Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আম্বীয়া   আয়াত:
وَجَعَلۡنَٰهُمۡ أَئِمَّةٗ يَهۡدُونَ بِأَمۡرِنَا وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡهِمۡ فِعۡلَ ٱلۡخَيۡرَٰتِ وَإِقَامَ ٱلصَّلَوٰةِ وَإِيتَآءَ ٱلزَّكَوٰةِۖ وَكَانُواْ لَنَا عَٰبِدِينَ
Ary nataonay ho mpitondra izay hitari-dalana araka ny Didinay izy ireo. Ary nanambara tamin’izy ireo Izahay mba hanao ny tsara, sy hanatanteraka ny Soalat, hanome ny Zakat. Ary izy ireo dia mpanomponay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلُوطًا ءَاتَيۡنَٰهُ حُكۡمٗا وَعِلۡمٗا وَنَجَّيۡنَٰهُ مِنَ ٱلۡقَرۡيَةِ ٱلَّتِي كَانَت تَّعۡمَلُ ٱلۡخَبَٰٓئِثَۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَوۡمَ سَوۡءٖ فَٰسِقِينَ
Ary i Lota ! Dia nomenay azy ny fahendrena sy ny fahalalana, ary navotanay izy tamin’ilay tanàna izay nanaovana ny asa maloto. Tena marina fa izy ireo dia vahoaka ratsy sy maloto fitondran-tena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَدۡخَلۡنَٰهُ فِي رَحۡمَتِنَآۖ إِنَّهُۥ مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Ary nampidininay ao anatin’ny famindram-ponay izy satria tena anisan’ireo olo-mendrika tokoa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَنُوحًا إِذۡ نَادَىٰ مِن قَبۡلُ فَٱسۡتَجَبۡنَا لَهُۥ فَنَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥ مِنَ ٱلۡكَرۡبِ ٱلۡعَظِيمِ
Ary i Noa, raha nitalaho izy teo aloha dia novalianay sy novonjenay izy sy ny fianakaviany tamin’ilay tebiteby lehibe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَنَصَرۡنَٰهُ مِنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَآۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَوۡمَ سَوۡءٖ فَأَغۡرَقۡنَٰهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Ary navotanay izy tamin’ny vahoaka izay nilaza fa lainga ireo famantarana avy aty Aminay.Tena marina fa vahoaka ratsy izy ireo, ka narendrikay avokoa izy rehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَدَاوُۥدَ وَسُلَيۡمَٰنَ إِذۡ يَحۡكُمَانِ فِي ٱلۡحَرۡثِ إِذۡ نَفَشَتۡ فِيهِ غَنَمُ ٱلۡقَوۡمِ وَكُنَّا لِحُكۡمِهِمۡ شَٰهِدِينَ
Ary i Davida sy i Salomona, raha izy roa ireo nitsara mahakasika ny tany voavoly izay nandehanan’ny ondrin’ny vahoaka, niraoka voly tao amin’izany (tamin’ny alina). Ary vavolombelona tamin’ny fitsaran’izy ireo Izahay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَفَهَّمۡنَٰهَا سُلَيۡمَٰنَۚ وَكُلًّا ءَاتَيۡنَا حُكۡمٗا وَعِلۡمٗاۚ وَسَخَّرۡنَا مَعَ دَاوُۥدَ ٱلۡجِبَالَ يُسَبِّحۡنَ وَٱلطَّيۡرَۚ وَكُنَّا فَٰعِلِينَ
Nampahafantarinay an’i Salomona izany. Ary samy nomenay fahendrena hitsara sy fahalalana avokoa izy roa. Ary nataonay hiaraka hidera (ny Voninahitray) amin’i Davida ireo tendrombohitra sy ny voro-manidina. Ary Izahay tokoa no nanao izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَعَلَّمۡنَٰهُ صَنۡعَةَ لَبُوسٖ لَّكُمۡ لِتُحۡصِنَكُم مِّنۢ بَأۡسِكُمۡۖ فَهَلۡ أَنتُمۡ شَٰكِرُونَ
Ary nampianarinay azy ny fanamboarana akanjo vy ho anareo mba hahafahanareo miaro tena amin’ny ady ataonareo. Moa ve ho mpankasitraka ianareo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلِسُلَيۡمَٰنَ ٱلرِّيحَ عَاصِفَةٗ تَجۡرِي بِأَمۡرِهِۦٓ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ ٱلَّتِي بَٰرَكۡنَا فِيهَاۚ وَكُنَّا بِكُلِّ شَيۡءٍ عَٰلِمِينَ
(Ary nataonay) teo ambany fifehezan’i Salomona ny rivo-mahery izay mitsoka araka ny baikony mankany amin’ny tany izay misy fahasoavana avy Aminay. Izahay no mpahalala ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আম্বীয়া
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ