Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ   আয়াত:
فَٱنقَلَبُواْ بِنِعۡمَةٖ مِّنَ ٱللَّهِ وَفَضۡلٖ لَّمۡ يَمۡسَسۡهُمۡ سُوٓءٞ وَٱتَّبَعُواْ رِضۡوَٰنَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ ذُو فَضۡلٍ عَظِيمٍ
Niverina izy ireo mbamin’ny fahasoavana avy amin’i Allah sy ny tombontsoa. Tsy misy ratsy nanjò azy ireo, ary nanaraka izay nahafapo an’i Allah izy ireo. Ary i Allah dia Tompom-pahasoavana lehibe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّمَا ذَٰلِكُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ يُخَوِّفُ أَوۡلِيَآءَهُۥ فَلَا تَخَافُوهُمۡ وَخَافُونِ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Tena marina fa ny satana no mampatahotra Anareo amin’ireo sakaizany, ka aza matahotra azy ireo Ianareo, fa Izaho no Atahorinareo, raha tena mpino tokoa Ianareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا يَحۡزُنكَ ٱلَّذِينَ يُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡكُفۡرِۚ إِنَّهُمۡ لَن يَضُرُّواْ ٱللَّهَ شَيۡـٔٗاۚ يُرِيدُ ٱللَّهُ أَلَّا يَجۡعَلَ لَهُمۡ حَظّٗا فِي ٱلۡأٓخِرَةِۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ary aza atao mampalahelo Anao, ireo izay mihazakazaka mankany amin’ny tsy finoana. Tena marina fa izy ireo dia tsy afaka hanao ratsy amin’i Allah na dia kely aza. Tian’i Allah ny tsy hahazoan’izy ireo anjara mihitsy amin’ny Andro farany. Ary ho azy ireo ny famaizana lehibe indrindra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ٱشۡتَرَوُاْ ٱلۡكُفۡرَ بِٱلۡإِيمَٰنِ لَن يَضُرُّواْ ٱللَّهَ شَيۡـٔٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Tena marina fa ireo izay nanakalo ny tsy finoana amin’ny finoana, dia tsy havita hanao ratsy amin’i Allah na dia kely aza. Ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا يَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَنَّمَا نُمۡلِي لَهُمۡ خَيۡرٞ لِّأَنفُسِهِمۡۚ إِنَّمَا نُمۡلِي لَهُمۡ لِيَزۡدَادُوٓاْ إِثۡمٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ مُّهِينٞ
Ary aza mieritreritra ireo izay tsy nino, fa ny fe-potoana nomenay azy ireo dia tsara ho azy ireo. Tena marina fa nomenay fe-potoana izy ireo, mba hampitomboan’izy ireo ny fahotany. Ary ho azy ireo ny famaizana mahafa-baraka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَّا كَانَ ٱللَّهُ لِيَذَرَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ عَلَىٰ مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ حَتَّىٰ يَمِيزَ ٱلۡخَبِيثَ مِنَ ٱلطَّيِّبِۗ وَمَا كَانَ ٱللَّهُ لِيُطۡلِعَكُمۡ عَلَى ٱلۡغَيۡبِ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَجۡتَبِي مِن رُّسُلِهِۦ مَن يَشَآءُۖ فَـَٔامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦۚ وَإِن تُؤۡمِنُواْ وَتَتَّقُواْ فَلَكُمۡ أَجۡرٌ عَظِيمٞ
Allah dia tsy hamela ireo mpino, eo amin’ny toerana misy Anareo amin’izao, mandra-panavahany ny ratsy amin’ny tsara. Ary i Allah dia tsy hampiseho Aminareo izay miafina. Ka nefa i Allah dia mitady amin’ireo Irany izay sitrany. Minoa àry an’i Allah sy ireo Irany Ianareo. Fa raha mino Ianareo sy manam-patahorana, dia ho Anareo ny valisoa lehibe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا يَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ يَبۡخَلُونَ بِمَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦ هُوَ خَيۡرٗا لَّهُمۖ بَلۡ هُوَ شَرّٞ لَّهُمۡۖ سَيُطَوَّقُونَ مَا بَخِلُواْ بِهِۦ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ وَلِلَّهِ مِيرَٰثُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٞ
Ary aza mieritreritra ireo izay mahihitra amin’izay nomen’i Allah azy ireo tamin’ny fahasoavany fa hoe tsara ho azy ireo izany. Tsia ! Ratsy ho azy ireo izany satria ho fatorana amin’ny tendany [59] izy ireo amin’izay notazoniny nohon'ny fahihirany, amin'ny andron’ny fitsanganana. Ary an’i Allah ny fandovana ireo lanitra sy ny tany. Ary i Allah no tena mahafantatra izay ataonareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ