Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān   Ayah:
وَإِذۡ أَخَذَ ٱللَّهُ مِيثَٰقَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ لَتُبَيِّنُنَّهُۥ لِلنَّاسِ وَلَا تَكۡتُمُونَهُۥ فَنَبَذُوهُ وَرَآءَ ظُهُورِهِمۡ وَٱشۡتَرَوۡاْ بِهِۦ ثَمَنٗا قَلِيلٗاۖ فَبِئۡسَ مَا يَشۡتَرُونَ
Ary raha nandray fanekena tamin’ireo izay nomena ny Boky Izy : “ Aoka Ianareo hanambara izany amin’ny Olombelona rehetra, ary tsy hanafina izany velively ”. Ka nefa nataon’izy ireo tao an-damosiny izany, sy namidiny tamin’ny vidiny ambany dia ambany. Ratsy dia ratsy izany varotra nataon’izy ireo izany !
Arabic explanations of the Qur’an:
لَا تَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ يَفۡرَحُونَ بِمَآ أَتَواْ وَّيُحِبُّونَ أَن يُحۡمَدُواْ بِمَا لَمۡ يَفۡعَلُواْ فَلَا تَحۡسَبَنَّهُم بِمَفَازَةٖ مِّنَ ٱلۡعَذَابِۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Aza mieritreritra Ianao, fa ireo izay faly amin’ny asa ratsy nataon’izy ireo, ary tian’izy ireo ny hoderaina amin’ny asa izay tsy nataon'izy ireo akory; aza mieritreritra mihitsy Ianao, fa izy ireo no ho avotra amin’ny famaizana; fa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry !
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ
An'i Allah irery ihany ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany, ary i Allah no mahefa ny zava-drehetra.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ فِي خَلۡقِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱخۡتِلَٰفِ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ لَأٓيَٰتٖ لِّأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Tena marina fa, tamin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro, dia tena feno famantarana ho an’ireo matsilo saina.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱلَّذِينَ يَذۡكُرُونَ ٱللَّهَ قِيَٰمٗا وَقُعُودٗا وَعَلَىٰ جُنُوبِهِمۡ وَيَتَفَكَّرُونَ فِي خَلۡقِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ رَبَّنَا مَا خَلَقۡتَ هَٰذَا بَٰطِلٗا سُبۡحَٰنَكَ فَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ
Ireo izay mahatsiaro Allah, am-pitsanganana, sy amin'ny fipetrahana, ary am-patoriana sy amin’ny ilan’izy ireo ary mandinika ny momban'ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany ka niteny izy ireny ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tsy noharianao tsy amin’ny antony izao (rehetra izao) ka Voninahitra anie ho Anao irery ! ka arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay”.
Arabic explanations of the Qur’an:
رَبَّنَآ إِنَّكَ مَن تُدۡخِلِ ٱلنَّارَ فَقَدۡ أَخۡزَيۡتَهُۥۖ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِنۡ أَنصَارٖ
Tomponay ô ! Tena marina fa, izay ampidirinao ao amin’ny Afobe, dia nalainao baraka tokoa, ary tsy misy mpanavotra ireo mpanao ny tsy rariny.
Arabic explanations of the Qur’an:
رَّبَّنَآ إِنَّنَا سَمِعۡنَا مُنَادِيٗا يُنَادِي لِلۡإِيمَٰنِ أَنۡ ءَامِنُواْ بِرَبِّكُمۡ فَـَٔامَنَّاۚ رَبَّنَا فَٱغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَا وَكَفِّرۡ عَنَّا سَيِّـَٔاتِنَا وَتَوَفَّنَا مَعَ ٱلۡأَبۡرَارِ
Tomponay ô ! Henonay tokoa ny mpiantso izay miantso ho amin’ny finoana ka nanao hoe : “ Minoa an’ny Tomponareo Ianareo ”. Dia nino tokoa Izahay. Tomponay ô ! Avelao ny helokay, fafao ny ratsy vitanay, ary ataovy ho faty miaraka amin’ireo Olona mendrika Izahay.
Arabic explanations of the Qur’an:
رَبَّنَا وَءَاتِنَا مَا وَعَدتَّنَا عَلَىٰ رُسُلِكَ وَلَا تُخۡزِنَا يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۖ إِنَّكَ لَا تُخۡلِفُ ٱلۡمِيعَادَ
Tomponay ô ! Omeo Anay izay nampanantenainao Anay, tamin’ny alalan’ireo Irakao. Ary aza alainao baraka Izahay amin’ny Andro farany, Andro ny fitsanganana satria tena marina tokoa fa Ianao dia tsy mba mivadika amin’ny fampanantenana.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close