Check out the new design

ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد * - لیست ترجمه ها


ترجمهٔ معانی سوره: نحل   آیه:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنۢ بُيُوتِكُمۡ سَكَنٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّن جُلُودِ ٱلۡأَنۡعَٰمِ بُيُوتٗا تَسۡتَخِفُّونَهَا يَوۡمَ ظَعۡنِكُمۡ وَيَوۡمَ إِقَامَتِكُمۡ وَمِنۡ أَصۡوَافِهَا وَأَوۡبَارِهَا وَأَشۡعَارِهَآ أَثَٰثٗا وَمَتَٰعًا إِلَىٰ حِينٖ
Ary nataon’i Allah fonenana ho Anareo ny tranonareo, ary nataony ho Anareo ny trano vita amin’ny hoditry ny biby, izay maivana ho Anareo amin’ny Andro andehananareo sy amin’ny Andro hipetrahanareo. Ary avy amin’ny volon’izy ireo sy ny rambon’izy ireo, ary ny vombon’izy ireo, (hanaovanareo) ireo fanaka sy fitaovana izay hifalianareo mandritry ny fotoana voafetra.
تفسیرهای عربی:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّمَّا خَلَقَ ظِلَٰلٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّنَ ٱلۡجِبَالِ أَكۡنَٰنٗا وَجَعَلَ لَكُمۡ سَرَٰبِيلَ تَقِيكُمُ ٱلۡحَرَّ وَسَرَٰبِيلَ تَقِيكُم بَأۡسَكُمۡۚ كَذَٰلِكَ يُتِمُّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تُسۡلِمُونَ
Ary i Allah dia nanao avy amin’izay nohariany ny aloka mba ho anareo. Ary nataony ho anareo ny tendrombohitra ho fialofana. Ary nataony ho anareo ny akanjo ho fiarovana amin’ny hafanana, ary koa ny akanjo (vy) miaro anareo amin’ny lozan’ny ady. Tahaka izany no hamenoany ny fahasoavany eo aminareo, angamba ianareo hanetri-tena.
تفسیرهای عربی:
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡكَ ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Raha nanome lamosina izy ireo, dia ny fampitana ny hafatra mazava tsara no adidinao.
تفسیرهای عربی:
يَعۡرِفُونَ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ ثُمَّ يُنكِرُونَهَا وَأَكۡثَرُهُمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ
Mahafantatra ny fahasoavan’i Allah izy ireo. Avy eo, dia lavin’izy ireo izany. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mankasitraka.
تفسیرهای عربی:
وَيَوۡمَ نَبۡعَثُ مِن كُلِّ أُمَّةٖ شَهِيدٗا ثُمَّ لَا يُؤۡذَنُ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ وَلَا هُمۡ يُسۡتَعۡتَبُونَ
Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, dia tsy omena alàlana (hiala tsiny) intsony ireo tsy mpino, ary tsy angatahana hiverina (amin’izay nahatezitra an’i Allah) izy ireo.
تفسیرهای عربی:
وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلۡعَذَابَ فَلَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمۡ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ
Ary rehefa hitan’ireo mpanao ny tsy rariny ny famaizana, dia tsy ahazo fanalefahana amin’izany izy ireo, ary tsy ahazo fialan-tsasatra ihany koa.
تفسیرهای عربی:
وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ شُرَكَآءَهُمۡ قَالُواْ رَبَّنَا هَٰٓؤُلَآءِ شُرَكَآؤُنَا ٱلَّذِينَ كُنَّا نَدۡعُواْ مِن دُونِكَۖ فَأَلۡقَوۡاْ إِلَيۡهِمُ ٱلۡقَوۡلَ إِنَّكُمۡ لَكَٰذِبُونَ
. Ary raha hitan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa ireo mpiara-miombon’antoka (sampy) amin’izy ireo, dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tomponay ô ! Ireo no mpiara-miombon’antoka Aminay izay nitalahoanay ankoatra Anao ”.Dia hamaly izy ireo (ireo mpiara-miombon’antoka) ka hanao hoe : “ Tena mpandainga tokoa Ianareo ”.
تفسیرهای عربی:
وَأَلۡقَوۡاْ إِلَى ٱللَّهِ يَوۡمَئِذٍ ٱلسَّلَمَۖ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Ary hatolotr’izy ireo ho an’i Allah amin’io Andro io ny fankatoavana, ary hiala amin'izy ireo izay noforoniny.
تفسیرهای عربی:
 
ترجمهٔ معانی سوره: نحل
فهرست سوره ها شماره صفحه
 
ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد - لیست ترجمه ها

ترجمه شده توسط گروه مرکز ترجمهٔ رواد با همکاری انجمن دعوت در ربوة و انجمن خدمت به محتوای اسلامی به زبان‌های مختلف.

بستن