Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আনকাবূত   আয়াত:

Al-'ankabout

الٓمٓ
Alif, Làm, Mìm
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَحَسِبَ ٱلنَّاسُ أَن يُتۡرَكُوٓاْ أَن يَقُولُوٓاْ ءَامَنَّا وَهُمۡ لَا يُفۡتَنُونَ
Moa ve mihevitra ny olombelona fa havela fotsiny izy ireo hiteny hoe : “Mino izahay !”, nefa tsy ho tsapaina izy ireo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ فَتَنَّا ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۖ فَلَيَعۡلَمَنَّ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ صَدَقُواْ وَلَيَعۡلَمَنَّ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ary efa notsapanay tokoa ireo izay talohan’izy ireo ; ka tena fantatr’I Allah ireo izay milaza ny marina, ary tena fantany ihany koa ireo mpandainga.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمۡ حَسِبَ ٱلَّذِينَ يَعۡمَلُونَ ٱلسَّيِّـَٔاتِ أَن يَسۡبِقُونَاۚ سَآءَ مَا يَحۡكُمُونَ
Na koa mihevitra ve ireo izay manao ny asa ratsy, fa afaka handositra Anay ? Ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَن كَانَ يَرۡجُواْ لِقَآءَ ٱللَّهِ فَإِنَّ أَجَلَ ٱللَّهِ لَأٓتٖۚ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
N'iza n'iza manantena ny fihaonana amin’I Allah, dia ho tonga tokoa ny fe-potoana izay notondroin’I Allah. Ary Izy no Ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَن جَٰهَدَ فَإِنَّمَا يُجَٰهِدُ لِنَفۡسِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَغَنِيٌّ عَنِ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary n'iza n'iza manao fiezahana, dia tena marina efa manao fiezahana ho an’ny tenany ihany izy. Satria Allah dia ampy ho an’ny tenany, ka tsy misy ilàny azy izao tontolo izao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَنُكَفِّرَنَّ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡ وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَحۡسَنَ ٱلَّذِي كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa kosa, dia ho fafanay ny asa ratsin’izy ireo, ary tena omenay valisoa mendrika kokoa noho izay nataon’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَوَصَّيۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ بِوَٰلِدَيۡهِ حُسۡنٗاۖ وَإِن جَٰهَدَاكَ لِتُشۡرِكَ بِي مَا لَيۡسَ لَكَ بِهِۦ عِلۡمٞ فَلَا تُطِعۡهُمَآۚ إِلَيَّ مَرۡجِعُكُمۡ فَأُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary nandidy ny olombelona mba hanao ny tsara amin’ireo ray aman-dreniny Izahay, fa raha manery anao izy ireo hampitambatra Ahy amin’ny hafa, izay tsy anananao fahalalana mihitsy ny momba izany, dia aza mankatò azy ireo ianao. Ary mankanesa aty Amiko, fa aty Amiko no hiverenanareo, ka ho lazaiko aminareo izay nataonareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَنُدۡخِلَنَّهُمۡ فِي ٱلصَّٰلِحِينَ
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa,dia tena hampidirinay ho anisan’ireo olon-kendry izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَقُولُ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ فَإِذَآ أُوذِيَ فِي ٱللَّهِ جَعَلَ فِتۡنَةَ ٱلنَّاسِ كَعَذَابِ ٱللَّهِۖ وَلَئِن جَآءَ نَصۡرٞ مِّن رَّبِّكَ لَيَقُولُنَّ إِنَّا كُنَّا مَعَكُمۡۚ أَوَلَيۡسَ ٱللَّهُ بِأَعۡلَمَ بِمَا فِي صُدُورِ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Misy amin’ireo olona no milaza hoe : “Mino an’I Allah izahay”; avy eo, raha ampijaliana noho I Allah izy, dia mihevitra ny fitsapana ataon’ny olombelona ho toy ny famaizan’I Allah izy. Ary raha misy famonjena avy amin’ny Tomponao, dia tena hiteny izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia miaraka aminareo !” Moa ve tsy Allah no tena mahafantatra indrindra izay rehetra ao am-pon’izao tontolo izao ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَيَعۡلَمَنَّ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَلَيَعۡلَمَنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ
Ary Allah dia tena mahafantatra tokoa ireo izay mino, ary tena mahafantatra koa ireo mpiatsaravelatsihy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لِلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّبِعُواْ سَبِيلَنَا وَلۡنَحۡمِلۡ خَطَٰيَٰكُمۡ وَمَا هُم بِحَٰمِلِينَ مِنۡ خَطَٰيَٰهُم مِّن شَيۡءٍۖ إِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
Ary miteny ireo izay tsy mino amin’ireo izay mino hoe : “Araho ny lalanay fa tena hitondra ny vesatry ny fahadisoanareo izahay”. Nefa tsy hitondra ny vesatry ny fahadisoan’izy ireo akory izy ireo na dia kely aza. Tena marina fa izy ireo dia tena mpandainga.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَيَحۡمِلُنَّ أَثۡقَالَهُمۡ وَأَثۡقَالٗا مَّعَ أَثۡقَالِهِمۡۖ وَلَيُسۡـَٔلُنَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ عَمَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Ary tena hitondra ireo vesatry ny asany sy ny vesatra hafa izy ireo miaraka amin’ny vesatry ny asany manokana, ary tena hanontaniana tokoa izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana, momba izay noforonon’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ فَلَبِثَ فِيهِمۡ أَلۡفَ سَنَةٍ إِلَّا خَمۡسِينَ عَامٗا فَأَخَذَهُمُ ٱلطُّوفَانُ وَهُمۡ ظَٰلِمُونَ
Ary efa nalefanay tamin’ny vahoakany tokoa i Noa. Ka nipetraka teo amin’izy ireo izy mandritry ny arivo taona, latsaka dimam-polo taona. Avy eo dia niharan’ny safo-drano izy ireo, fa mpanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَنجَيۡنَٰهُ وَأَصۡحَٰبَ ٱلسَّفِينَةِ وَجَعَلۡنَٰهَآ ءَايَةٗ لِّلۡعَٰلَمِينَ
Avy eo dia navotanay izy sy ireo olon’ny sambofiara, ka nataonay izany ho lesona fampitandremana ho an’izao tontolo izao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِبۡرَٰهِيمَ إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱتَّقُوهُۖ ذَٰلِكُمۡ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Ary i Abrahama, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : “Tompoinareo Allah ary atahorinareo Izy, izany no tena mendrika ho anareo raha fantatrareo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّمَا تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ أَوۡثَٰنٗا وَتَخۡلُقُونَ إِفۡكًاۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَمۡلِكُونَ لَكُمۡ رِزۡقٗا فَٱبۡتَغُواْ عِندَ ٱللَّهِ ٱلرِّزۡقَ وَٱعۡبُدُوهُ وَٱشۡكُرُواْ لَهُۥٓۖ إِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Tsy manompo afa-tsy ireo sampy ankoatr’I Allah ianareo, ary mamoron-dainga ianareo. Marina fa ireo izay tompoinareo ankoatr’I Allah dia tsy manana fahefana hanome anareo anjara fivelomana; ka mitadiava ianareo ny anjara fivelomana eo anatrehan’I Allah, ary manompoa Azy sy mankasitraha Azy ianareo. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِن تُكَذِّبُواْ فَقَدۡ كَذَّبَ أُمَمٞ مِّن قَبۡلِكُمۡۖ وَمَا عَلَى ٱلرَّسُولِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Ary raha mampandainga (ny mpaminany) ianareo, dia efa nampandainga (ireo mpaminaniny) koa ny vahoaka maro talohanareo. Ary tsy manana adidy ny Iraka afa-tsy ny fampitana mazava.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ كَيۡفَ يُبۡدِئُ ٱللَّهُ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥٓۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ
Moa ve tsy hitan’izy ireo ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana, avy eo dia mamerina izany indray Izy ? Tena marina fa mora amin’I Allah izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ سِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ بَدَأَ ٱلۡخَلۡقَۚ ثُمَّ ٱللَّهُ يُنشِئُ ٱلنَّشۡأَةَ ٱلۡأٓخِرَةَۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Lazao hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo, ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana. Avy eo, ny fomba naharian’I Allah ny taranaka farany. Marina fa Allah dia Mahefa ny zava-drehetra”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يُعَذِّبُ مَن يَشَآءُ وَيَرۡحَمُ مَن يَشَآءُۖ وَإِلَيۡهِ تُقۡلَبُونَ
Manafay izay sitrany izy, ary mamindra-fo amin’izay sitrany, ary any Aminy no hamerenana anareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَآ أَنتُم بِمُعۡجِزِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فِي ٱلسَّمَآءِۖ وَمَا لَكُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ مِن وَلِيّٖ وَلَا نَصِيرٖ
Ary tsy afaka hanohitra ny heriny ianareo, na eto an-tany na any an-danitra, ary ianareo dia tsy hanana ankoatr’I Allah, na mpiahy na mpanavotra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَلِقَآئِهِۦٓ أُوْلَٰٓئِكَ يَئِسُواْ مِن رَّحۡمَتِي وَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary ireo izay tsy mino ireo fanambaran’I Allah sy ny fihaonana Aminy, izy ireny no diso fanantenana amin’ny famindram-poko. Ary izy ireny dia ahazo ny famaizana mamirifiry.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَمَا كَانَ جَوَابَ قَوۡمِهِۦٓ إِلَّآ أَن قَالُواْ ٱقۡتُلُوهُ أَوۡ حَرِّقُوهُ فَأَنجَىٰهُ ٱللَّهُ مِنَ ٱلنَّارِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy nilaza hoe : “Vonoinareo izy, na doronareo”. Nefa navotan’I Allah avy tamin’ilay afo izy. Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَ إِنَّمَا ٱتَّخَذۡتُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ أَوۡثَٰنٗا مَّوَدَّةَ بَيۡنِكُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ ثُمَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يَكۡفُرُ بَعۡضُكُم بِبَعۡضٖ وَيَلۡعَنُ بَعۡضُكُم بَعۡضٗا وَمَأۡوَىٰكُمُ ٱلنَّارُ وَمَا لَكُم مِّن نَّٰصِرِينَ
Ary niteny izy hoe : “Tena marina fa nandray ireo sampy ianareo, ankoatr’I Allah, ho fanamafisana ny fifankatiavana eo aminareo amin’ny fiainana eto an-tany. Avy eo, amin’ny Andro Fitsanganana, dia hifampitsipaka ny andaniny sy ny ankilany aminareo, ary hifanozona koa ny andaniny sy ny ankilany, ka ny Afobe no ho fonenanareo, ary tsy hanana mpanavotra ianareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ فَـَٔامَنَ لَهُۥ لُوطٞۘ وَقَالَ إِنِّي مُهَاجِرٌ إِلَىٰ رَبِّيٓۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Koa dia nino azy i Lota, ka niteny izy nanao hoe : “Marina fa izaho dia hifindra monina any amin’ny Tompoko, fa izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَوَهَبۡنَا لَهُۥٓ إِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَجَعَلۡنَا فِي ذُرِّيَّتِهِ ٱلنُّبُوَّةَ وَٱلۡكِتَٰبَ وَءَاتَيۡنَٰهُ أَجۡرَهُۥ فِي ٱلدُّنۡيَاۖ وَإِنَّهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ لَمِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Nomenay azy Isaaka sy Jakoba, ary napetrakay tamin’ny taranany ny faminaniana sy ny Boky. Ary natolotray ho azy ny valisoany eto an-tany, fa ny any ankoatra kosa dia ho anisan’ireo olon-kendry izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلُوطًا إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦٓ إِنَّكُمۡ لَتَأۡتُونَ ٱلۡفَٰحِشَةَ مَا سَبَقَكُم بِهَا مِنۡ أَحَدٖ مِّنَ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy nanao hoe : “Tena marina fa ianareo dia tena manao ny asa vetaveta izay tsy nisy na dia iray aza nialoha anareo tamin’izany teto amin’izao tontolo izao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَئِنَّكُمۡ لَتَأۡتُونَ ٱلرِّجَالَ وَتَقۡطَعُونَ ٱلسَّبِيلَ وَتَأۡتُونَ فِي نَادِيكُمُ ٱلۡمُنكَرَۖ فَمَا كَانَ جَوَابَ قَوۡمِهِۦٓ إِلَّآ أَن قَالُواْ ٱئۡتِنَا بِعَذَابِ ٱللَّهِ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Manao fahafinaretana ara-nofo amin’ny lahy samy lahy ve ianareo, Ary manao asan-jiolahy ianareo, Manao asa ratsy amin’ny toeram-pivorianareo ihany koa ianareo? ”Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy hoe : “Ataovy tonga aty aminay ny famaizan’i Allah, raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ رَبِّ ٱنصُرۡنِي عَلَى ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Niteny izy (Lota) hoe : “ Tompo ô ! Omeo fandresena aho amin’ny vahoaka mpanao asa fanimbana !”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَمَّا جَآءَتۡ رُسُلُنَآ إِبۡرَٰهِيمَ بِٱلۡبُشۡرَىٰ قَالُوٓاْ إِنَّا مُهۡلِكُوٓاْ أَهۡلِ هَٰذِهِ ٱلۡقَرۡيَةِۖ إِنَّ أَهۡلَهَا كَانُواْ ظَٰلِمِينَ
Ary rehefa tonga tao amin’i Abrahama ireo irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Izahay dia handringana ireo mponin’io tanàna io (tànanan’i Lota), satria ny mponina ao aminy dia tena mpanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ إِنَّ فِيهَا لُوطٗاۚ قَالُواْ نَحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَن فِيهَاۖ لَنُنَجِّيَنَّهُۥ وَأَهۡلَهُۥٓ إِلَّا ٱمۡرَأَتَهُۥ كَانَتۡ مِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Niteny izy : Nefa i Lota ange ao e !”. Namaly izy ireo nanao hoe : “ Fantatray tsara izay monina ao.Tena avotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay anisan’ireo ho ripaka”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَمَّآ أَن جَآءَتۡ رُسُلُنَا لُوطٗا سِيٓءَ بِهِمۡ وَضَاقَ بِهِمۡ ذَرۡعٗاۖ وَقَالُواْ لَا تَخَفۡ وَلَا تَحۡزَنۡ إِنَّا مُنَجُّوكَ وَأَهۡلَكَ إِلَّا ٱمۡرَأَتَكَ كَانَتۡ مِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Ary rehefa tonga tamin’i Lota ireo irakay (Anjely) dia nalahelo azy ireo izy, ary nahatsapa fa tsy afa-miaro azy ireo. Niteny taminy izy ireo hoe : “Aza matahotra ianao, ary aza malahelo...! Marina fa hanavotra anao sy ny fianakavianao izahay, afa-tsy ny vadinao izay anisan’ireo ho ripaka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّا مُنزِلُونَ عَلَىٰٓ أَهۡلِ هَٰذِهِ ٱلۡقَرۡيَةِ رِجۡزٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ بِمَا كَانُواْ يَفۡسُقُونَ
Halatsakay avy any an-danitra amin’ny mponin’ity tanàna ity ny famaizana nohon'ny asa ratsy izay nataon’izy ireo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَد تَّرَكۡنَا مِنۡهَآ ءَايَةَۢ بَيِّنَةٗ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ
Ary tena marina, fa namela famantarana mazava tao Izahay ho an’ireo vahoaka izay misaina .
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِلَىٰ مَدۡيَنَ أَخَاهُمۡ شُعَيۡبٗا فَقَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱرۡجُواْ ٱلۡيَوۡمَ ٱلۡأٓخِرَ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ
Toy izany koa ny amin’ireo Madiana ; (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Shoaimbo izay niteny tamin’izy ireo hoe : “Ô ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah ary manantenà ny andro farany, fa aza miely eto ambony tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلرَّجۡفَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دَارِهِمۡ جَٰثِمِينَ
Nefa noraisin’izy ireo ho mpandainga izy. Dia tonga namely azy ireo ny horohoron-tany mahery vaika, nony maraina, dia nitsirara tsy aman’aina tao amin’ny fonenany izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَعَادٗا وَثَمُودَاْ وَقَد تَّبَيَّنَ لَكُم مِّن مَّسَٰكِنِهِمۡۖ وَزَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَصَدَّهُمۡ عَنِ ٱلسَّبِيلِ وَكَانُواْ مُسۡتَبۡصِرِينَ
Torak’izany koa ireo vahoakan’i Andy sy Thamody. Hitanareo miharihary izany toeram-ponenan’izy ireo izany. Ny satana anefa dia nanatsara ny asan’izy ireo, ka nanakana azy ireo tamin’ny lala-mahitsy ; nefa izy ireo dia tao anatin’ny fahiratan-tsaina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَٰرُونَ وَفِرۡعَوۡنَ وَهَٰمَٰنَۖ وَلَقَدۡ جَآءَهُم مُّوسَىٰ بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَٱسۡتَكۡبَرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا كَانُواْ سَٰبِقِينَ
Toy izany ihany koa i Karona sy Faraona, ary Hamana. Nefa i Mosesy dia nitondra porofo tamin’izy ireo, dia mbola nanambony tena ihany izy ireo teto an-tany ka tsy afa-bela taminay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَكُلًّا أَخَذۡنَا بِذَنۢبِهِۦۖ فَمِنۡهُم مَّنۡ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِ حَاصِبٗا وَمِنۡهُم مَّنۡ أَخَذَتۡهُ ٱلصَّيۡحَةُ وَمِنۡهُم مَّنۡ خَسَفۡنَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ وَمِنۡهُم مَّنۡ أَغۡرَقۡنَاۚ وَمَا كَانَ ٱللَّهُ لِيَظۡلِمَهُمۡ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Noraisinay ny tsirairay araka ny fahotany, nisy tamin’izy ireo izay nandefasanay rivo-doza mahery vaika, tao izay azon’ny hiaka, nisy koa izay nasainay natelin’ny tany; ary tao ihany koa izay narendrikay. Kanefa tsy Allah velively no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo; fa ny tenany ihany no nanaovany ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَثَلُ ٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ أَوۡلِيَآءَ كَمَثَلِ ٱلۡعَنكَبُوتِ ٱتَّخَذَتۡ بَيۡتٗاۖ وَإِنَّ أَوۡهَنَ ٱلۡبُيُوتِ لَبَيۡتُ ٱلۡعَنكَبُوتِۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Ireo izay nandray mpiaro hafa ankoatr’I Allah dia mitovy amin’ny hala izay miantehitra amin’ny tranony. Marina fa ny trano tena marefo indrindra dia ny tranon-kala, raha toa ka mba fantatr’izy ireo !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ مِن شَيۡءٖۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Tena marina fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra hafa ivelany izay antsoin’izy ireo. Fa Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَتِلۡكَ ٱلۡأَمۡثَٰلُ نَضۡرِبُهَا لِلنَّاسِۖ وَمَا يَعۡقِلُهَآ إِلَّا ٱلۡعَٰلِمُونَ
Toy izany ireo fanoharana izay nasehonay tamin’ny olona, kanefa tsy misy afaka nisaintsaina izany afa-tsy ireo manam-pahaizana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
خَلَقَ ٱللَّهُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ
Nahary ireo lanitra sy tany tamim-pahamarinana I Allah. Marina fa ao anatin’izany dia misy porofo ho an’ireo mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱتۡلُ مَآ أُوحِيَ إِلَيۡكَ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَأَقِمِ ٱلصَّلَوٰةَۖ إِنَّ ٱلصَّلَوٰةَ تَنۡهَىٰ عَنِ ٱلۡفَحۡشَآءِ وَٱلۡمُنكَرِۗ وَلَذِكۡرُ ٱللَّهِ أَكۡبَرُۗ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا تَصۡنَعُونَ
Tanisao izay nambara taminao avy amin’ny Boky, ary tanteraho ny vavaka (soalat). Tena marina fa ny vavaka (soalat) dia manakana amin’ny asa vetaveta sy ny asa ratsy. Fa ny fahatsiarovana an’I Allah no tena lehibe indrindra. Ary Allah dia mahafantatra izay ataonareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَلَا تُجَٰدِلُوٓاْ أَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ إِلَّا بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُ إِلَّا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ مِنۡهُمۡۖ وَقُولُوٓاْ ءَامَنَّا بِٱلَّذِيٓ أُنزِلَ إِلَيۡنَا وَأُنزِلَ إِلَيۡكُمۡ وَإِلَٰهُنَا وَإِلَٰهُكُمۡ وَٰحِدٞ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُسۡلِمُونَ
Ary aza miady hevitra amin’ireo olon’ny Boky ianareo, raha tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, afa-tsy izay manao ny tsy rariny amin’izy ireo, ary teneno hoe : “Izahay dia mino izay nampidinina taminay sy izay nampidinina taminareo, ary ny Zanaharinay sy ny Zanaharinareo dia iray ihany. Ary izahay dia manetry tena eo Aminy”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَكَذَٰلِكَ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَۚ فَٱلَّذِينَ ءَاتَيۡنَٰهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ يُؤۡمِنُونَ بِهِۦۖ وَمِنۡ هَٰٓؤُلَآءِ مَن يُؤۡمِنُ بِهِۦۚ وَمَا يَجۡحَدُ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَّا ٱلۡكَٰفِرُونَ
Ary toy izany no nampidinanay taminao ny Boky Kor’any. Fa ireo izay nomenay ny Boky dia mino izany. Ary misy amin’izy ireny (arabo) ihany koa no mino izany. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay tsy mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا كُنتَ تَتۡلُواْ مِن قَبۡلِهِۦ مِن كِتَٰبٖ وَلَا تَخُطُّهُۥ بِيَمِينِكَۖ إِذٗا لَّٱرۡتَابَ ٱلۡمُبۡطِلُونَ
Ary ianao dia tsy mba namaky na boky iray aza talohan’izany, ary tsy mba nanoratra izany koa tamin’ny tànanao havanana. Raha tsy izany, dia nanana fisalasalana ireo izay mitsipaka ny fahamarinana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بَلۡ هُوَ ءَايَٰتُۢ بَيِّنَٰتٞ فِي صُدُورِ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَۚ وَمَا يَجۡحَدُ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَّا ٱلظَّٰلِمُونَ
Mifototra amin’ny andian-teny mazava anefa izany (Kor’any), izay ao anatin’ny fon’ireo nomena fahalalana. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay mpanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ ءَايَٰتٞ مِّن رَّبِّهِۦۚ قُلۡ إِنَّمَا ٱلۡأٓيَٰتُ عِندَ ٱللَّهِ وَإِنَّمَآ أَنَا۠ نَذِيرٞ مُّبِينٌ
Ary miteny izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy ny fahagagana maro izay avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Ireo fahagagana dia eo anatrehan’i Allah. Ary tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina miharihary”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَوَلَمۡ يَكۡفِهِمۡ أَنَّآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ يُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَرَحۡمَةٗ وَذِكۡرَىٰ لِقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Moa tsy ampy azy ireo ve, fa nampidina taminao ny Boky Izahay izay novakiana tamin’izy ireo ? Tena marina fa amin’izany dia misy famindram-pò sy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka izay mino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ كَفَىٰ بِٱللَّهِ بَيۡنِي وَبَيۡنَكُمۡ شَهِيدٗاۖ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱلۡبَٰطِلِ وَكَفَرُواْ بِٱللَّهِ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Teneno hoe : “Fa Allah dia ampy ho vavolombelona manelanelana ahy sy ianareo”. Mahafantatra izay ao amin’ireo lanitra sy ety an-tany Izy. Ary ireo izay mino ny diso nefa tsy mino an’i Allah, izy ireny dia ho maty antoka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَيَسۡتَعۡجِلُونَكَ بِٱلۡعَذَابِ وَلَوۡلَآ أَجَلٞ مُّسَمّٗى لَّجَآءَهُمُ ٱلۡعَذَابُۚ وَلَيَأۡتِيَنَّهُم بَغۡتَةٗ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Ary mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Raha tsy efa nisy fe-potoana voafetra, dia efa tonga tamin’izy ireo ny famaizana. Ary tena ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ka tsy ho tsapan’izy ireo akory.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَسۡتَعۡجِلُونَكَ بِٱلۡعَذَابِ وَإِنَّ جَهَنَّمَ لَمُحِيطَةُۢ بِٱلۡكَٰفِرِينَ
Mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Kanefa ny tena marina, dia ny Afobe no mihodidina amin’ireo tsy mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ يَغۡشَىٰهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِن فَوۡقِهِمۡ وَمِن تَحۡتِ أَرۡجُلِهِمۡ وَيَقُولُ ذُوقُواْ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Amin’ny andro izay handrakofan’ny famaizana amin'izy ireo, avy eny ambonin’izy ireo sy eny ambanin’ny tongotr’izy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hoe : “Andramanareo izay nataonareo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰعِبَادِيَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِنَّ أَرۡضِي وَٰسِعَةٞ فَإِيَّٰيَ فَٱعۡبُدُونِ
Ô ry Mpanompoko izay nino ! Tena marina fa ny taniko dia midadasika. Ka aoka Izaho irery ihany no ho tompoinareo !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كُلُّ نَفۡسٖ ذَآئِقَةُ ٱلۡمَوۡتِۖ ثُمَّ إِلَيۡنَا تُرۡجَعُونَ
Ny manan’aina rehetra dia samy hanandrana ny fahafatesana. Avy eo, atỳ Aminay no hamerenana anareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَنُبَوِّئَنَّهُم مِّنَ ٱلۡجَنَّةِ غُرَفٗا تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ نِعۡمَ أَجۡرُ ٱلۡعَٰمِلِينَ
Ka ireo izay mino sy manao ny asa soa, dia tena hapetrakay eo ambony rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tena valisoa tsara tokoa ny an’ireo mpanao ny asa tsara,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ
Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَكَأَيِّن مِّن دَآبَّةٖ لَّا تَحۡمِلُ رِزۡقَهَا ٱللَّهُ يَرۡزُقُهَا وَإِيَّاكُمۡۚ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Firifiry moa ireo biby izay tsy miandraikitra akory ny anjara sakafony ! Fa Allah no manome anjara sakafo ho azy ireo, ary ho anareo koa. Ary Izy dia Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَسَخَّرَ ٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَ لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۖ فَأَنَّىٰ يُؤۡفَكُونَ
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany, mandrindra ny masoandro sy ny volana ? ”. Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah”. Ka nahoana àry no mivily làlana izy ireo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱللَّهُ يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦ وَيَقۡدِرُ لَهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ
Allah no manome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra izany ihany koa eo aminy. Tena marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّن نَّزَّلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَحۡيَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ مِنۢ بَعۡدِ مَوۡتِهَا لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۚ قُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡقِلُونَ
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nampidina ny rano avy eny an-danitra, ka namelona avy amin’ny alalan’izany ny tany taorian’ny fahafatesany ?” Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah.” Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah.” Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا هَٰذِهِ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَآ إِلَّا لَهۡوٞ وَلَعِبٞۚ وَإِنَّ ٱلدَّارَ ٱلۡأٓخِرَةَ لَهِيَ ٱلۡحَيَوَانُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Ary tsy inona ity fiainana eto an-tany ity, afa-tsy fialam-boly sy kilalao fotsiny ihany. Fa ny tena marina dia, ny fonenana any an-koatra no tena fiainana. Raha mba mahafantatra izy ireo !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَإِذَا رَكِبُواْ فِي ٱلۡفُلۡكِ دَعَوُاْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ فَلَمَّا نَجَّىٰهُمۡ إِلَى ٱلۡبَرِّ إِذَا هُمۡ يُشۡرِكُونَ
Rehefa nitaingina tao anatin’ny sambo izy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia indro izy ireo fa manakambana Azy amin’ny zavatra hafa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لِيَكۡفُرُواْ بِمَآ ءَاتَيۡنَٰهُمۡ وَلِيَتَمَتَّعُواْۚ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ
Mba tsy hankasitraka amin’izay nomenay azy izy ireo, koa aoka hifaly izy ireo (amin’ny hasoavana eto an-tany) ! Ka ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّا جَعَلۡنَا حَرَمًا ءَامِنٗا وَيُتَخَطَّفُ ٱلنَّاسُ مِنۡ حَوۡلِهِمۡۚ أَفَبِٱلۡبَٰطِلِ يُؤۡمِنُونَ وَبِنِعۡمَةِ ٱللَّهِ يَكۡفُرُونَ
Tsy hitan’izy ireo ve, fa nanao toerana masina sy azo azo antoka izahay (Makka), nefa esorina ireo olona manodidina azy ireo ? Moa ve ny hadisoana no hinoan’izy ireo ka ny hasoavan’i Allah no lavin’izy ireo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَوۡ كَذَّبَ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُۥٓۚ أَلَيۡسَ فِي جَهَنَّمَ مَثۡوٗى لِّلۡكَٰفِرِينَ
Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay famoronan-dainga mahakasila an’i Allah, na koa milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy ? Moa ve tsy any amin’ny Afobe no fonenan’ireo tsy mpino ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ جَٰهَدُواْ فِينَا لَنَهۡدِيَنَّهُمۡ سُبُلَنَاۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَمَعَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Ary ho an’ireo izay nanao fiezahana momba anay dia hotarihanay amin’ny làlanay izy ireo, ary marina fa Allah dia tena miaraka amin’ireo mpanao asa fanasoavana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আনকাবূত
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ