Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-বাক্বাৰাহ   আয়াত:
وَٱلَّذِينَ يُتَوَفَّوۡنَ مِنكُمۡ وَيَذَرُونَ أَزۡوَٰجٗا يَتَرَبَّصۡنَ بِأَنفُسِهِنَّ أَرۡبَعَةَ أَشۡهُرٖ وَعَشۡرٗاۖ فَإِذَا بَلَغۡنَ أَجَلَهُنَّ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ فِيمَا فَعَلۡنَ فِيٓ أَنفُسِهِنَّ بِٱلۡمَعۡرُوفِۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٞ
Ary izay tratran’ny fahafatesana aminareo (lehilahy) ka namela vady (vavy), dia mijanona tsy manambady mandritry ny efa-bolana sy folo andro izy ireo (vehivavy vadiny). ka rehefa feno ny fotoana niandrasany, dia tsy manan-tsiny ianareo ny amin’izay anaovany ny tenany am-pahamendrehana. ary Allah dia tena mahafantatra izay rehetra ataonareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ فِيمَا عَرَّضۡتُم بِهِۦ مِنۡ خِطۡبَةِ ٱلنِّسَآءِ أَوۡ أَكۡنَنتُمۡ فِيٓ أَنفُسِكُمۡۚ عَلِمَ ٱللَّهُ أَنَّكُمۡ سَتَذۡكُرُونَهُنَّ وَلَٰكِن لَّا تُوَاعِدُوهُنَّ سِرًّا إِلَّآ أَن تَقُولُواْ قَوۡلٗا مَّعۡرُوفٗاۚ وَلَا تَعۡزِمُواْ عُقۡدَةَ ٱلنِّكَاحِ حَتَّىٰ يَبۡلُغَ ٱلۡكِتَٰبُ أَجَلَهُۥۚ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِيٓ أَنفُسِكُمۡ فَٱحۡذَرُوهُۚ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ حَلِيمٞ
Ary tsy fahotàna ho anareo ny mampiseho ny fangatahanareo ireny vehivavy ireny ho andefimandrinareo, na ny fanafenanareo izany faniriana izany ao anatinareo. Fantatr’Allah fa hahatsiaro azy ireny ianareo. Kanefa, aoka ianareo tsy hampanantena zavatra azy ireny any amin’ny takona afa-tsy ny filazana ny marina. Ary aza manapa-kevitra ny hanao fifanekem-panambadiana raha tsy efa tapitra ny fepotoana voarakitra mikasika izany. Ary aoka ho fantatrareo, fa Allah no Mahafantatra izay ao amin’ny tenanareo. Ka mitandrema Aminy ianareo, ary fantaro ihany koa, fa Allah dia Mpamela heloka sy be fangorahana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ إِن طَلَّقۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ مَا لَمۡ تَمَسُّوهُنَّ أَوۡ تَفۡرِضُواْ لَهُنَّ فَرِيضَةٗۚ وَمَتِّعُوهُنَّ عَلَى ٱلۡمُوسِعِ قَدَرُهُۥ وَعَلَى ٱلۡمُقۡتِرِ قَدَرُهُۥ مَتَٰعَۢا بِٱلۡمَعۡرُوفِۖ حَقًّا عَلَى ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Tsy anananareo tsiny raha misaraka amin’ireo vehivavy izay mbola tsy nokasihinareo ianareo, na mbola tsy noferanareo ny Mahary. ary omeo fahafaham-po izy ireo: ka ho an’izay manan-katao izay zakany, ary ho an’izay sahirana izay zakany, fanomezana fahafaham-po am-pahamendrehana, adidy mendrika ho an’ny mpanao tsara.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِن طَلَّقۡتُمُوهُنَّ مِن قَبۡلِ أَن تَمَسُّوهُنَّ وَقَدۡ فَرَضۡتُمۡ لَهُنَّ فَرِيضَةٗ فَنِصۡفُ مَا فَرَضۡتُمۡ إِلَّآ أَن يَعۡفُونَ أَوۡ يَعۡفُوَاْ ٱلَّذِي بِيَدِهِۦ عُقۡدَةُ ٱلنِّكَاحِۚ وَأَن تَعۡفُوٓاْ أَقۡرَبُ لِلتَّقۡوَىٰۚ وَلَا تَنسَوُاْ ٱلۡفَضۡلَ بَيۡنَكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٌ
Ary raha nisarahanareo izy ireo talohan’ny nikasihanareo (firaisana ara-nofo) azy ka efa noferanareo ny Mahary, dia atolorinareo azy ireo ny antsasak’izay efa noferanareo, afa-tsy hoe nandefitra izy ireo (vehivavy), na koa namela izany izay niantsoroka ny fahavitan’ny fanambadiana (lehilahy). ary ny famelana dia manakaiky indrindra ny fahatahorana (an’i Allah), ary aza manadino ny tsara izay nifanaovanareo ianareo. tena marina fa Allah dia mahita izay rehetra ataonareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-বাক্বাৰাহ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ