Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হজ্জ   আয়াত:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّهُۥ يُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَأَنَّهُۥ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Izany no misy satria, i Allah Ilay Marina, ary Izy Ilay mamelona ny maty sy manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَنَّ ٱلسَّاعَةَ ءَاتِيَةٞ لَّا رَيۡبَ فِيهَا وَأَنَّ ٱللَّهَ يَبۡعَثُ مَن فِي ٱلۡقُبُورِ
Ary marina tokoa fa ny Ora dia ho avy, tsy hisalasalana ny amin’izany, ary marina fa I Allah dia hanangana izay ao am-pasana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٖ وَلَا هُدٗى وَلَا كِتَٰبٖ مُّنِيرٖ
Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’I Allah, tsy amim-pahalalana, tsy manam-pitari-dalana, tsy misy boky mpanazava.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثَانِيَ عِطۡفِهِۦ لِيُضِلَّ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِۖ لَهُۥ فِي ٱلدُّنۡيَا خِزۡيٞۖ وَنُذِيقُهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ عَذَابَ ٱلۡحَرِيقِ
Maneho ny fireharehany izy mba hamiliany hiala ny lalan’I Allah. Ho azy ny fahafaham-baraka eto an-tany, ary hampanandraminay azy ny famaizana amin’ny Afobe amin’ny Andro Fitsanganana .
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتۡ يَدَاكَ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَيۡسَ بِظَلَّٰمٖ لِّلۡعَبِيدِ
Izany dia vokatry ny nataon’ny tananao roa, ary marina fa I Allah dia tsy mpanao ny tsy rariny amin’ireo mpanompo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَعۡبُدُ ٱللَّهَ عَلَىٰ حَرۡفٖۖ فَإِنۡ أَصَابَهُۥ خَيۡرٌ ٱطۡمَأَنَّ بِهِۦۖ وَإِنۡ أَصَابَتۡهُ فِتۡنَةٌ ٱنقَلَبَ عَلَىٰ وَجۡهِهِۦ خَسِرَ ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةَۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡخُسۡرَانُ ٱلۡمُبِينُ
Ary misy amin’ny olombelona izay manompo an'I Allah an-tendrony (am-pisalasalana). Raha misy zavatra tsara tonga aminy dia finaritra amin’izany izy ; fa raha misy fitsapana kosa tonga aminy dia manodina tarehy (tsy mino intsony) izy ; koa maty antoka izy ety an-tany sy any ankoatra. Izany no tena faty antoka miharihary.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَدۡعُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَضُرُّهُۥ وَمَا لَا يَنفَعُهُۥۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلضَّلَٰلُ ٱلۡبَعِيدُ
Mitalaho amin’ny hafa ankoatr’I Allah izy izay tsy afaka manao ratsy aminy na manao tsara aminy ; izany no tena fahaverezana lalina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَدۡعُواْ لَمَن ضَرُّهُۥٓ أَقۡرَبُ مِن نَّفۡعِهِۦۚ لَبِئۡسَ ٱلۡمَوۡلَىٰ وَلَبِئۡسَ ٱلۡعَشِيرُ
Mitalaho amin’ny ratsy izay manakaiky azy tokoa izy noho ny tombotsoany, izany no mpiahy tena ratsy tokoa sy namana tena ratsy !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱللَّهَ يُدۡخِلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَفۡعَلُ مَا يُرِيدُ
Marina fa I Allah no mampiditra ireo izay mino sy ireo izay manao asa soa ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano mikoriana ao ambaniny. Marina fa I Allah dia manao izay tiany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَن كَانَ يَظُنُّ أَن لَّن يَنصُرَهُ ٱللَّهُ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ فَلۡيَمۡدُدۡ بِسَبَبٍ إِلَى ٱلسَّمَآءِ ثُمَّ لۡيَقۡطَعۡ فَلۡيَنظُرۡ هَلۡ يُذۡهِبَنَّ كَيۡدُهُۥ مَا يَغِيظُ
Izay mihevitra fa tsy hamonjy azy I Allah ety an-tany sy any ankoatra, aoka izy hanantona tady eny an-danitra (eo amin’ny tafotranony), avy eo hananton-tenda eny izy ; aoka ho tapahiny izany, ka jereo raha toa ka nahavita nanafoana ny zavatra nahatezitra azy ny tetika nataony.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হজ্জ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ