Check out the new design

ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد * - لیست ترجمه ها


ترجمهٔ معانی سوره: تحریم   آیه:

At-tahrim

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ لِمَ تُحَرِّمُ مَآ أَحَلَّ ٱللَّهُ لَكَۖ تَبۡتَغِي مَرۡضَاتَ أَزۡوَٰجِكَۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ry mpaminany ! Nahoana no mifady izay efa nataon’Allah ara-dalàna ho anao ianao, ho fitadiavanao ny fankasitrahan’ireo vadinao ? Fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
تفسیرهای عربی:
قَدۡ فَرَضَ ٱللَّهُ لَكُمۡ تَحِلَّةَ أَيۡمَٰنِكُمۡۚ وَٱللَّهُ مَوۡلَىٰكُمۡۖ وَهُوَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡحَكِيمُ
Hamafisina, fa nandidy anareo Allah mba hiala amin’ny fianianana ianareo. Allah no Tomponareo ; ary Izy no mahalala ny zava-drehetra, be fahendrena.
تفسیرهای عربی:
وَإِذۡ أَسَرَّ ٱلنَّبِيُّ إِلَىٰ بَعۡضِ أَزۡوَٰجِهِۦ حَدِيثٗا فَلَمَّا نَبَّأَتۡ بِهِۦ وَأَظۡهَرَهُ ٱللَّهُ عَلَيۡهِ عَرَّفَ بَعۡضَهُۥ وَأَعۡرَضَ عَنۢ بَعۡضٖۖ فَلَمَّا نَبَّأَهَا بِهِۦ قَالَتۡ مَنۡ أَنۢبَأَكَ هَٰذَاۖ قَالَ نَبَّأَنِيَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡخَبِيرُ
Ary rehefa nilaza ny tsiambaratelo tamin’ny iray amin’ny vadiny ny mpaminany, dia naparitany, ary nasehon’Allah ny mpaminany izany, ka nampahafantariny azy ny ampahany, fa navelany kosa ny ampahany hafa. Ary rehefa nilazany izany ilay vadiny, dia namaly hoe : iza no nilaza izany taminao ? Hoy ny mpaminany : Ilay mahalala ny zava-drehetra, Ilay mahafantatra tanteraka no nilaza izany tamiko.
تفسیرهای عربی:
إِن تَتُوبَآ إِلَى ٱللَّهِ فَقَدۡ صَغَتۡ قُلُوبُكُمَاۖ وَإِن تَظَٰهَرَا عَلَيۡهِ فَإِنَّ ٱللَّهَ هُوَ مَوۡلَىٰهُ وَجِبۡرِيلُ وَصَٰلِحُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۖ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ بَعۡدَ ذَٰلِكَ ظَهِيرٌ
Raha mibebaka amin’Allah ianareo roa dia efa malefaka ny fonareo, fa raha mifanampy hanohitra ny Mpaminany kosa ianareo dia Allah no mpiahy azy,sy i Gabriely ary ireo mendrika amin’ireo mpino ary manampy izany koa ireo Anjely rehetra.
تفسیرهای عربی:
عَسَىٰ رَبُّهُۥٓ إِن طَلَّقَكُنَّ أَن يُبۡدِلَهُۥٓ أَزۡوَٰجًا خَيۡرٗا مِّنكُنَّ مُسۡلِمَٰتٖ مُّؤۡمِنَٰتٖ قَٰنِتَٰتٖ تَٰٓئِبَٰتٍ عَٰبِدَٰتٖ سَٰٓئِحَٰتٖ ثَيِّبَٰتٖ وَأَبۡكَارٗا
Raha misaraka aminareo izy, dia (mety) omen'ny Tompo vady tsara kokoa noho izy ianareo, vehivavy mpandala ny finoana islamo, mpino, mpankato, mpibebaka, mpanompo, mpifehy, avy nanambady, na koa mbola virjiny.
تفسیرهای عربی:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ قُوٓاْ أَنفُسَكُمۡ وَأَهۡلِيكُمۡ نَارٗا وَقُودُهَا ٱلنَّاسُ وَٱلۡحِجَارَةُ عَلَيۡهَا مَلَٰٓئِكَةٌ غِلَاظٞ شِدَادٞ لَّا يَعۡصُونَ ٱللَّهَ مَآ أَمَرَهُمۡ وَيَفۡعَلُونَ مَا يُؤۡمَرُونَ
O ianareo mpino !Arovy amin’ny afo ny tenanareo sy ny fianakavianareo, fa ny olona sy ny vato no ho fandrehitra ao, ambenin’ireo Anjely hentitra sy masiaka, tsy manohitra an’Allah mihitsy amin’izay andidiany azy, fa manao izay ampanaoviny azy.
تفسیرهای عربی:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَا تَعۡتَذِرُواْ ٱلۡيَوۡمَۖ إِنَّمَا تُجۡزَوۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
O ianareo tsy mpino ! Aza miala tsiny ianareo androany. Tsy ho valiana afa-tsy araka izay nataonareo ihany ianareo.
تفسیرهای عربی:
 
ترجمهٔ معانی سوره: تحریم
فهرست سوره ها شماره صفحه
 
ترجمهٔ معانی قرآن کریم - ترجمه‌ى مالاگاشی - مرکز ترجمه‌ى رواد - لیست ترجمه ها

ترجمه شده توسط گروه مرکز ترجمهٔ رواد با همکاری انجمن دعوت در ربوه و انجمن خدمت به محتوای اسلامی به زبان‌های مختلف.

بستن