Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আনফাল   আয়াত:
إِذۡ تَسۡتَغِيثُونَ رَبَّكُمۡ فَٱسۡتَجَابَ لَكُمۡ أَنِّي مُمِدُّكُم بِأَلۡفٖ مِّنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ مُرۡدِفِينَ
Raha nangataka vonjy tamin’ny Tomponareo ianareo dia namaly anareo izy hoe : Izaho dia handefa aminareo ireo anjely anarivony mifanesy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا جَعَلَهُ ٱللَّهُ إِلَّا بُشۡرَىٰ وَلِتَطۡمَئِنَّ بِهِۦ قُلُوبُكُمۡۚ وَمَا ٱلنَّصۡرُ إِلَّا مِنۡ عِندِ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ary tsy nataon’I Allah izany afa-tsy filazana vaovao mahafaly, ary hampitony tokoa ny fonareo amin’ny alalany izany, tsy misy fandresena raha tsy avy amin’I Allah. Tena marina fa Allah Ilay Mahery sy be fahendrena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِذۡ يُغَشِّيكُمُ ٱلنُّعَاسَ أَمَنَةٗ مِّنۡهُ وَيُنَزِّلُ عَلَيۡكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ لِّيُطَهِّرَكُم بِهِۦ وَيُذۡهِبَ عَنكُمۡ رِجۡزَ ٱلشَّيۡطَٰنِ وَلِيَرۡبِطَ عَلَىٰ قُلُوبِكُمۡ وَيُثَبِّتَ بِهِ ٱلۡأَقۡدَامَ
Raha nosaronan'I Allah tao anaty torimaso ianareo dia fampitoniana avy Aminy ho anareo izany, ary hampidina rano avy any an-danitra ho anareo Izy mba hanadiovany anareo avy amin’izany, ary hanala eo aminareo ny loton’i satana Izy, “Mba hankahery ny fonareo sy hanamafy orina ny famindranareo."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِذۡ يُوحِي رَبُّكَ إِلَى ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ أَنِّي مَعَكُمۡ فَثَبِّتُواْ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْۚ سَأُلۡقِي فِي قُلُوبِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلرُّعۡبَ فَٱضۡرِبُواْ فَوۡقَ ٱلۡأَعۡنَاقِ وَٱضۡرِبُواْ مِنۡهُمۡ كُلَّ بَنَانٖ
Raha nandefa fanambarana tamin’ireo anjely ny Tomponao : “Izaho dia miaraka aminareo tanteraka ka ankaherezo ireo izay nino, atsipiko ao anaty fon’ireo tsy nino ny fatahorana, koa kapohy eo ambonin’ny hatok’izy ireo na veleso amin’izy ireo ny tendron-tànany rehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ شَآقُّواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥۚ وَمَن يُشَاقِقِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَإِنَّ ٱللَّهَ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ
Izany, satria dia tena tsy nankato an’I Allah sy ny Irany izy ireo! fa izay tsy nankato an’I Allah sy ny Irany; Allah dia tena mafy sazy !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ذَٰلِكُمۡ فَذُوقُوهُ وَأَنَّ لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابَ ٱلنَّارِ
Izany ka handramano ho an’ireo tsy mpino àry ny famaizana amin’ny afobe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا لَقِيتُمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ زَحۡفٗا فَلَا تُوَلُّوهُمُ ٱلۡأَدۡبَارَ
O ianareo izay mino, rehefa mifanojo amin’ireo izay tsy mino miatrika ady aminareo ianareo dia aza mitodi-damosina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَن يُوَلِّهِمۡ يَوۡمَئِذٖ دُبُرَهُۥٓ إِلَّا مُتَحَرِّفٗا لِّقِتَالٍ أَوۡ مُتَحَيِّزًا إِلَىٰ فِئَةٖ فَقَدۡ بَآءَ بِغَضَبٖ مِّنَ ٱللَّهِ وَمَأۡوَىٰهُ جَهَنَّمُۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Ary ireo izay mitodi-damosina amin’izany andro izany, afa-tsy fanomanana tetik’ady na hifandray amin’ny andiany hafa dia: hiaran’ny hatezeran’I Allah ary ny afobe no fialofany, tena ratsy izany fiafarany izany !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আনফাল
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ