Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: নূহ   আয়াত:

Nouh

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦٓ أَنۡ أَنذِرۡ قَوۡمَكَ مِن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Nalefanay teo amin'ny vahoakan'i Noa : "Ilazao ny vahoakanao, mialohan'ny hiavian'ny famaizana mamirifiry amin'izy ireo."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ يَٰقَوۡمِ إِنِّي لَكُمۡ نَذِيرٞ مُّبِينٌ
Hoy izy : "Ry vahoakako ! Mpampitandrina mazava ho anareo tokoa aho."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱتَّقُوهُ وَأَطِيعُونِ
Koa aoka ianareo hanompo an'I Allah, matahora Azy ary mankatoava ahy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَغۡفِرۡ لَكُم مِّن ذُنُوبِكُمۡ وَيُؤَخِّرۡكُمۡ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمًّىۚ إِنَّ أَجَلَ ٱللَّهِ إِذَا جَآءَ لَا يُؤَخَّرُۚ لَوۡ كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Mba hamelany ny helokareo sy hanomezany fanemoram-potoana ho anareo, hatramin'ny fotoana voafetra. Saingy rehefa tonga ny fotoana noferan'I tompo Allah dia tsy ho azo ahemotra intsony izany, raha mba fantatrareo mantsy !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ رَبِّ إِنِّي دَعَوۡتُ قَوۡمِي لَيۡلٗا وَنَهَارٗا
Dia hoy izy : "Tompo o ! Niantso ny vahoakako andro aman'alina aho."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَمۡ يَزِدۡهُمۡ دُعَآءِيٓ إِلَّا فِرَارٗا
Kanefa tsy nampitombo afa-tsy ny fandosiran'izy ireo ny antsoko.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنِّي كُلَّمَا دَعَوۡتُهُمۡ لِتَغۡفِرَ لَهُمۡ جَعَلُوٓاْ أَصَٰبِعَهُمۡ فِيٓ ءَاذَانِهِمۡ وَٱسۡتَغۡشَوۡاْ ثِيَابَهُمۡ وَأَصَرُّواْ وَٱسۡتَكۡبَرُواْ ٱسۡتِكۡبَارٗا
Ary isaky ny miantso azy ireo aho, mba hamelanao ny helony, dia nataon'izy ireo teo amin'ny sofiny ny rantsan-tanany, ary nasarony tamin'ny akanjony, be di-doha sady feno fanamboniantena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثُمَّ إِنِّي دَعَوۡتُهُمۡ جِهَارٗا
Avy eo dia nantsoiko an-karihary izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثُمَّ إِنِّيٓ أَعۡلَنتُ لَهُمۡ وَأَسۡرَرۡتُ لَهُمۡ إِسۡرَارٗا
Avy eo nanaovako fanambarana ampahibemaso (izy ireo), sy bitsika miafina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَقُلۡتُ ٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ إِنَّهُۥ كَانَ غَفَّارٗا
Ka hoy aho : "Mangataha famelan-keloka amin'ny Tomponareo ianareo, fa Mpamela heloka tokoa Izy."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يُرۡسِلِ ٱلسَّمَآءَ عَلَيۡكُم مِّدۡرَارٗا
Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَيُمۡدِدۡكُم بِأَمۡوَٰلٖ وَبَنِينَ وَيَجۡعَل لَّكُمۡ جَنَّٰتٖ وَيَجۡعَل لَّكُمۡ أَنۡهَٰرٗا
Sy hampitomboiny ny harena sy ireo taranaka ho anareo, ary hanomezany anareo zaridaina sy renirano.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَّا لَكُمۡ لَا تَرۡجُونَ لِلَّهِ وَقَارٗا
Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَدۡ خَلَقَكُمۡ أَطۡوَارًا
Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَلَمۡ تَرَوۡاْ كَيۡفَ خَلَقَ ٱللَّهُ سَبۡعَ سَمَٰوَٰتٖ طِبَاقٗا
Tsy hitanareo va ny naharian'I Allah ny lanitra fito mifanaingina ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَجَعَلَ ٱلۡقَمَرَ فِيهِنَّ نُورٗا وَجَعَلَ ٱلشَّمۡسَ سِرَاجٗا
Sy ny nanaovany ny volana ho hazavana, ary ny masoandro ho fanilo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱللَّهُ أَنۢبَتَكُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ نَبَاتٗا
Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثُمَّ يُعِيدُكُمۡ فِيهَا وَيُخۡرِجُكُمۡ إِخۡرَاجٗا
Avy eo dia averina ao ianareo ary havoakany avy ao indray.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ بِسَاطٗا
Fa i tompo Allah no nanao ny tany ho lamaka ho anareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لِّتَسۡلُكُواْ مِنۡهَا سُبُلٗا فِجَاجٗا
Mba hizoranareo amin'ny lalana malalaka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ نُوحٞ رَّبِّ إِنَّهُمۡ عَصَوۡنِي وَٱتَّبَعُواْ مَن لَّمۡ يَزِدۡهُ مَالُهُۥ وَوَلَدُهُۥٓ إِلَّا خَسَارٗا
Hoy i Noa : "Tompo o ! Tsy nankato ahy izy ireo, fa nanaraka ilay nitombo fatiantoka nohon'ny fananany sy ireo zanany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَكَرُواْ مَكۡرٗا كُبَّارٗا
Ary nanomana tetika goavana izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ لَا تَذَرُنَّ ءَالِهَتَكُمۡ وَلَا تَذَرُنَّ وَدّٗا وَلَا سُوَاعٗا وَلَا يَغُوثَ وَيَعُوقَ وَنَسۡرٗا
Ary niteny izy ireo hoe : "Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy "wadd", "sowa'a", "yaghouth", "ya'ouq" ary "nasr" na oviana na oviana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَدۡ أَضَلُّواْ كَثِيرٗاۖ وَلَا تَزِدِ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا ضَلَٰلٗا
Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مِّمَّا خَطِيٓـَٰٔتِهِمۡ أُغۡرِقُواْ فَأُدۡخِلُواْ نَارٗا فَلَمۡ يَجِدُواْ لَهُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ أَنصَارٗا
Rendrika izy ireo nohon'ny hadisoany, avy eo nampidirina tao anaty afo, ka tsy nahita mpamonjy ankoatran'i tompo Allah anefa izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَ نُوحٞ رَّبِّ لَا تَذَرۡ عَلَى ٱلۡأَرۡضِ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ دَيَّارًا
Ka hoy i Noa : "Tompo o ! Aza avelanao hisy olona tsy mpino na dia iray aza eto an-tany."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّكَ إِن تَذَرۡهُمۡ يُضِلُّواْ عِبَادَكَ وَلَا يَلِدُوٓاْ إِلَّا فَاجِرٗا كَفَّارٗا
Fa raha avelanao izy ireo dia hamery lalana ireo mpanomponao, ka tsy hiteraka afa-tsy ny mpanota no sady tsy mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
رَّبِّ ٱغۡفِرۡ لِي وَلِوَٰلِدَيَّ وَلِمَن دَخَلَ بَيۡتِيَ مُؤۡمِنٗا وَلِلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۖ وَلَا تَزِدِ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا تَبَارَۢا
Tompo o ! Mamelà ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny".
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: নূহ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ