Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'bakara   Aya:
وَلَن تَرۡضَىٰ عَنكَ ٱلۡيَهُودُ وَلَا ٱلنَّصَٰرَىٰ حَتَّىٰ تَتَّبِعَ مِلَّتَهُمۡۗ قُلۡ إِنَّ هُدَى ٱللَّهِ هُوَ ٱلۡهُدَىٰۗ وَلَئِنِ ٱتَّبَعۡتَ أَهۡوَآءَهُم بَعۡدَ ٱلَّذِي جَآءَكَ مِنَ ٱلۡعِلۡمِ مَا لَكَ مِنَ ٱللَّهِ مِن وَلِيّٖ وَلَا نَصِيرٍ
Ary tsy ho faly aminao velively ny Jiosy sy ireo Kristianina, raha tsy manaraka ny finoany ianao. Koa lazao azy ireo : “Lazaiko sy hamafisiko, fa ny taridàlan’Allah no làla-marina”. Fa raha ianao indray no hanaraka ny sitrapon’izy ireo taorian’ny nanomezan’Allah anao ny Fahalalàna, tsarovy, fa tsy hanana sakaiza mpiaro na koa mpamonjy afa-tsy Allah irery ihany ianao.
Tafsiran larabci:
ٱلَّذِينَ ءَاتَيۡنَٰهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ يَتۡلُونَهُۥ حَقَّ تِلَاوَتِهِۦٓ أُوْلَٰٓئِكَ يُؤۡمِنُونَ بِهِۦۗ وَمَن يَكۡفُرۡ بِهِۦ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Ireo izay nomenay ny Boky ka namaky izany amin'ny famakiana tena marina, dia izy ireny no mino Azy; ary izay tsy mino Azy kosa dia lazaina fa izy ireny tokoa no olona maty antoka.
Tafsiran larabci:
يَٰبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱذۡكُرُواْ نِعۡمَتِيَ ٱلَّتِيٓ أَنۡعَمۡتُ عَلَيۡكُمۡ وَأَنِّي فَضَّلۡتُكُمۡ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ry zanak’Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary ny nanomezako anareo tombom-pahasoavana teo anatrehan’izao tontolo izao.
Tafsiran larabci:
وَٱتَّقُواْ يَوۡمٗا لَّا تَجۡزِي نَفۡسٌ عَن نَّفۡسٖ شَيۡـٔٗا وَلَا يُقۡبَلُ مِنۡهَا عَدۡلٞ وَلَا تَنفَعُهَا شَفَٰعَةٞ وَلَا هُمۡ يُنصَرُونَ
Aoka ianareo hatahotra ilay andro izay tsy hanomezana valisoa ny an-daniny noho ny asan’ny ankilany, sy tsy hankatoavana intsony izay fibabohana amin’ny heloka vita, ary tsy hamokatra intsony ny fanelanelanana. Ka tsy hisy intsony ny famonjena ho azy ireo.
Tafsiran larabci:
۞ وَإِذِ ٱبۡتَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِـۧمَ رَبُّهُۥ بِكَلِمَٰتٖ فَأَتَمَّهُنَّۖ قَالَ إِنِّي جَاعِلُكَ لِلنَّاسِ إِمَامٗاۖ قَالَ وَمِن ذُرِّيَّتِيۖ قَالَ لَا يَنَالُ عَهۡدِي ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary tsarovinareo, raha nahazo fitsapana tamin’ny Tompony i Ibrahim tamin’ny alàlan’ireo teny, ka dia tanterany tokoa izany. Niteny taminy Izy : “Lazaiko ary hamafisiko, fa nanapa-kevitra ny hanendry anao ho mpitarika (Imam) ny olombelona Aho”. Dia hoy izy nanontany : “Ary izany va hahakasika ireo taranako?”, namaly azy Allah : “Tsy ho voakasiky ny fanekeko ireo mpanao ny tsy rariny”.
Tafsiran larabci:
وَإِذۡ جَعَلۡنَا ٱلۡبَيۡتَ مَثَابَةٗ لِّلنَّاسِ وَأَمۡنٗا وَٱتَّخِذُواْ مِن مَّقَامِ إِبۡرَٰهِـۧمَ مُصَلّٗىۖ وَعَهِدۡنَآ إِلَىٰٓ إِبۡرَٰهِـۧمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ أَن طَهِّرَا بَيۡتِيَ لِلطَّآئِفِينَ وَٱلۡعَٰكِفِينَ وَٱلرُّكَّعِ ٱلسُّجُودِ
Ary tsarovy raha nataonay ho toeram-pivahiniana ho an'ny zanak'olombelona ilay Trano (Ka'bah) ary ho toerana mandry fahalemana, ary (hoy Izahay hoe) raisonareo ho toerana fanaovana Soalat ny toerana nitsanganan'i Mpaminany Ibrahim (A.s) ary nomenay andraikitra i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy Mpaminany Ismail (A.s) fa hoe : " Diovinareo ny Tranoko, ho an'ireo mpanao Twawaaf (1) sy I'tikaaf ary ho an'ireo mpiondrika sy mpiankohoka ".
Tafsiran larabci:
وَإِذۡ قَالَ إِبۡرَٰهِـۧمُ رَبِّ ٱجۡعَلۡ هَٰذَا بَلَدًا ءَامِنٗا وَٱرۡزُقۡ أَهۡلَهُۥ مِنَ ٱلثَّمَرَٰتِ مَنۡ ءَامَنَ مِنۡهُم بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ قَالَ وَمَن كَفَرَ فَأُمَتِّعُهُۥ قَلِيلٗا ثُمَّ أَضۡطَرُّهُۥٓ إِلَىٰ عَذَابِ ٱلنَّارِۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Ary tsarovy raha niteny i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka nanao hoe : " Tompo ô ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary omeo anjara amin’ireo voankazo ny mponina ao aminy, izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany amin'izy ireo ".Dia niteny Izy i Tompo Allah fa hoe : " Fa izay mikomy kosa dia homeko fahafinaretana kely ihany, ary avy eo hotereko ho any amin’ny famaizan’ny Afobe izy. ka izany tokoa no fiafarana ratsy indrindra izay hiafarany izany ! ".
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'bakara
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa