Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Yusuf   Aya:
يَٰبَنِيَّ ٱذۡهَبُواْ فَتَحَسَّسُواْ مِن يُوسُفَ وَأَخِيهِ وَلَا تَاْيۡـَٔسُواْ مِن رَّوۡحِ ٱللَّهِۖ إِنَّهُۥ لَا يَاْيۡـَٔسُ مِن رَّوۡحِ ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡقَوۡمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ
O ry Zanako, mandehana Ianareo ka tadiavinareo i Yosofa sy ny Rahalahiny. Ary aza kivy amin’ny famindram-pon’i Allah. Fa ireo vahoaka tsy Mpino ihany no mora kivy amin’ny famindram-pon’i Allah.
Tafsiran larabci:
فَلَمَّا دَخَلُواْ عَلَيۡهِ قَالُواْ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡعَزِيزُ مَسَّنَا وَأَهۡلَنَا ٱلضُّرُّ وَجِئۡنَا بِبِضَٰعَةٖ مُّزۡجَىٰةٖ فَأَوۡفِ لَنَا ٱلۡكَيۡلَ وَتَصَدَّقۡ عَلَيۡنَآۖ إِنَّ ٱللَّهَ يَجۡزِي ٱلۡمُتَصَدِّقِينَ
Ary nony niditra tao amin'i Yosofa (Josefa) izy ireo dia niteny ka nanao hoe : “ O ry manam-boninahitra hajaina, tratry ny mosary Izahay sy ny fianakavinay ka tonga Izahay miaraka amin’ny entam-barotra tsy dia misy vidiny loatra. Omeo fatra feno Izahay ary miantrà Anay Ianao. Tena marina fa i Allah dia manome valisoa an’ireo mpiantra ! ”
Tafsiran larabci:
قَالَ هَلۡ عَلِمۡتُم مَّا فَعَلۡتُم بِيُوسُفَ وَأَخِيهِ إِذۡ أَنتُمۡ جَٰهِلُونَ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Moa ve fantatrareo ny zavatra nataonareo tamin’i Yosofa (Josefa) sy ny Rahalahiny. nefa Ianareo tsy mahalala izany ? ”
Tafsiran larabci:
قَالُوٓاْ أَءِنَّكَ لَأَنتَ يُوسُفُۖ قَالَ أَنَا۠ يُوسُفُ وَهَٰذَآ أَخِيۖ قَدۡ مَنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡنَآۖ إِنَّهُۥ مَن يَتَّقِ وَيَصۡبِرۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Dia hoy izy ireo : “Moa va ianao…tena marina fa i Josefa ianao!”, dia hoy izy namaly: “Josefa tokoa aho, ary ity ny rahalahiko. Marina fa nanasoa anay Allah. Na iza na iza manam-pahatahorana sy manam-paharetana...Ary marina, fa tsy avelan’Allah ho very, ny valisoan’ireo mpanao soa”.
Tafsiran larabci:
قَالُواْ تَٱللَّهِ لَقَدۡ ءَاثَرَكَ ٱللَّهُ عَلَيۡنَا وَإِن كُنَّا لَخَٰطِـِٔينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Mianiana amin’i Allah ! Tena marina, fa notiavin’i Allah mihoatra Anay Ianao ary diso tokoa Izahay ”.
Tafsiran larabci:
قَالَ لَا تَثۡرِيبَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡيَوۡمَۖ يَغۡفِرُ ٱللَّهُ لَكُمۡۖ وَهُوَ أَرۡحَمُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Niteny izy ka nanao hoe : “ Tsy misy fanakianana Anareo androany ! hamela ny helokareo anie i Allah ary Izy, ilay Mpamindra-fo indrindra amin’ireo mpamindra-fo.
Tafsiran larabci:
ٱذۡهَبُواْ بِقَمِيصِي هَٰذَا فَأَلۡقُوهُ عَلَىٰ وَجۡهِ أَبِي يَأۡتِ بَصِيرٗا وَأۡتُونِي بِأَهۡلِكُمۡ أَجۡمَعِينَ
Entonareo ity fitafiako ity ary apetaho amin’ny tavan’i Raiko dia hahiratra avy hatrany Izy. Ary ento mankaty Amiko avokoa ny fianakavianareo rehetra ”.
Tafsiran larabci:
وَلَمَّا فَصَلَتِ ٱلۡعِيرُ قَالَ أَبُوهُمۡ إِنِّي لَأَجِدُ رِيحَ يُوسُفَۖ لَوۡلَآ أَن تُفَنِّدُونِ
Raha vao tafavoaka ny sisin-tany (kanana) ny andian’ny mpandeha, Niteny ny Rain’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa Izaho dia maheno ny fofon’i Yosofa (Josefa) na dia teneninareo fa mirediredy Aho ”.
Tafsiran larabci:
قَالُواْ تَٱللَّهِ إِنَّكَ لَفِي ضَلَٰلِكَ ٱلۡقَدِيمِ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah fa indro indray Ianao dia miverina amin’ny fahaverezanao taloha ”.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Yusuf
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa