Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Al-Isrā’   Ayah:
مَّن كَانَ يُرِيدُ ٱلۡعَاجِلَةَ عَجَّلۡنَا لَهُۥ فِيهَا مَا نَشَآءُ لِمَن نُّرِيدُ ثُمَّ جَعَلۡنَا لَهُۥ جَهَنَّمَ يَصۡلَىٰهَا مَذۡمُومٗا مَّدۡحُورٗا
N'iza n'iza maniry ny haingana (ny fiainany eto an-tany), dia hafainganinay ho azy izay sitrakay amin’izay tianay. Avy eo dia hataonay ho azy ny afobe, ka hiditra ao izy, voaheso sy voatositosika.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَنۡ أَرَادَ ٱلۡأٓخِرَةَ وَسَعَىٰ لَهَا سَعۡيَهَا وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَأُوْلَٰٓئِكَ كَانَ سَعۡيُهُم مَّشۡكُورٗا
Ary n'iza n'iza maniry ny any ankoatra sy miezaka mankany amin’izany no sady mpino,ny ezak’izy ireny dia hankasitrahana.
Arabic explanations of the Qur’an:
كُلّٗا نُّمِدُّ هَٰٓؤُلَآءِ وَهَٰٓؤُلَآءِ مِنۡ عَطَآءِ رَبِّكَۚ وَمَا كَانَ عَطَآءُ رَبِّكَ مَحۡظُورًا
Ny tsirairay dia hampianay na ny andaniny na ny ankilany, amin’ny fanomezan’ny Tomponao. Ary tsy ho lavina (na amin’iza na amin’iza)ny fanomezana avy amin’ny Tomponao.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱنظُرۡ كَيۡفَ فَضَّلۡنَا بَعۡضَهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖۚ وَلَلۡأٓخِرَةُ أَكۡبَرُ دَرَجَٰتٖ وَأَكۡبَرُ تَفۡضِيلٗا
Jereo, fa ahoana àry ny fanomezanay tombony ny sasany amin’izy ireo mihoatra ny sasany hafa ! Ary ny any ankoatra dia ambony kokoa amin’ny laharana sy amin’ny fahamendrehana.
Arabic explanations of the Qur’an:
لَّا تَجۡعَلۡ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ فَتَقۡعُدَ مَذۡمُومٗا مَّخۡذُولٗا
Aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa raha tsy izany dia hipetraka ho voaheso sy hilaozana ianao.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ وَقَضَىٰ رَبُّكَ أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّآ إِيَّاهُ وَبِٱلۡوَٰلِدَيۡنِ إِحۡسَٰنًاۚ إِمَّا يَبۡلُغَنَّ عِندَكَ ٱلۡكِبَرَ أَحَدُهُمَآ أَوۡ كِلَاهُمَا فَلَا تَقُل لَّهُمَآ أُفّٖ وَلَا تَنۡهَرۡهُمَا وَقُل لَّهُمَا قَوۡلٗا كَرِيمٗا
Ary nandidy ny Tomponao nanao hoe : “Aza manompo afa-tsy Izy ihany ianareo ary manaova soa amin’ireo Ray aman-dreny. Raha tratran’ny fahanterany eo anatrehanao ny iray amin’izy ireo na izy roa mihitsy, dia aza miteny amin’izy ireo hoe : “Eisy !” ary aza mandrahona azy ireo ianao, fa mitenena amin’izy ireo teny feno fanajana.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَٱخۡفِضۡ لَهُمَا جَنَاحَ ٱلذُّلِّ مِنَ ٱلرَّحۡمَةِ وَقُل رَّبِّ ٱرۡحَمۡهُمَا كَمَا رَبَّيَانِي صَغِيرٗا
Ary milefera tanteraka amin’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny famindram-po ka mitenena hoe : “Tompo ô ! Mamindrà fo amin’izy roa ireo Ianao tahaka ny nitaizan’izy ireo ahy fony mbola kely”.
Arabic explanations of the Qur’an:
رَّبُّكُمۡ أَعۡلَمُ بِمَا فِي نُفُوسِكُمۡۚ إِن تَكُونُواْ صَٰلِحِينَ فَإِنَّهُۥ كَانَ لِلۡأَوَّٰبِينَ غَفُورٗا
Ny Tomponareo dia mahalala indrindra izay ao amin’ny tenanareo. Raha tsara fanahy ianareo, dia tena Mpamela heloka tokoa Izy ho an’ireo izay miverina (mibebaka) Aminy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَءَاتِ ذَا ٱلۡقُرۡبَىٰ حَقَّهُۥ وَٱلۡمِسۡكِينَ وَٱبۡنَ ٱلسَّبِيلِ وَلَا تُبَذِّرۡ تَبۡذِيرًا
Ary omeo ireo havana akaiky ny zony, ary koa ny mahantra sy ny mpandeha lavitra. Ary aza manao ny fandanindaniam-poana.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ ٱلۡمُبَذِّرِينَ كَانُوٓاْ إِخۡوَٰنَ ٱلشَّيَٰطِينِۖ وَكَانَ ٱلشَّيۡطَٰنُ لِرَبِّهِۦ كَفُورٗا
Marina fa ireo mpandanindany foana dia rahalahin’ireo satana ary ny satana dia tena mpandà ny Tompony.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Al-Isrā’
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close