Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-ফুৰক্বান   আয়াত:
وَلَا يَأۡتُونَكَ بِمَثَلٍ إِلَّا جِئۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ وَأَحۡسَنَ تَفۡسِيرًا
Ary tsy mitondra fanoharana aminao izy ireo, ka tsy tonga miaraka amin’ny fahamarinana aminao Izahay, sy fanazavana izay tsara indrindra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلَّذِينَ يُحۡشَرُونَ عَلَىٰ وُجُوهِهِمۡ إِلَىٰ جَهَنَّمَ أُوْلَٰٓئِكَ شَرّٞ مَّكَانٗا وَأَضَلُّ سَبِيلٗا
Ireo izay ho tarihina eo amin’ny tavany ho any amin’ny afobe, izy ireny no ratsy toerana indrindra, sy tena very lalana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ وَجَعَلۡنَا مَعَهُۥٓ أَخَاهُ هَٰرُونَ وَزِيرٗا
Ary efa natolotray an’i Mosesy ny Boky, ary nataonay ny rahalahiny, Harona, ho mpanohana azy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَقُلۡنَا ٱذۡهَبَآ إِلَى ٱلۡقَوۡمِ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا فَدَمَّرۡنَٰهُمۡ تَدۡمِيرٗا
Dia noteneninay hoe: “Mandehana ianareo roa any amin’ireo vahoaka izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay”, avy eo dia nopotehinay tanteraka izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَوۡمَ نُوحٖ لَّمَّا كَذَّبُواْ ٱلرُّسُلَ أَغۡرَقۡنَٰهُمۡ وَجَعَلۡنَٰهُمۡ لِلنَّاسِ ءَايَةٗۖ وَأَعۡتَدۡنَا لِلظَّٰلِمِينَ عَذَابًا أَلِيمٗا
Ary ny vahoakan’i Noa, rehefa nilaza ireo Iraka hoe mpandainga izy ireo, dia narendrikay sy nataonay ho famantarana (fampitandremana) ho an’ny olombelona. Ary nanomana famaizana mangirifiry Izahay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَعَادٗا وَثَمُودَاْ وَأَصۡحَٰبَ ٱلرَّسِّ وَقُرُونَۢا بَيۡنَ ذَٰلِكَ كَثِيرٗا
Ary ny vahoaka ‘Aady sy Thamody, ary ireo olon’i Rass, sy ireo taranaka nifandimby teo anelanelan’izany !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَكُلّٗا ضَرَبۡنَا لَهُ ٱلۡأَمۡثَٰلَۖ وَكُلّٗا تَبَّرۡنَا تَتۡبِيرٗا
Ho an’izy rehetra, dia samy nanaovanay fanoharana avy, ary naringanay daholo tamin’ny fomba mahery vaika izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ أَتَوۡاْ عَلَى ٱلۡقَرۡيَةِ ٱلَّتِيٓ أُمۡطِرَتۡ مَطَرَ ٱلسَّوۡءِۚ أَفَلَمۡ يَكُونُواْ يَرَوۡنَهَاۚ بَلۡ كَانُواْ لَا يَرۡجُونَ نُشُورٗا
Ary tena efa nandalo teo amin’ny tanàna (tanàn’i Mpaminany Lota) izay nandrotsahana oram-pahoriana izy ireo. Ka moa ve tsy hitan’izy ireo izany ? Nefa izy ireo dia tsy mba nanantena ny fitsanganana amin’ny maty.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذَا رَأَوۡكَ إِن يَتَّخِذُونَكَ إِلَّا هُزُوًا أَهَٰذَا ٱلَّذِي بَعَثَ ٱللَّهُ رَسُولًا
Ary raha mahita anao izy ireo, dia tsy mandray anao afa-tsy amin’ny vazivazy : “Moa ve io ilay nalefan’I Allah ho Iraka?"
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِن كَادَ لَيُضِلُّنَا عَنۡ ءَالِهَتِنَا لَوۡلَآ أَن صَبَرۡنَا عَلَيۡهَاۚ وَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ حِينَ يَرَوۡنَ ٱلۡعَذَابَ مَنۡ أَضَلُّ سَبِيلًا
Saika hamily lalana anay hiala amin’ireo zanaharinay Izy, raha tsy naharitra izahay tamin’izany !”. Ary ho fantatr’izy ireo, rehefa mahita ny famaizana izy ireo, iza no tena very lalana !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَرَءَيۡتَ مَنِ ٱتَّخَذَ إِلَٰهَهُۥ هَوَىٰهُ أَفَأَنتَ تَكُونُ عَلَيۡهِ وَكِيلًا
Moa ve hitanao izay nanao ny sitrapony ho zanahariny ? Ka moa ve ho mpiantoka azy Ianao ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-ফুৰক্বান
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ