Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Al-Mā’idah   Ayah:
حُرِّمَتۡ عَلَيۡكُمُ ٱلۡمَيۡتَةُ وَٱلدَّمُ وَلَحۡمُ ٱلۡخِنزِيرِ وَمَآ أُهِلَّ لِغَيۡرِ ٱللَّهِ بِهِۦ وَٱلۡمُنۡخَنِقَةُ وَٱلۡمَوۡقُوذَةُ وَٱلۡمُتَرَدِّيَةُ وَٱلنَّطِيحَةُ وَمَآ أَكَلَ ٱلسَّبُعُ إِلَّا مَا ذَكَّيۡتُمۡ وَمَا ذُبِحَ عَلَى ٱلنُّصُبِ وَأَن تَسۡتَقۡسِمُواْ بِٱلۡأَزۡلَٰمِۚ ذَٰلِكُمۡ فِسۡقٌۗ ٱلۡيَوۡمَ يَئِسَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن دِينِكُمۡ فَلَا تَخۡشَوۡهُمۡ وَٱخۡشَوۡنِۚ ٱلۡيَوۡمَ أَكۡمَلۡتُ لَكُمۡ دِينَكُمۡ وَأَتۡمَمۡتُ عَلَيۡكُمۡ نِعۡمَتِي وَرَضِيتُ لَكُمُ ٱلۡإِسۡلَٰمَ دِينٗاۚ فَمَنِ ٱضۡطُرَّ فِي مَخۡمَصَةٍ غَيۡرَ مُتَجَانِفٖ لِّإِثۡمٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Voarara aminareo ny biby maty ho azy (kompindra), ny rà, ny henan-kisoa, ny biby voalenta ankoatry ny anaran’I Allah, ny biby maty voakenda, na maty noho ny filatsahany mafy, na maty nohon’ny tombon-tandroka, na izay nohanin’ny biby masiaka, afa-tsy izay tratranareo lenta, na izay natao sorona ambonin’ny vato natao sampy, ary ny fanaovanareo ankitsapaka amin’ny alàlan’ny zana-tsipika . Izany rehetra izany dia faniratsirana mahatsiravina, androany dia kivy tanteraka ireo izay tsy mino (tsy afaka hamadika anareo) amin’ny finoanareo. Ka aza matahotra azy ianareo, fa Izaho irery no atahory. Androany dia nataoko ho lavorary tanteraka ny finoanareo, ary nataoko feno tanteraka aminareo ny fahasoavako, ary ankasitrahako ho anareo ny ISLAM ho finoana. Ary izay teren’ny hanoanana mafy ka tsy mirona ao anatin’ny fahotana. Tena marina fa i Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَسۡـَٔلُونَكَ مَاذَآ أُحِلَّ لَهُمۡۖ قُلۡ أُحِلَّ لَكُمُ ٱلطَّيِّبَٰتُ وَمَا عَلَّمۡتُم مِّنَ ٱلۡجَوَارِحِ مُكَلِّبِينَ تُعَلِّمُونَهُنَّ مِمَّا عَلَّمَكُمُ ٱللَّهُۖ فَكُلُواْ مِمَّآ أَمۡسَكۡنَ عَلَيۡكُمۡ وَٱذۡكُرُواْ ٱسۡمَ ٱللَّهِ عَلَيۡهِۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Hanontany anao izy ireo amin’izay sakafo azon’izy ireo hohanina araka ny lalàna. Teneno hoe : “Azonareo hohanina avokoa ireo sakafo tsara sy madio, sy ireo azon’ireo biby mpihaza nomenareo fiofanana manokana amin’ny fihazana araka izay nampianarin’i Allah anareo. Ka mihinana ianareo amin’ireo biby voahazan’izy ireo ho anareo, ary tononinareo ny anaran’i Allah amin’izany, ary matahora an’i Allah ianareo. Tena marina fa i Allah dia haingam-pitsarana.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱلۡيَوۡمَ أُحِلَّ لَكُمُ ٱلطَّيِّبَٰتُۖ وَطَعَامُ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ حِلّٞ لَّكُمۡ وَطَعَامُكُمۡ حِلّٞ لَّهُمۡۖ وَٱلۡمُحۡصَنَٰتُ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ وَٱلۡمُحۡصَنَٰتُ مِنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ مِن قَبۡلِكُمۡ إِذَآ ءَاتَيۡتُمُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ مُحۡصِنِينَ غَيۡرَ مُسَٰفِحِينَ وَلَا مُتَّخِذِيٓ أَخۡدَانٖۗ وَمَن يَكۡفُرۡ بِٱلۡإِيمَٰنِ فَقَدۡ حَبِطَ عَمَلُهُۥ وَهُوَ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Androany dia azonareo hohanina daholo ireo sakafo tsara sy madio. Ary ny sakafon’ireo izay nomena ny boky dia azonareo hohanina koa, ary ny sakafonareo dia azon’izy ireo hohanina ihany koa. Ary azonareo atao ny manambady vehivavy madio fitondran-tena amin’ireo mpino silamo, sy ireo vehivavy madio fitondran-tena avy amin’ireo izay nomena ny boky talohanareo, raha nomenareo azy ireo ny vodiondry, eo am-panatanterahana ny vadiana ara-dalàna fa tsy amin’ny fijanganjangana, na amin’ny fisakaizana. Ary na iza na iza mitsipaka ny finoana dia efa foana daholo ny asany, ary izy dia anisan’ny maty antoka amin’ny fiainana any ankoatra.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Al-Mā’idah
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close