Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'bakara   Aya:
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلۡمَلَإِ مِنۢ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ مِنۢ بَعۡدِ مُوسَىٰٓ إِذۡ قَالُواْ لِنَبِيّٖ لَّهُمُ ٱبۡعَثۡ لَنَا مَلِكٗا نُّقَٰتِلۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۖ قَالَ هَلۡ عَسَيۡتُمۡ إِن كُتِبَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡقِتَالُ أَلَّا تُقَٰتِلُواْۖ قَالُواْ وَمَا لَنَآ أَلَّا نُقَٰتِلَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَقَدۡ أُخۡرِجۡنَا مِن دِيَٰرِنَا وَأَبۡنَآئِنَاۖ فَلَمَّا كُتِبَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡقِتَالُ تَوَلَّوۡاْ إِلَّا قَلِيلٗا مِّنۡهُمۡۚ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِٱلظَّٰلِمِينَ
Moa va tsy mba hitanao ny tantaran’ireo lohandohan’ny mpisorona, teo amin’ny zanak’Israely, taorian’i Moussa ka nilazan’izy ireo tamin’ny Mpaminaniny hoe: “Aoka ianao handefa mpanjaka ho anay, mba hitarika anay hiady amin’ny làlan’Allah”. Ka hoy izy namaly: “Moa va tsy handa ianareo raha toa ka mivoaka ny didy momba izany?”. Hoy indray izy ireo namaly : “Fa inona loatra no hahatonga anay tsy hiady amin’ny làlan’Allah, manoloana ny fandroahana anay teo amin’ny fonenanay, sy ireo zanakay?”. Saingy rehefa nodidiana izy ireo hiady, dia nitsoaka an-daharana avokoa afatsy vitsy an’isa monja tamin’izy ireo. Fa Allah dia Mahafantatra loatra ny amin’ireo mpanao ny tsy rariny.
Tafsiran larabci:
وَقَالَ لَهُمۡ نَبِيُّهُمۡ إِنَّ ٱللَّهَ قَدۡ بَعَثَ لَكُمۡ طَالُوتَ مَلِكٗاۚ قَالُوٓاْ أَنَّىٰ يَكُونُ لَهُ ٱلۡمُلۡكُ عَلَيۡنَا وَنَحۡنُ أَحَقُّ بِٱلۡمُلۡكِ مِنۡهُ وَلَمۡ يُؤۡتَ سَعَةٗ مِّنَ ٱلۡمَالِۚ قَالَ إِنَّ ٱللَّهَ ٱصۡطَفَىٰهُ عَلَيۡكُمۡ وَزَادَهُۥ بَسۡطَةٗ فِي ٱلۡعِلۡمِ وَٱلۡجِسۡمِۖ وَٱللَّهُ يُؤۡتِي مُلۡكَهُۥ مَن يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ وَٰسِعٌ عَلِيمٞ
Ary niteny tamin’izy ireo ny Mpaminaniny fa Allah dia efa nandefa an’i Talota ho mpanjakanareo. niteny izy ireo hoe : “ Nahoana no azony ny fanjakana (hitondra anay), kanefa izahay no mendrika kokoa noho izy amin’ny fitondrana (vahoaka), ary izy dia tsy ampy amin’ny fananan-karena. Niteny izy hoe : ” tena marina fa i Allah no nisafidy azy ho eo aminareo, ary nanome azy tombony tamin’ny fahalalana sy ny toe-batana. ary Allah dia mizara ny fanjakany ho an’izay sitrany. ary Allah dia Manerana sy Mahay ny zavatra rehetra.
Tafsiran larabci:
وَقَالَ لَهُمۡ نَبِيُّهُمۡ إِنَّ ءَايَةَ مُلۡكِهِۦٓ أَن يَأۡتِيَكُمُ ٱلتَّابُوتُ فِيهِ سَكِينَةٞ مِّن رَّبِّكُمۡ وَبَقِيَّةٞ مِّمَّا تَرَكَ ءَالُ مُوسَىٰ وَءَالُ هَٰرُونَ تَحۡمِلُهُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لَّكُمۡ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Ary nilaza tamin’izy ireo ilay Mpaminany teo aminy : “Hamafisina aminareo, fa ny porofo famantarana ny fanjakany, dia ny fahatongavan’ilay vata eo aminareo mirakitra fahatoniana avy amin’ny Tomponareo, sy ny sisa tamin’izay navelan’ireo taranak’i Moussa sy ireo taranak’i Harona. Ireo Anjely no hitondra izany. Hamafisina, fa amin’izany rehetra izany dia misy porofo famantarana miharihary ho anareo, raha mpino marina ianareo.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'bakara
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Fassara ta wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwwad tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Ƙungiyar Hidimar Abun ciki na Musulunci a harsuna.

Rufewa