Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: At-Tawbah   Ayah:
يُرِيدُونَ أَن يُطۡفِـُٔواْ نُورَ ٱللَّهِ بِأَفۡوَٰهِهِمۡ وَيَأۡبَى ٱللَّهُ إِلَّآ أَن يُتِمَّ نُورَهُۥ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡكَٰفِرُونَ
Mila hamono ny hazavan’i Allah amin’ny alàlan’ny vavany izy ireo ka nefa tsy manaiky i Allah afa-tsy ny hanamafy kokoa ny hazavany na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino.
Arabic explanations of the Qur’an:
هُوَ ٱلَّذِيٓ أَرۡسَلَ رَسُولَهُۥ بِٱلۡهُدَىٰ وَدِينِ ٱلۡحَقِّ لِيُظۡهِرَهُۥ عَلَى ٱلدِّينِ كُلِّهِۦ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡمُشۡرِكُونَ
Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dàlana, sy ny finoana marina, mba hametrahany Azy ho ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra i Allah amin’ny hafa
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِنَّ كَثِيرٗا مِّنَ ٱلۡأَحۡبَارِ وَٱلرُّهۡبَانِ لَيَأۡكُلُونَ أَمۡوَٰلَ ٱلنَّاسِ بِٱلۡبَٰطِلِ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِۗ وَٱلَّذِينَ يَكۡنِزُونَ ٱلذَّهَبَ وَٱلۡفِضَّةَ وَلَا يُنفِقُونَهَا فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ فَبَشِّرۡهُم بِعَذَابٍ أَلِيمٖ
Oh Ianareo izay nino, marina fa maro amin’ireo mpamoron-dalàna Djiosy sy ireo Relijiozy no mihinana ireo haren’olona tsy ara-drariny ary manakana ny làlan’i Allah. Ary ireo izay mitahiry vola mena sy vola fotsy nefa tsy mahafoy mandany izany amin’ny làlan’i Allah, lazao azy ireo mialoha ny sazy mamirifiry.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَوۡمَ يُحۡمَىٰ عَلَيۡهَا فِي نَارِ جَهَنَّمَ فَتُكۡوَىٰ بِهَا جِبَاهُهُمۡ وَجُنُوبُهُمۡ وَظُهُورُهُمۡۖ هَٰذَا مَا كَنَزۡتُمۡ لِأَنفُسِكُمۡ فَذُوقُواْ مَا كُنتُمۡ تَكۡنِزُونَ
Amin’izany andro izany, dia hafanaina amin’ny afobe ireo volamena sy volafotsy, ka dorana amin’izany ny handriny, ny tahezany sy ny lamosin’izy ireo, inty ilay nangoninareo ho an’ny tenanareo, ka andramonareo ankehitriny izay nangoninareo.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ عِدَّةَ ٱلشُّهُورِ عِندَ ٱللَّهِ ٱثۡنَا عَشَرَ شَهۡرٗا فِي كِتَٰبِ ٱللَّهِ يَوۡمَ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ مِنۡهَآ أَرۡبَعَةٌ حُرُمٞۚ ذَٰلِكَ ٱلدِّينُ ٱلۡقَيِّمُۚ فَلَا تَظۡلِمُواْ فِيهِنَّ أَنفُسَكُمۡۚ وَقَٰتِلُواْ ٱلۡمُشۡرِكِينَ كَآفَّةٗ كَمَا يُقَٰتِلُونَكُمۡ كَآفَّةٗۚ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلۡمُتَّقِينَ
Ny isan’ireo volana eo anatrehan’i Allah dia roa ambin’ny folo araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Allah, tamin’ny andro nahariany ireo lanitra sy ny tany, misy efatra amin’izy ireo no volana masina (Rajab, zol-kaida, zol-hajy, moharam) : izany no finoana mahitsy. Aza manao ny tsy rariny amin’ny tenanareo ianareo (amin’ireo volana masina ireo). Ary miadiva tsy ankanavaka ianareo amin’ireo mpanompo sampy, tahaka izy ireo miady aminareo tsy manavakavaka. Ary fantaro fa i Allah dia miaraka amin’ireo manam-patahorana (Azy).
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: At-Tawbah
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close