Check out the new design

ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد * - لیست ترجمه ها


ترجمهٔ معانی سوره: بقره   آیه:
أُحِلَّ لَكُمۡ لَيۡلَةَ ٱلصِّيَامِ ٱلرَّفَثُ إِلَىٰ نِسَآئِكُمۡۚ هُنَّ لِبَاسٞ لَّكُمۡ وَأَنتُمۡ لِبَاسٞ لَّهُنَّۗ عَلِمَ ٱللَّهُ أَنَّكُمۡ كُنتُمۡ تَخۡتَانُونَ أَنفُسَكُمۡ فَتَابَ عَلَيۡكُمۡ وَعَفَا عَنكُمۡۖ فَٱلۡـَٰٔنَ بَٰشِرُوهُنَّ وَٱبۡتَغُواْ مَا كَتَبَ ٱللَّهُ لَكُمۡۚ وَكُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ حَتَّىٰ يَتَبَيَّنَ لَكُمُ ٱلۡخَيۡطُ ٱلۡأَبۡيَضُ مِنَ ٱلۡخَيۡطِ ٱلۡأَسۡوَدِ مِنَ ٱلۡفَجۡرِۖ ثُمَّ أَتِمُّواْ ٱلصِّيَامَ إِلَى ٱلَّيۡلِۚ وَلَا تُبَٰشِرُوهُنَّ وَأَنتُمۡ عَٰكِفُونَ فِي ٱلۡمَسَٰجِدِۗ تِلۡكَ حُدُودُ ٱللَّهِ فَلَا تَقۡرَبُوهَاۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ ءَايَٰتِهِۦ لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمۡ يَتَّقُونَ
Nomena alàlana handry amin’ireo vehivavy vadinareo ianareo ny alin’ireo andro fifehezana; izy ireny mantsy dia fitafy ho anareo, ary ianareo ihany koa fitafy ho azy ireny. Fantatr’Allah fa ianareo dia namitaka ny tenanareo, kanefa nandray ny fibebahanareo Izy, ary namela ny helokareo. Ankehitriny kosa, dia mahazo mandry amin’ny vadinareo ianareo ary tanteraho ny didy nosoratan’Allah ho anareo, ary aoka ianareo hihinana sy hisotro mandra-pahafahanareo manavaka ny kofehy fotsy amin’ny kofehy mainty aorian’ny maraina mangiran-dratsy (Fajr). Ary dia tontosao ny fifehezana mandrapahatongan’ny alina, ary aoka ianareo tsy handry aminy, mandritra ny fotoana hitokananareo monina ao amin’ny trano fiankohofana (Masjid). Izany no fetra napetrak’Allah ka aza manakaiky azy ianareo (aza ataonareo tsirambina). Toy izany no hampisehoan’Allah ny famantarana avy Aminy, mba hahatonga azy ireo ho vontompinoana.
تفسیرهای عربی:
وَلَا تَأۡكُلُوٓاْ أَمۡوَٰلَكُم بَيۡنَكُم بِٱلۡبَٰطِلِ وَتُدۡلُواْ بِهَآ إِلَى ٱلۡحُكَّامِ لِتَأۡكُلُواْ فَرِيقٗا مِّنۡ أَمۡوَٰلِ ٱلنَّاسِ بِٱلۡإِثۡمِ وَأَنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Ary aza mihinana ny harenanareo samy anareo amin’ny tsy marina ianareo, ary aza entinareo amin’ireo mpitsara izany mba hihinananareo ny sasany amin'ireo harenan’olona amin’ny tsy rariny. kanefa ianareo dia mahafantatra tsara (izany).
تفسیرهای عربی:
۞ يَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلۡأَهِلَّةِۖ قُلۡ هِيَ مَوَٰقِيتُ لِلنَّاسِ وَٱلۡحَجِّۗ وَلَيۡسَ ٱلۡبِرُّ بِأَن تَأۡتُواْ ٱلۡبُيُوتَ مِن ظُهُورِهَا وَلَٰكِنَّ ٱلۡبِرَّ مَنِ ٱتَّقَىٰۗ وَأۡتُواْ ٱلۡبُيُوتَ مِنۡ أَبۡوَٰبِهَاۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ
Manontany anao ny amin’ny tsinam-bolana izy ireo. Ka lazao azy : “Izany dia natao ho famantarana andro ho an’ny olombelona, sy ny andron’ny fivahinianana masina (Hajj)”. Ary tsy midika hatsarana ny fidiranareo ny trano avy ao an-damosiny, fa ny hatsarana dia amin’izay matahotra an'Allah sy miditra ny trano avy eo am-baravarany. Ary aoka ianareo hatahotra an’Allah, mba hahatafita anareo.
تفسیرهای عربی:
وَقَٰتِلُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ ٱلَّذِينَ يُقَٰتِلُونَكُمۡ وَلَا تَعۡتَدُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُعۡتَدِينَ
Ary miadia ianareo, amin’ny lalan’i Allah, amin'ireo izay miady aminareo, ary aza mandika lalàna. tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpandika lalàna.
تفسیرهای عربی:
 
ترجمهٔ معانی سوره: بقره
فهرست سوره ها شماره صفحه
 
ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد - لیست ترجمه ها

ترجمه شده توسط گروه مرکز ترجمهٔ رواد با همکاری انجمن دعوت در ربوة و انجمن خدمت به محتوای اسلامی به زبان‌های مختلف.

بستن