Check out the new design

Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama * - Índice de traducciones


Traducción de significados Capítulo: Al-Nisaa   Versículo:
ٱلرِّجَالُ قَوَّٰمُونَ عَلَى ٱلنِّسَآءِ بِمَا فَضَّلَ ٱللَّهُ بَعۡضَهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ وَبِمَآ أَنفَقُواْ مِنۡ أَمۡوَٰلِهِمۡۚ فَٱلصَّٰلِحَٰتُ قَٰنِتَٰتٌ حَٰفِظَٰتٞ لِّلۡغَيۡبِ بِمَا حَفِظَ ٱللَّهُۚ وَٱلَّٰتِي تَخَافُونَ نُشُوزَهُنَّ فَعِظُوهُنَّ وَٱهۡجُرُوهُنَّ فِي ٱلۡمَضَاجِعِ وَٱضۡرِبُوهُنَّۖ فَإِنۡ أَطَعۡنَكُمۡ فَلَا تَبۡغُواْ عَلَيۡهِنَّ سَبِيلًاۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيّٗا كَبِيرٗا
Ireo lehilahy dia manam-pahefana eo amin’ireo vadiny, nohon'ny tombony izay nomen’I Allah ny sasany amin’izy ireo eo anatrehan’ny sasany, sy nohon'ny fandaniana izay ataon’izy ireo amin’ny hareny. Ireo vehivavy mendrika dia mankatò (an’I Allah) sy ny vadiny, ary miaro mandritra ny fotoana tsy maha eo ny vadin’izy ireo, ny voninahiny sy ny hareny. Ary ireo izay atahoranareo tsy hankatò kosa, dia anaro izy ireo sy ihataho amin’ny fandriana, ary kapohy. Fa raha mankatò anareo kosa izy ireo, dia aoka ianareo tsy hitady lalana hanoherana azy ireo (tsy itadiavana ady intsony). Tena marina fa I Allah dia Avo sy lehibe indrindra.
Las Exégesis Árabes:
وَإِنۡ خِفۡتُمۡ شِقَاقَ بَيۡنِهِمَا فَٱبۡعَثُواْ حَكَمٗا مِّنۡ أَهۡلِهِۦ وَحَكَمٗا مِّنۡ أَهۡلِهَآ إِن يُرِيدَآ إِصۡلَٰحٗا يُوَفِّقِ ٱللَّهُ بَيۡنَهُمَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا خَبِيرٗا
Ary raha matahotra ny tsy fifanarahana eo amin’izy roa mivady ianareo, dia mandefasa mpitsara iray avy amin’ny fianakavian’ny lahy, sy mpitsara iray koa avy amin’ny fianakavian’ny vavy ianareo. Raha mila fifandaminana izy roa dia harenin’I Allah ny momba azy roa. Tena marina fa I Allah dia Mahalala sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
Las Exégesis Árabes:
۞ وَٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَلَا تُشۡرِكُواْ بِهِۦ شَيۡـٔٗاۖ وَبِٱلۡوَٰلِدَيۡنِ إِحۡسَٰنٗا وَبِذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَٱلۡجَارِ ذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡجَارِ ٱلۡجُنُبِ وَٱلصَّاحِبِ بِٱلۡجَنۢبِ وَٱبۡنِ ٱلسَّبِيلِ وَمَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ مَن كَانَ مُخۡتَالٗا فَخُورًا
Ary tompoinareo I Allah, ary aza atambatrareo amin’ny zavatra hafa Izy. Ary manaova ny tsara amin’ireo ray aman-dreninareo, ireo havana akaiky, ireo kamboty, ireo mahantra, ny havana mpifanolo-body rindrina, ny mpifanolo-body rindrina tsy havana (na ny havana lavitra), ny namana akaiky, ny mpandeha lavitra (lany vatsy), ary ireo andevo eo am-pelatananareo. Tena marina fa I Allah dia tsy tia ny mpanambony tena sy ny mpirehareha.
Las Exégesis Árabes:
ٱلَّذِينَ يَبۡخَلُونَ وَيَأۡمُرُونَ ٱلنَّاسَ بِٱلۡبُخۡلِ وَيَكۡتُمُونَ مَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦۗ وَأَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٗا مُّهِينٗا
Ireo izay mahihitra, sy maniraka ny olona ho kahihitra, ary manafina ireo izay nomen’I Allah azy amin’ny fahasoavany. Ary nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala-baraka.
Las Exégesis Árabes:
 
Traducción de significados Capítulo: Al-Nisaa
Índice de Capítulos Número de página
 
Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama - Índice de traducciones

Traducida por el equipo del Centro Rowad Al-Taryamah en cooperación con la Asociación de Dawah en Rabwa y la Asociación para el Servicio del Contenido Islámico en Idiomas.

Cerrar