Check out the new design

Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama * - Índice de traducciones


Traducción de significados Capítulo: Al-Baqara   Versículo:
لَّا يُؤَاخِذُكُمُ ٱللَّهُ بِٱللَّغۡوِ فِيٓ أَيۡمَٰنِكُمۡ وَلَٰكِن يُؤَاخِذُكُم بِمَا كَسَبَتۡ قُلُوبُكُمۡۗ وَٱللَّهُ غَفُورٌ حَلِيمٞ
Allah dia tsy handray anareo amin’ny fianianana tsy vokatry ny fonareo fa handray anareo kosa Izy amin’ny tena fikasana ao am-ponareo. ary Allah dia Mpamela heloka sy tsara fanahy.
Las Exégesis Árabes:
لِّلَّذِينَ يُؤۡلُونَ مِن نِّسَآئِهِمۡ تَرَبُّصُ أَرۡبَعَةِ أَشۡهُرٖۖ فَإِن فَآءُو فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ho an’ireo izay mianiana tsy hanao firaisana (ara-nofo) amin’ny vehivaviny (vadiny) dia miandry mandritry ny efa-bolana. koa raha miverina amin’ny fanapahan-keviny izy ireo, tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be fiantrana.
Las Exégesis Árabes:
وَإِنۡ عَزَمُواْ ٱلطَّلَٰقَ فَإِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Ary raha tapa-kevitra ny hisaraka izy ireo dia tsy maninona, fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zavatra rehetra.
Las Exégesis Árabes:
وَٱلۡمُطَلَّقَٰتُ يَتَرَبَّصۡنَ بِأَنفُسِهِنَّ ثَلَٰثَةَ قُرُوٓءٖۚ وَلَا يَحِلُّ لَهُنَّ أَن يَكۡتُمۡنَ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ فِيٓ أَرۡحَامِهِنَّ إِن كُنَّ يُؤۡمِنَّ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ وَبُعُولَتُهُنَّ أَحَقُّ بِرَدِّهِنَّ فِي ذَٰلِكَ إِنۡ أَرَادُوٓاْ إِصۡلَٰحٗاۚ وَلَهُنَّ مِثۡلُ ٱلَّذِي عَلَيۡهِنَّ بِٱلۡمَعۡرُوفِۚ وَلِلرِّجَالِ عَلَيۡهِنَّ دَرَجَةٞۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ary ireo vehivavy nisara-panambadiana dia tsy maintsy manaja (mipetraka tsy manambady mandritry) ny fadim-bolana telo, ary tsy azon’izy ireo atao ny manafina izay noforonin’i Allah ao anatin’ny tranon-janany raha tena mino tokoa an’i Allah sy ny andro farany izy ireo. ary ny lehilahy vadin'izy ireo dia manan-jò feno amin'ny famerenana azy ireo raha te-hifanaraka izy ireo. ary manan-jò izy ireo tahaka ny fisian’ny adidy miandry azy am-pahamendrehana (araka ny lalàna).fa ireo lehilahy kosa dia manana adidy amin’izy ireo. ary Allah dia mahery sy hendry.
Las Exégesis Árabes:
ٱلطَّلَٰقُ مَرَّتَانِۖ فَإِمۡسَاكُۢ بِمَعۡرُوفٍ أَوۡ تَسۡرِيحُۢ بِإِحۡسَٰنٖۗ وَلَا يَحِلُّ لَكُمۡ أَن تَأۡخُذُواْ مِمَّآ ءَاتَيۡتُمُوهُنَّ شَيۡـًٔا إِلَّآ أَن يَخَافَآ أَلَّا يُقِيمَا حُدُودَ ٱللَّهِۖ فَإِنۡ خِفۡتُمۡ أَلَّا يُقِيمَا حُدُودَ ٱللَّهِ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡهِمَا فِيمَا ٱفۡتَدَتۡ بِهِۦۗ تِلۡكَ حُدُودُ ٱللَّهِ فَلَا تَعۡتَدُوهَاۚ وَمَن يَتَعَدَّ حُدُودَ ٱللَّهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ny fisaraham-panambadiana dia in-droa ihany. Na ny fitazonana am-pahamendrehana, na ny fampodiana am-pahatsarana. Ary tsy azonareo atao ny mamerina izay efa nomenareo azy ireo na dia kely aza, afa-tsy hoe samy matahotra ny tsy ho afaka hampihatra ny lalànan’Allah izy roa. raha matahotra ianareo fa tsy afaka hampihatra ny lalànan’i Allah izy roa dia tsy ananan’izy roa tsiny ny amin’izay tambiny atolotr’ilay vehivavy ho azy (lehilahy vadiny). Izany no didin’i Allah, ka aoka ianareo tsy handika izany. fa izay mandika ny lalànan’i Allah dia izy ireny no mpanao ny tsy rariny.
Las Exégesis Árabes:
فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا تَحِلُّ لَهُۥ مِنۢ بَعۡدُ حَتَّىٰ تَنكِحَ زَوۡجًا غَيۡرَهُۥۗ فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡهِمَآ أَن يَتَرَاجَعَآ إِن ظَنَّآ أَن يُقِيمَا حُدُودَ ٱللَّهِۗ وَتِلۡكَ حُدُودُ ٱللَّهِ يُبَيِّنُهَا لِقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ
Fa raha nanome fisarahana ny vadiny fanintelony izy, dia tsy hahazoany alalana intsony ny mamerina azy aorian’izany, raha tsy avy nanambady olon-kafa. Ary raha nisaraka tamin-dravehivavy kosa ilay nampiakatra azy farany, dia tsy fahotàna ho azy roa ny mifamerina, raha mihevitra ny samy hanaja ilay fetra napetrak’Allah ny roa tonta. Izany no fetra napetrak’Allah, ampahafantariny ireo vahoaka mahalàla.
Las Exégesis Árabes:
 
Traducción de significados Capítulo: Al-Baqara
Índice de Capítulos Número de página
 
Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama - Índice de traducciones

Traducida por el equipo del Centro Rowad Al-Taryamah en cooperación con la Asociación de Dawah en Rabwa y la Asociación para el Servicio del Contenido Islámico en Idiomas.

Cerrar