ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
87 : 12

يَٰبَنِيَّ ٱذۡهَبُواْ فَتَحَسَّسُواْ مِن يُوسُفَ وَأَخِيهِ وَلَا تَاْيۡـَٔسُواْ مِن رَّوۡحِ ٱللَّهِۖ إِنَّهُۥ لَا يَاْيۡـَٔسُ مِن رَّوۡحِ ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡقَوۡمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ

O ry Zanako, mandehana Ianareo ka tadiavinareo i Yosofa sy ny Rahalahiny. Ary aza kivy amin’ny famindram-pon’i Allah. Fa ireo vahoaka tsy Mpino ihany no mora kivy amin’ny famindram-pon’i Allah. info
التفاسير: |

external-link copy
88 : 12

فَلَمَّا دَخَلُواْ عَلَيۡهِ قَالُواْ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡعَزِيزُ مَسَّنَا وَأَهۡلَنَا ٱلضُّرُّ وَجِئۡنَا بِبِضَٰعَةٖ مُّزۡجَىٰةٖ فَأَوۡفِ لَنَا ٱلۡكَيۡلَ وَتَصَدَّقۡ عَلَيۡنَآۖ إِنَّ ٱللَّهَ يَجۡزِي ٱلۡمُتَصَدِّقِينَ

Ary nony niditra tao amin'i Yosofa (Josefa) izy ireo dia niteny ka nanao hoe : “ O ry manam-boninahitra hajaina, tratry ny mosary Izahay sy ny fianakavinay ka tonga Izahay miaraka amin’ny entam-barotra tsy dia misy vidiny loatra. Omeo fatra feno Izahay ary miantrà Anay Ianao. Tena marina fa i Allah dia manome valisoa an’ireo mpiantra ! ” info
التفاسير: |

external-link copy
89 : 12

قَالَ هَلۡ عَلِمۡتُم مَّا فَعَلۡتُم بِيُوسُفَ وَأَخِيهِ إِذۡ أَنتُمۡ جَٰهِلُونَ

Niteny Izy ka nanao hoe : “ Moa ve fantatrareo ny zavatra nataonareo tamin’i Yosofa (Josefa) sy ny Rahalahiny. nefa Ianareo tsy mahalala izany ? ” info
التفاسير: |

external-link copy
90 : 12

قَالُوٓاْ أَءِنَّكَ لَأَنتَ يُوسُفُۖ قَالَ أَنَا۠ يُوسُفُ وَهَٰذَآ أَخِيۖ قَدۡ مَنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡنَآۖ إِنَّهُۥ مَن يَتَّقِ وَيَصۡبِرۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Dia hoy izy ireo : “Moa va ianao…tena marina fa i Josefa ianao!”, dia hoy izy namaly: “Josefa tokoa aho, ary ity ny rahalahiko. Marina fa nanasoa anay Allah. Na iza na iza manam-pahatahorana sy manam-paharetana...Ary marina, fa tsy avelan’Allah ho very, ny valisoan’ireo mpanao soa”. info
التفاسير: |

external-link copy
91 : 12

قَالُواْ تَٱللَّهِ لَقَدۡ ءَاثَرَكَ ٱللَّهُ عَلَيۡنَا وَإِن كُنَّا لَخَٰطِـِٔينَ

Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Mianiana amin’i Allah ! Tena marina, fa notiavin’i Allah mihoatra Anay Ianao ary diso tokoa Izahay ”. info
التفاسير: |

external-link copy
92 : 12

قَالَ لَا تَثۡرِيبَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡيَوۡمَۖ يَغۡفِرُ ٱللَّهُ لَكُمۡۖ وَهُوَ أَرۡحَمُ ٱلرَّٰحِمِينَ

Niteny izy ka nanao hoe : “ Tsy misy fanakianana Anareo androany ! hamela ny helokareo anie i Allah ary Izy, ilay Mpamindra-fo indrindra amin’ireo mpamindra-fo. info
التفاسير: |

external-link copy
93 : 12

ٱذۡهَبُواْ بِقَمِيصِي هَٰذَا فَأَلۡقُوهُ عَلَىٰ وَجۡهِ أَبِي يَأۡتِ بَصِيرٗا وَأۡتُونِي بِأَهۡلِكُمۡ أَجۡمَعِينَ

Entonareo ity fitafiako ity ary apetaho amin’ny tavan’i Raiko dia hahiratra avy hatrany Izy. Ary ento mankaty Amiko avokoa ny fianakavianareo rehetra ”. info
التفاسير: |

external-link copy
94 : 12

وَلَمَّا فَصَلَتِ ٱلۡعِيرُ قَالَ أَبُوهُمۡ إِنِّي لَأَجِدُ رِيحَ يُوسُفَۖ لَوۡلَآ أَن تُفَنِّدُونِ

Raha vao tafavoaka ny sisin-tany (kanana) ny andian’ny mpandeha, Niteny ny Rain’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa Izaho dia maheno ny fofon’i Yosofa (Josefa) na dia teneninareo fa mirediredy Aho ”. info
التفاسير: |

external-link copy
95 : 12

قَالُواْ تَٱللَّهِ إِنَّكَ لَفِي ضَلَٰلِكَ ٱلۡقَدِيمِ

Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah fa indro indray Ianao dia miverina amin’ny fahaverezanao taloha ”. info
التفاسير: |