسير العربية:
وَلَا يُوثِقُ وَثَاقَهُۥٓ أَحَدٞ
ary tsy hisy famindram-po tahaka izany ihany koa ny famatoran-drojon'I Allah,
التفاسير العربية:
يَٰٓأَيَّتُهَا ٱلنَّفۡسُ ٱلۡمُطۡمَئِنَّةُ
O ry fanahy feno fahatoniana !
التفاسير العربية:
ٱرۡجِعِيٓ إِلَىٰ رَبِّكِ رَاضِيَةٗ مَّرۡضِيَّةٗ
Miverena ianao any amin'ny Tomponao am-pahatoniana sy feno fakansitrahana.
التفاسير العربية:
فَٱدۡخُلِي فِي عِبَٰدِي
Mandrosoa ho anisan'ny mpanompoko.
التفاسير العربية:
وَٱدۡخُلِي جَنَّتِي
Ary midira ho ao amin'ny Paradisako.
التفاسير العربية:
 
ترجمة معاني سورة: الفجر
فهرس السور رقم الصفحة
 
ترجمة معاني القرآن الكريم - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة - فهرس التراجم

ترجمها فريق مركز رواد الترجمة بالتعاون مع جمعية الدعوة بالربوة وجمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغات وموقع IslamHouse.com.

إغلاق