Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আ'ৰাফ   আয়াত:
قَالَ مَا مَنَعَكَ أَلَّا تَسۡجُدَ إِذۡ أَمَرۡتُكَۖ قَالَ أَنَا۠ خَيۡرٞ مِّنۡهُ خَلَقۡتَنِي مِن نَّارٖ وَخَلَقۡتَهُۥ مِن طِينٖ
Niteny Izy nanao hoe : “Inona no nanakana anao tsy niankohoka rehefa nodidiako?” Niteny izy hoe : “Izaho dia tsara kokoa noho izy, noharianao tamin’ny afo aho ary izy kosa noharianao avy tamin’ny tany manga”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ فَٱهۡبِطۡ مِنۡهَا فَمَا يَكُونُ لَكَ أَن تَتَكَبَّرَ فِيهَا فَٱخۡرُجۡ إِنَّكَ مِنَ ٱلصَّٰغِرِينَ
Niteny Izy (Allah) hoe : “Midìna avy ao ianao. Tsy zonao atao ny manambony tena ao, ka mivoaha haingana ianao, fa ianao dia anisan’ireo ahetry”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ أَنظِرۡنِيٓ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ
Niteny izy (Satana) nanao hoe : “Omeo fe-potoana aho mandra-pahatongan’ny andro izay hananganana azy ireo amin’ny maty”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ إِنَّكَ مِنَ ٱلۡمُنظَرِينَ
Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Ianao dia anisan’ireo nomena fe-potoana”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ فَبِمَآ أَغۡوَيۡتَنِي لَأَقۡعُدَنَّ لَهُمۡ صِرَٰطَكَ ٱلۡمُسۡتَقِيمَ
Niteny izy (Satana) nanao hoe : “Nohon'ny namerezanao ahy dia tena hipetraka amin’ny lala-mahitsinao aho mba hanakanako azy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثُمَّ لَأٓتِيَنَّهُم مِّنۢ بَيۡنِ أَيۡدِيهِمۡ وَمِنۡ خَلۡفِهِمۡ وَعَنۡ أَيۡمَٰنِهِمۡ وَعَن شَمَآئِلِهِمۡۖ وَلَا تَجِدُ أَكۡثَرَهُمۡ شَٰكِرِينَ
Avy eo, dia tena ho tonga amin’izy ireo aho avy eo alohany, avy ao aoriany, avy eo ankavanany, avy eo ankaviany, ary tsy ho hitanao ho mpankasitraka ny ankamaroan’izy ireo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ ٱخۡرُجۡ مِنۡهَا مَذۡءُومٗا مَّدۡحُورٗاۖ لَّمَن تَبِعَكَ مِنۡهُمۡ لَأَمۡلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنكُمۡ أَجۡمَعِينَ
Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Mivoaha avy ao ianao, fa voasesi-tany sy voahozona ! N'iza n'iza manaraka anao amin’izy ireo dia tena ho fenoiko anareo rehetra ny Afobe”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَيَٰٓـَٔادَمُ ٱسۡكُنۡ أَنتَ وَزَوۡجُكَ ٱلۡجَنَّةَ فَكُلَا مِنۡ حَيۡثُ شِئۡتُمَا وَلَا تَقۡرَبَا هَٰذِهِ ٱلشَّجَرَةَ فَتَكُونَا مِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary niteny Izahay nanao hoe : "Ry Adama ! Mitoera ao amin'ny Paradisa ianao sy ny vadinao ary mihinàna am-piadanana amin'izay ao, araka ny sitraponareo, fa aza manakaiky kosa ity hazo ity fa ho lasa anisan'ireo mpanao ny tsy rariny ianareo raha manao izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَوَسۡوَسَ لَهُمَا ٱلشَّيۡطَٰنُ لِيُبۡدِيَ لَهُمَا مَا وُۥرِيَ عَنۡهُمَا مِن سَوۡءَٰتِهِمَا وَقَالَ مَا نَهَىٰكُمَا رَبُّكُمَا عَنۡ هَٰذِهِ ٱلشَّجَرَةِ إِلَّآ أَن تَكُونَا مَلَكَيۡنِ أَوۡ تَكُونَا مِنَ ٱلۡخَٰلِدِينَ
Ka nibitsibitsika sy nanelingelina azy i Satana, mba hanehoany tamin’izy ireo izay nafenina tamin’ny henatr’izy ireo, ary niteny izy nanao hoe : “Tsy nandrara anareo roa amin’io hazo io ny Tomponareo afa-tsy ny mba tsy hahatonga anareo roa ho lasa anjely na koa ho velona mandrakizay”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَاسَمَهُمَآ إِنِّي لَكُمَا لَمِنَ ٱلنَّٰصِحِينَ
Ary nianiana izy teo anatrehan’izy ireo nanao hoe : “Tena marina fa izaho dia anisan’ireo mpanolo-tsaina ho anareo roa”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَدَلَّىٰهُمَا بِغُرُورٖۚ فَلَمَّا ذَاقَا ٱلشَّجَرَةَ بَدَتۡ لَهُمَا سَوۡءَٰتُهُمَا وَطَفِقَا يَخۡصِفَانِ عَلَيۡهِمَا مِن وَرَقِ ٱلۡجَنَّةِۖ وَنَادَىٰهُمَا رَبُّهُمَآ أَلَمۡ أَنۡهَكُمَا عَن تِلۡكُمَا ٱلشَّجَرَةِ وَأَقُل لَّكُمَآ إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ لَكُمَا عَدُوّٞ مُّبِينٞ
Nalatsany tamin’ny alalan’ny fitaka izy ireo. Rehefa nanandrana ilay hazo izy ireo dia niharihary taminy ny fitanjahan’izy ireo, ary teo dia nanomboka nanakona ny fitanjahany tamin’ny ravin-kazon’ny Paradisa izy ireo. Avy eo dia niantso izy ireo ny Tompony nanao hoe : “Moa ve tsy nandrara anareo Aho tamin’io hazo io ? Ary moa ve tsy niteny taminareo Aho fa marina tokoa fa i Satana dia fahavalo miharihary ho anareo ?”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আ'ৰাফ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ