Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মুল্ক   আয়াত:
وَأَسِرُّواْ قَوۡلَكُمۡ أَوِ ٱجۡهَرُواْ بِهِۦٓۖ إِنَّهُۥ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Na afeninareo aza ny teninareo na avoakanareo dia fantany tsara izay raiketin'ny fo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَلَا يَعۡلَمُ مَنۡ خَلَقَ وَهُوَ ٱللَّطِيفُ ٱلۡخَبِيرُ
Tsy ho fantany va izay namboariny kanefa dia Izy no Ilay feno fahamoram-po, Ilay tena mahafantatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
هُوَ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ ذَلُولٗا فَٱمۡشُواْ فِي مَنَاكِبِهَا وَكُلُواْ مِن رِّزۡقِهِۦۖ وَإِلَيۡهِ ٱلنُّشُورُ
Izy no nametraka ny tany ho anareo koa tetezo ary ny fivelarany. Ary mihinàna amin'izay anjaram-pivelomana nomeny anareo. Fa ho any Aminy ny fitsanganana amin'ny maty.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ءَأَمِنتُم مَّن فِي ٱلسَّمَآءِ أَن يَخۡسِفَ بِكُمُ ٱلۡأَرۡضَ فَإِذَا هِيَ تَمُورُ
Voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandentika anareo amin'ny tany va ianareo? Ary indro fa efa mihovitrovitra Izy!
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمۡ أَمِنتُم مَّن فِي ٱلسَّمَآءِ أَن يُرۡسِلَ عَلَيۡكُمۡ حَاصِبٗاۖ فَسَتَعۡلَمُونَ كَيۡفَ نَذِيرِ
Sa voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandefa tafio-bato aminareo ? Ary ho fantatrao amin'izany, ahoana ny fampitandremana avy aty Amiko.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ كَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ فَكَيۡفَ كَانَ نَكِيرِ
Nilaza izany ho lainga ireo talohan'izy ireo. Nanao ahoana ary ny fanakianako (famaizana)!
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَى ٱلطَّيۡرِ فَوۡقَهُمۡ صَٰٓفَّٰتٖ وَيَقۡبِضۡنَۚ مَا يُمۡسِكُهُنَّ إِلَّا ٱلرَّحۡمَٰنُۚ إِنَّهُۥ بِكُلِّ شَيۡءِۭ بَصِيرٌ
Tsy hitan'izy ireo va ireo voro-manidina eo amboniny, izay mamelatra sy manakombona ny elany? Ilay be fiantrana ihany no mihazona azy ireny, fa mahita ny zavatra rehetra tokoa Izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمَّنۡ هَٰذَا ٱلَّذِي هُوَ جُندٞ لَّكُمۡ يَنصُرُكُم مِّن دُونِ ٱلرَّحۡمَٰنِۚ إِنِ ٱلۡكَٰفِرُونَ إِلَّا فِي غُرُورٍ
Iza no hanangana tafika ho anareo, hamonjy anareo, ankoatran'ilay be fiantrana? Hamafisina, fa ao anatin'ny hadisoam-pahitana tanteraka ireo tsy mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمَّنۡ هَٰذَا ٱلَّذِي يَرۡزُقُكُمۡ إِنۡ أَمۡسَكَ رِزۡقَهُۥۚ بَل لَّجُّواْ فِي عُتُوّٖ وَنُفُورٍ
Na koa iza no hanome anjaram-pivelomana anareo, raha mitsahatra tsy manome izany Izy ? Saingy mikiry amin'ny famingavingana sy ny fankahalana izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَفَمَن يَمۡشِي مُكِبًّا عَلَىٰ وَجۡهِهِۦٓ أَهۡدَىٰٓ أَمَّن يَمۡشِي سَوِيًّا عَلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Iza àry no tena voatari-dalana? Izay mandeha miondrika amin'ny tany va sa izay mandeha mitraka amin'ny lalana mahitsy?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنشَأَكُمۡ وَجَعَلَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَۚ قَلِيلٗا مَّا تَشۡكُرُونَ
Dia lazao hoe: "Izy no nahary anareo, ka nanome anareo ny fandrenesana, ny fahitana sy ny fo". Nefa zara raha mankasitraka ianareo!
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ هُوَ ٱلَّذِي ذَرَأَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَإِلَيۡهِ تُحۡشَرُونَ
Ary lazao hoe : "Izy no nanaparitaka anareo teto an-tany, ary any Aminy no hanangonana anareo."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ إِنَّمَا ٱلۡعِلۡمُ عِندَ ٱللَّهِ وَإِنَّمَآ أَنَا۠ نَذِيرٞ مُّبِينٞ
Valio hoe : "An'I Allah irery ny fahalalana ny amin'izany. Fa izaho dia mpampitandrina mazava ihany no anjarako."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মুল্ক
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ