Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Muhammad   Ayah:
وَيَقُولُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَوۡلَا نُزِّلَتۡ سُورَةٞۖ فَإِذَآ أُنزِلَتۡ سُورَةٞ مُّحۡكَمَةٞ وَذُكِرَ فِيهَا ٱلۡقِتَالُ رَأَيۡتَ ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ يَنظُرُونَ إِلَيۡكَ نَظَرَ ٱلۡمَغۡشِيِّ عَلَيۡهِ مِنَ ٱلۡمَوۡتِۖ فَأَوۡلَىٰ لَهُمۡ
Hoy ireo mpino : ‘’Indrisy ! Raha mba nisy antokon-tsoratra nidina mantsy !‘’ Kanefa raha vao midina amin’ny antokon-tsoratra mazava anankiray, ka voalaza ao anatin’izany ny resaka ady, dia hitanareo ireo manana areti-po fa hijery anao toy ny fijerin’olona ho torana eo anoloan’ny fahafatesana. Ho tsara kokoa ho azy ireo izany.
Arabic explanations of the Qur’an:
طَاعَةٞ وَقَوۡلٞ مَّعۡرُوفٞۚ فَإِذَا عَزَمَ ٱلۡأَمۡرُ فَلَوۡ صَدَقُواْ ٱللَّهَ لَكَانَ خَيۡرٗا لَّهُمۡ
Ny fankatoavana sy ny teny mendrika. Ary rehefa raikitra ny raharaha, dia tsara ho azy ireo tokoa ny mampiseho fahatsoram-po eo anatrehan’I Allah.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَهَلۡ عَسَيۡتُمۡ إِن تَوَلَّيۡتُمۡ أَن تُفۡسِدُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَتُقَطِّعُوٓاْ أَرۡحَامَكُمۡ
Moa va raha mitsipaka ianareo, dia tsy ahiana hampiely fanimbana ety an-tany, sy hanapaka ny fihavanana amin’ireo mpiray tampo aminareo ?
Arabic explanations of the Qur’an:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ لَعَنَهُمُ ٱللَّهُ فَأَصَمَّهُمۡ وَأَعۡمَىٰٓ أَبۡصَٰرَهُمۡ
Izy ireny no voahozon’I Allah, sy nataony marenina, ary jamba ihany koa ny fahitàny.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَفَلَا يَتَدَبَّرُونَ ٱلۡقُرۡءَانَ أَمۡ عَلَىٰ قُلُوبٍ أَقۡفَالُهَآ
Tsy mandinika ny Koroany va izy ireo ? Sa misy hidiny ny fon'izy ireo ?
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ٱرۡتَدُّواْ عَلَىٰٓ أَدۡبَٰرِهِم مِّنۢ بَعۡدِ مَا تَبَيَّنَ لَهُمُ ٱلۡهُدَى ٱلشَّيۡطَٰنُ سَوَّلَ لَهُمۡ وَأَمۡلَىٰ لَهُمۡ
Ireo izay niverin-dalana, rehefa avy naseho taminy ny lalana mahitsy, dia nobaboin’ny devoly ny fony, ary nofitahiny.
Arabic explanations of the Qur’an:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَالُواْ لِلَّذِينَ كَرِهُواْ مَا نَزَّلَ ٱللَّهُ سَنُطِيعُكُمۡ فِي بَعۡضِ ٱلۡأَمۡرِۖ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ إِسۡرَارَهُمۡ
Satria notenenin’izy ireo tamin’ireo nankahala ny fanambaran’I Allah hoe : “Hankato anareo amin’ny zavatra sasantsasany izahay.” Fantatr’I Allah anefa izay afenin’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَكَيۡفَ إِذَا تَوَفَّتۡهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَضۡرِبُونَ وُجُوهَهُمۡ وَأَدۡبَٰرَهُمۡ
Inona no ahazo azy ireo rehefa hamono azy ireo ny Anjely, ka hikapoka azy avy eo anoloany sy avy ao an-damosiny ?
Arabic explanations of the Qur’an:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمُ ٱتَّبَعُواْ مَآ أَسۡخَطَ ٱللَّهَ وَكَرِهُواْ رِضۡوَٰنَهُۥ فَأَحۡبَطَ أَعۡمَٰلَهُمۡ
Satria nanaraka izay nahatezitra an’I Allah izy ireo, sady nankahala ny fankasitrahany, dia nataony very maina ny asan’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَمۡ حَسِبَ ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ أَن لَّن يُخۡرِجَ ٱللَّهُ أَضۡغَٰنَهُمۡ
Sa mihevitra ireo olona manana areti-po, fa tsy halala hampibaribary ny fankahalan’izy ireo mihitsy Allah ?
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Muhammad
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close