Check out the new design

Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama * - Índice de traducciones


Traducción de significados Capítulo: Al-Maaida   Versículo:
مِنۡ أَجۡلِ ذَٰلِكَ كَتَبۡنَا عَلَىٰ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ أَنَّهُۥ مَن قَتَلَ نَفۡسَۢا بِغَيۡرِ نَفۡسٍ أَوۡ فَسَادٖ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَكَأَنَّمَا قَتَلَ ٱلنَّاسَ جَمِيعٗا وَمَنۡ أَحۡيَاهَا فَكَأَنَّمَآ أَحۡيَا ٱلنَّاسَ جَمِيعٗاۚ وَلَقَدۡ جَآءَتۡهُمۡ رُسُلُنَا بِٱلۡبَيِّنَٰتِ ثُمَّ إِنَّ كَثِيرٗا مِّنۡهُم بَعۡدَ ذَٰلِكَ فِي ٱلۡأَرۡضِ لَمُسۡرِفُونَ
Noho izany antony izany dia nodidianay tamin’ireo zanak’Israely fa na iza na iza namono olona tsy meloka tamin’ny famonoan’olona na koa nanao fanimbana teto an-tany dia toy ny namono ny olombelona rehetra. Ary na iza na iza manavotra azy ho velona dia toy ny nanavotra ny olombelona rehetra. Ary efa tonga teo amin'izy ireo ny Irakay niaraka tamin’ireo porofo mazava. Ary indro fa maro tamin’izy ireo taorian’izany no mbola nanao fihoaram-pefy teto an-tany.
Las Exégesis Árabes:
إِنَّمَا جَزَٰٓؤُاْ ٱلَّذِينَ يُحَارِبُونَ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَيَسۡعَوۡنَ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَسَادًا أَن يُقَتَّلُوٓاْ أَوۡ يُصَلَّبُوٓاْ أَوۡ تُقَطَّعَ أَيۡدِيهِمۡ وَأَرۡجُلُهُم مِّنۡ خِلَٰفٍ أَوۡ يُنفَوۡاْ مِنَ ٱلۡأَرۡضِۚ ذَٰلِكَ لَهُمۡ خِزۡيٞ فِي ٱلدُّنۡيَاۖ وَلَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ny tena valin’asan’ireo izay miady amin’I Allah sy amin’ny Irany ary manaparitaka eto an-tany ny asa fanimbàna, dia ny hamonoana azy ireo na ny hamantsihana azy ireo ambony hazo na ny hanapahana ny tanan’ izy ireo sy ny tongotr’izy ireo mifanohitra amin’ny andaniny na koa ny hanaovana azy ireo sesitany. Izany no fahafaham-barakan’izy ireo eto an-tany. Ary any ankoatra izy ireo dia hahazo famaizana lehibe.
Las Exégesis Árabes:
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ مِن قَبۡلِ أَن تَقۡدِرُواْ عَلَيۡهِمۡۖ فَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Afa-tsy ireo izay nibebaka alohan’ny hahatongavany eo ambany fahefanareo. Fantaronareo ary fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Las Exégesis Árabes:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَٱبۡتَغُوٓاْ إِلَيۡهِ ٱلۡوَسِيلَةَ وَجَٰهِدُواْ فِي سَبِيلِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ
O ianareo izay mpino! Matahora an’I Allah ianareo ary tadiavonareo ny fomba hanatonanareo Azy akaiky. Ary manaova ady masina amin’ny làlany ianareo. Angamba hahazoanareo fahombiazana.
Las Exégesis Árabes:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَوۡ أَنَّ لَهُم مَّا فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا وَمِثۡلَهُۥ مَعَهُۥ لِيَفۡتَدُواْ بِهِۦ مِنۡ عَذَابِ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ مَا تُقُبِّلَ مِنۡهُمۡۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Tena marina fa ireo izay tsy mpino raha ananan’izy ireo izay rehetra eto an-tany sy ny mitovy amin’izany koa mbola miampy aminy ka omen’izy ireo hatao onitra ho amin’ny famaizana amin’ny andron’ny fitsanganana dia tsy ho raisina avy amin’izy ireo izany. Ary ho azy ireo famaizana mangirifiry.
Las Exégesis Árabes:
 
Traducción de significados Capítulo: Al-Maaida
Índice de Capítulos Número de página
 
Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama - Índice de traducciones

Traducida por el equipo del Centro Rowad At-Taryamah en cooperación con la Asociación de Dawah en Rabwa y la Asociación para el Servicio del Contenido Islámico en Idiomas.

Cerrar